Tonga ao Amin'ny Tambajotra Sosialy Ny Tazon'ny Ekipam-Pirenen'i Ginea Any Amin'ny CAN2015

Equipe nationale de Guinée qualifiée pour les 1/4 de finale de la CAN 2015

Tafakatra Ampahaefa-dalana CAN 2015 ny ekipam-pirenen'i Ginea

Rehefa tafakatra amin'ny dingan'ny ampahaefa-dalana, taorian'ny lalao izay tsy nahafantarana ny vokany raha tsy ny ampitson'ny fitsofan'ny mpitsara kiririoka farany, ary tao amin'ny efitry ny trano fandraisam-bahiny, tamin'ny alalan'ny vintana tsara nandritra ny atsapaka, izay nampihitsana ny ekipam-pirenen'i Mali ny ekipam-pirenena Gineana, dia nidina an-dalambe feno vovoka manerana ny firenena ny mpanohana hanehoan'izy ireo ny hafaliany. 

Firenena iray amin'ireo telo tena anjakan'ny valan'aretina tazo ateraky ny viriosin'ny Ebola i Ginea. Na dia nihemotra tamin'ny fanomanana ny Fiadiana ny Amboaran'i Afrika hoan'ny Ekipam-Pirenena aza i Maraoka noho ny mety ho firohotan'ny mpanohana avy amin'ny faritra tratran'ny valan'aretina, dia nanome alalana ny Sily nasionaly, anaram-bositra omena ny ekipam-pirenena hiditra ao amin'ny sisintaniny izy hanaovana fanazara-tena.

Raha tafiditra tao amin'ny vondrona iray noheverina tamin'ny voalohany fa kely dia kely ny herijika hahatafakarana amin'ny dingan'ny ampahaefa-dalana ny ekipa, dia tsy nampoizina fa nahavita nampihitsana ny an'i Mali izy, taorian'ny lalao iray tsara hotsarovana izay niafara tamin'ny ady sahala. Ho fampisarahana ny roa tonta dia tsy maintsy natao no atsapaka notontosaina tao amin'ny efitra fandraisam-bahiny iray ny ampitson'ny nifaranan'ny lalao. Ho an'ny vahoaka izay tsy manam-potoana firy fanararaotra hiaraha-mankalaza noho ny fahasarotana ara-politika sy ny vesatry ny tsimok'aretina Ebola, dia nirotsaka daholo ny rehetra hanohana ny ekipam-pirenena. Lasa nihanaka vetivety ny fifanoloran-kafatra tao amin'ny tambajotra sosialy. Io no tazo nahazo ny vahoaka iray manontolo, ary nahahoatra ny sehatra ara-panatanjahantena.

Tao amin'ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe “Comment expliquer l’engouement derrière le Sily national de Guinée?” [Ahoana ny hanazavana ilay potika tanteraka amin'ny Sily nasionalin'i Ginea?], dia hadihadian'ilay bilaogera cireass ny anton'ilay tazo, ao amin'ny bilaoginy Rivières du sud: Topimaso amin'i Ginea, ao anatin'ny tambajotran'i mondoblog.org: 

Après une campagne de qualification délocalisée à l’extérieur du pays (au Maroc) pour cause d’Ebola qui frappe la Guinée depuis fin 2013, le Sily National de Guinée s’est qualifié non pas sans humiliation lors de ses déplacements dans des pays qui voyaient toute une nation porteuse du virus Ebola. De quoi ‘séduire’ plus d’un de ses supporteurs…

La dernière raison qui pourrait expliquer cet appui, ce sont les réseaux; précisément la tendance selfie. Oubliez la période où Internet représentait un luxe pour les Guinéens. De nos jours, en dépit du problème récurrent d’électricité, la plupart des personnes de la tranche d'âge 15-30 ans disposent d’un compte sur Facebook. Et la tendance du moment, c’est de poster un selfie avec un dérivé du Sily (maillot, bracelet, bonnet, etc.) sur Facebook, Instagram ou Twitter. Ces milliers de photos donnent l’image d’une équipe soutenue par tout un peuple.

Taorian'ny fanarazan-tena notontosaina tany ivelan'ny firenena (tao Maraoka) noho ny Ebola izay mahazo an'i Ginea hatramin'ny faran'ny taona 2013, dia tafakatra tsy nilaozana fahafaham-baraka ny Sily Nasionalin'i Ginea, raha nifindrafindra toerana tany amin'ireo firenena mihevitra ny firenena [gineana] iray manontolo ho mitondra ny tsimok'aretina Ebola. Izany no mahataratara ny maro amin'ireo mpanohana azy…

Ny antony farany azo anazavana ity fanohanana ity dia ireo tambajotra; indrindra fa ny lazan'ny selfie. Adinoy ny fotona niheverana ny aterineto ho rendrarendra hoan'ny Gineana. Amin'izao androntsika izao, na dia eo aza ny olana raiki-tapisaky ny herinjiro, dia manana kaonty Facebook ny ankamaroan'ny olona anelanelan'ny taona 15-30 taona. Ary ny malaza amin'izao fotoana dia ny mandefa selfie ahitana kojakojan'i Sily iray (fanamiana, haba, satroka, sns.) ao amin'ny Facebook; Instagram na Twitter. Ireny sary an'arivony ireny no manome endrika ilay ekipam-pirenena ho tohanan'ny vahoaka iray manontolo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.