- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miaiky i Filipina Fa Nitondra Ireo Fianakaviana Tsy Manan-kialofana Ho Any Aminà Toeram-pisindàna Mahafinaritra Nandritry Ny Fitsidihan'ny Papa François

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
An illustration by the anonymous art collective Pixel Offensive shows Secretary Dinky Soliman, donning the yellow color of the ruling Liberal Party, whitewashing the walls to hide street children from the Pope. [1]

Sary iray fanehoana, nataon'ilay fiarahamientana tsy itononana anarana – Pixel Offensive – mampiseho an'i Dinky Soliman, sekreteran'ny fiahiana ara-tsosialy, mitafy ny loko mavo ahafantarana ny Antoko Liberaly eo amin'ny fitondràna sady mamotsy ny rindrina mba hanafenana ireo ankizin'ny arabe tsy ho hitan'ny Papa.

Taorian'ny namerimberenany ny fandàvany ho tsy nanaisotra ny tsy manan-kialofana sy ny mahantra tsy ho hita teny an-dalamben'i Manila mba hanomanana ny fitsidihan'ny Papa François ny fireneny, niaiky [2] ny sekreteran'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny governemanta ao Filipina fa ho an'ny fitsidihan'ny Papa dia nandefa ara-potoana ireo fianakaviana 100 mahantra ho any aminà toeram-pisindàna iray misy rivotra voarindra.

Dinky Soliman iray latsa-dranomaso, sekreteran'ny Departemantan'ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampandrosoana – Department of Social Welfare and Development (DSWD) – no niteny tao anatin'ny fivoriana fanadihadiana tao amin'ny Antenimiera fa nentin'ny masoivohony nankany amin'ny toeram-pisindàna iray tany Batangas izy ireny mba hanadiovana ny Roxas Boulevard, izay ampahany tamin'ny arabe nodiavin'ny andianà fiara nitondra ny Papa tao Manila.

Ny toeram-pisindàna “Chateau Royale” tao Nasugbu Batangas dia any amin'ny 90 kilaometatra any atsimon'ny renivohitr'ity firenena anjakan'ny fiangonana Katolika ity. Nandany $97,600 ilay masoivoho ho an'ilay enina andro “fisindàn'ny fianakaviana” izay azo heverina ho tafiditra ao anatin'ny ezaky ny governemanta Aquino ho famongorana ny fahantràna. Araka ny nambaran'ilay masoivoho, ilay fanazàrana dia nikendrena hanomezana traikefa hanampy azy ireo hahita asa na fivelomana.

Tena ilaina ny manipika fa ny Papa François izay malaza amin'ny fanohanany ny mahantra, dia nitsidika ny firenena mba hahita maso ny tena zava-misy iainan'ireo Filipinos mahantra tsy manan-koraisina, indrindra fa ireo tra-boina tamin'ny rivomahery Haiyan. Nalàn'ireo Filipino mpisera anaty aterineto baràka ny sekreteran'ny DSWD sy ny fitantanan'ny Filoha Noynoy Aquino:

Ry dinky soliman malala, raha mba ny tavanao no nafeninao ny @Pontifex fa tsy ireo tsy manan-kialofana, dia betsaka no ho faly niaraka taminao.

tena famelezana tanteraka an'ireo mahantra ny fanafenana azy tamin'ny Pafa François ry Sekretera dinky soliman #fihatsaranaivelantsihy

Ary dia nandray tsodrano tamin'ny Papa François ianao ry Dinky Soliman! Henatra ho anao !

Ary vavolombelona mahita maso ny fomba isainan'i Dinky Soliman ireo mahantra ho toy ny loza mitatao ho an'ny ain'ny Papa. Tokony hametra-pialàna avy hatrany io sekretera kaondrana io

Dia mihevitra ve i Dinky Soliman fa tena tsy mahalàla na inona na inona momba ny olan'ny ankizy eny an'arabe ny Papa? Amin'izao vanim-potoanan'ny informatika izao, tsy misy olona afaka hanafina na inona na inona

Ry Sekretera Dinky Soliman, nahoana no nafeninao ireo ankizy teny an'arabe nefa izy ireny mihitsy no tena olona nokatsahin'ny Papa? Henatra toy inona isika manoloana ny fianakaviambe iraisampirenena

Another Pixel Offensive meme shared on Facebook.

Sary mahatsikaiky iray hafa avy amin'ny Pixel Offensive nozaraina tao amin'nyFacebook.

Tany amboalohany ny Sekretera Soliman dia nandà [12] ny tatitra iray avy amin'ny vaovao nilaza fa nangonin'ilay departemanta ireo mahantra ary nafeniny [13] nandritry ny fitsidihan'ny Papa. Nisisika mihitsy izy tamin'ny filazàny fa nifanandrify fotsiny tamin'ny fitsidihan'ny Papa ny fanofanana nampanaovin'ny masoivohony.

Taorian'ny fibabohana nataon'i Soliman momba ny “famoahana” ireo fianakaviana tsy manan-kialofana, nanokatra fanadihadiana [14]iray mikasika ilay tranga ireo Filipino mpanao lalàna.

Nentina niverina tao Manila ireo fianakaviana mahantra nony injay nandao ny fireneny ny papa.