Taorian'ny namerimberenany ny fandàvany ho tsy nanaisotra ny tsy manan-kialofana sy ny mahantra tsy ho hita teny an-dalamben'i Manila mba hanomanana ny fitsidihan'ny Papa François ny fireneny, niaiky ny sekreteran'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny governemanta ao Filipina fa ho an'ny fitsidihan'ny Papa dia nandefa ara-potoana ireo fianakaviana 100 mahantra ho any aminà toeram-pisindàna iray misy rivotra voarindra.
Dinky Soliman iray latsa-dranomaso, sekreteran'ny Departemantan'ny fiahiana ara-tsosialy sy ny fampandrosoana – Department of Social Welfare and Development (DSWD) – no niteny tao anatin'ny fivoriana fanadihadiana tao amin'ny Antenimiera fa nentin'ny masoivohony nankany amin'ny toeram-pisindàna iray tany Batangas izy ireny mba hanadiovana ny Roxas Boulevard, izay ampahany tamin'ny arabe nodiavin'ny andianà fiara nitondra ny Papa tao Manila.
Ny toeram-pisindàna “Chateau Royale” tao Nasugbu Batangas dia any amin'ny 90 kilaometatra any atsimon'ny renivohitr'ity firenena anjakan'ny fiangonana Katolika ity. Nandany $97,600 ilay masoivoho ho an'ilay enina andro “fisindàn'ny fianakaviana” izay azo heverina ho tafiditra ao anatin'ny ezaky ny governemanta Aquino ho famongorana ny fahantràna. Araka ny nambaran'ilay masoivoho, ilay fanazàrana dia nikendrena hanomezana traikefa hanampy azy ireo hahita asa na fivelomana.
Tena ilaina ny manipika fa ny Papa François izay malaza amin'ny fanohanany ny mahantra, dia nitsidika ny firenena mba hahita maso ny tena zava-misy iainan'ireo Filipinos mahantra tsy manan-koraisina, indrindra fa ireo tra-boina tamin'ny rivomahery Haiyan. Nalàn'ireo Filipino mpisera anaty aterineto baràka ny sekreteran'ny DSWD sy ny fitantanan'ny Filoha Noynoy Aquino:
dear dinky soliman, kung ang itinago mo ke @Pontifex ay ang mukha mo at d ang mga homeless, mas marami sana ang natuwa sayo. 🙂 @dswdserves
— cecille (@cecille_hbl) January 25, 2015
Ry dinky soliman malala, raha mba ny tavanao no nafeninao ny @Pontifex fa tsy ireo tsy manan-kialofana, dia betsaka no ho faly niaraka taminao.
hiding the poor from pope francis is purely anti poor sec. dinky soliman. #hypocrisy
— Robert Protacio (@sybillsantino) January 23, 2015
tena famelezana tanteraka an'ireo mahantra ny fanafenana azy tamin'ny Pafa François ry Sekretera dinky soliman #fihatsaranaivelantsihy
Nagmano ka pa naman kay Pope Francis Dinky Soliman! Mga walanghiya kayo!
— Alyssa Po (@alyyyssapo) January 23, 2015
Ary dia nandray tsodrano tamin'ny Papa François ianao ry Dinky Soliman! Henatra ho anao !
And witness how Dinky Soliman imagines poor people becoming a threat to the Pope's security. That stupid secretary should resign at once!
— Jude M. Mangilog (@judemangilog) January 24, 2015
Ary vavolombelona mahita maso ny fomba isainan'i Dinky Soliman ireo mahantra ho toy ny loza mitatao ho an'ny ain'ny Papa. Tokony hametra-pialàna avy hatrany io sekretera kaondrana io
Does Dinky Soliman think the Pope is clueless of the street kids fiasco?At this Info Age nobody can hide anything.
— eugenio isidro (@eugenio_isidro) January 24, 2015
Dia mihevitra ve i Dinky Soliman fa tena tsy mahalàla na inona na inona momba ny olan'ny ankizy eny an'arabe ny Papa? Amin'izao vanim-potoanan'ny informatika izao, tsy misy olona afaka hanafina na inona na inona
Sec Dinky Soliman bakit mo naman tinago mga street children eh yan nga hhinahanap ni Pope? Nakakahiya na naman tayo intrrnational community
— Resty Mendoza (@restymendoza) January 23, 2015
Ry Sekretera Dinky Soliman, nahoana no nafeninao ireo ankizy teny an'arabe nefa izy ireny mihitsy no tena olona nokatsahin'ny Papa? Henatra toy inona isika manoloana ny fianakaviambe iraisampirenena
Tany amboalohany ny Sekretera Soliman dia nandà ny tatitra iray avy amin'ny vaovao nilaza fa nangonin'ilay departemanta ireo mahantra ary nafeniny nandritry ny fitsidihan'ny Papa. Nisisika mihitsy izy tamin'ny filazàny fa nifanandrify fotsiny tamin'ny fitsidihan'ny Papa ny fanofanana nampanaovin'ny masoivohony.
Taorian'ny fibabohana nataon'i Soliman momba ny “famoahana” ireo fianakaviana tsy manan-kialofana, nanokatra fanadihadiana iray mikasika ilay tranga ireo Filipino mpanao lalàna.
Nentina niverina tao Manila ireo fianakaviana mahantra nony injay nandao ny fireneny ny papa.