- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tandindonin-doza Noho Ny Fisian'ny Solika Mainty Ny Sundarbans Any Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Voina, Vonjy Voina
Spotted deers forage at the Kokilmoni forest in the Sundarbans, a UNESCO world heritage site. Bagerhat, Bangladesh. Image by Muhammad Mostafigur Rahman. Copyright Demotix (5/11/2014) [1]

Diera mipentipentina miraoka ahitra any amin'ny alan'i Kokilmoni any Sundarbans, toerana misy vakoka iraisam-pirenena tantànan'ny UNESCO. Bagherat, Bangladesh. Sary avy amin'i Muhammad Mostafigur Rahman. Fizakà-manana Demotix (5/11/2014)

Sambo mpitondra solika iray nitondra solika fandrehitra 358.000 litatra ( eo ho eo amin'ny 100.000 galona) no rendrika tany amin'ny reniranon'i Shela [2]tamin'ny 7 Desambra, nampihanaka ny solika ho aminà toerana efa maherin'ny 60 km ( tokony ho eo amin'ny maily 37) teo amin'i Sundarbans. Hany alanà honko lehibe indrindra manerantany any atsimo andrefan'i Bangladesh i Sundarbans [3]izay mandrakotra velarantany 10.000 kilaometatra toradroa ( 3.900 maily tsimivadimandry), 60 isanjaton'izany no any Bangladesh. Iray amin'ireo tahirin-javaboahary malalaka ho an'ny tigra bengala, sy toerana hialofan'ireo karazana maro samy hafa i Sundarbans, toerana iray misy vakoka iraisam-pirenena tantanan'ny UNESCO. 

@stephenfry [4] Pls RT: ” Loza mananontanona ireo biby mpiriorio, indrindra ireo fesotse sy ireo voron'i Sundarbans-BD ny fahaverezan'ny solika”

Loza mananontanona ny rafi-piaraha-miaina ao amin'ny honko [10] lehibe indrindra eran-tany , toerana misy vakoka iraisam-pirenena tantanan'ny UNESCO  [9] ilay rakotra solika [8] voalohany indrindra tany #Sunderbans [9]

Loza tany #Sundarbans [15] >>nanjary mainty ny morondranon'i Sela. Raha ny marina dia làkana kely nasiam-panovàna ilay sambo mpitondra solika rendrika

Loza mananontanona ireo karazana an-jatony maro ahiana ho lany taranaka ilay #oilspill [18] (solika niparitaka) any  #sundarban [19]

Araka ny tatitra, [25] dia loza mananontanona ny Mrigmari-Nondabala-Andharmanik fonenan'ireo fesotse ilay fiparitahana solika vaovao io. Mora tohina amin'ny loton'ny solika ihany koa ny hazon'ny ala honko — tena marina, hanomboka ho faty izy ireo manaraka ny fiainana anaty rano amin'iny faritra iny, izay voalohany indrindra ho faty. Nanangona sary fampahafantarana tao amin'ny Flickr [26] izay manazava amin'ny antsipirihany ilay faharavana i Fahim Hassan.

Araka ny asehon'ny sary naparitak'i Mowgliz Elisabeth Rubaiyat [27] tao amin'ny Facebook dia efa namono [28] biby maromaro sahady ilay loza. Toy ny tsy mahavita na inona na inona ny fitondrana ao an-toerana , tsy mbola nifanojo taminà fiparitahanà solika midadasika be tahaka izao sy tsy manana fotodrafitrasa ilaina mba hamahàna olana ry zareo. Taterin'ny  [29] Al Jazeera fa mpanjono maro avy ao an-toerana no nandeha nanadio ilay fiparitahana solika tamin'ny fampiasana spaonjy sy harona.

Maro tao amin'ny Twitter no nametra-panontaniana ny amin'ny fihetsik'ireo manampahefana :

Miresaha amin'ny fikambanana izay niasa taorian'ny fiparitahan'ny solika tany amin'ny Golfa tamin'ny 2010!  Marina moa ry zalahy….’ Mpitondra mivala-ketraka ao Sundarbans”

Minisitra iray ao amin'ny governamanta #Bangladesh [32] no nilaza fa kaompania britanika iray no nanolo-tena hanadio ilay solika mainty 60 km izay loza mananontanona ny ala honkon'i Sunderbans.

#SundarbansDisaster [5] ezaka fanatsarana miaraka amin'ny tantavana sy vilany tsatokaty.

Nanome sambo mitondra tsiranoka fanadiovana ho any amin”ilay faritra ny governemanta ho fanampiana ilay ezaka. Mety mbola hihasimba ihany ny tontolo iainanana ao an-toerana [36] ny vokatra simika tahaka izany raha toa ka araraka tsy araka ny tokony ho izy. Efatra andro aty aoriana, toy ny zara raha nisy fiantraikany ilay ezaka nataon'ny fanjakana, [37] ka mampitombo ny tahotra ny amin'ny haharetan'ilay loza voajanahary eo amin'ny tontolo iainana izany.

59 ora izay no lasa, manomboka ny fandrarahana tsiranoka fanadiovana any amin'ny reniranon'i #Sundarbans [15] http://t.co/JThyipvfep [38] #Bangladesh [32]

Ambaran'ny  [43] Minisitry ny fitaterana An-drano Bangla fa vitan'ireo mponina tao an-toerana ny nanakana ny fidiran'ny solika tsy ho any anaty ala tamin'ny alàlan'ny fampiasana harato, ary mbola miasa koa manala ny solika amin'ny rano [44] ry zareo, mba hialàna amin'ny fitàran'ny loza. Ny Sampan-draharaham-panjakana miandraikitra ny ala no mandrindra ny asa [45] miaraka amin'ny sambo 100 sy mpanjono 200.

Nitory [46] ireo tompon'ny sambo roa izay tompon'antoka tamin'ilay fiparitahana solika mainty ny Sampan-draharahan'ny Ala ary nangataka onitra 1 lavitrisa taka Bangla ( 13 tapitrisa dolara eo ho eo).

Tahaka izao ny ala honkon'i Sunderbans, vao iray volana izay, talohan'ilay fiparitahana y solika mainty :

Notsikerain'i Ahmed Sharif [47], mpitoraka bilaogy,  ny paika fitantanana ny loza voajanahary tsy voarindra tsaran'ny governemanta , lazainy fa tsy mahatakatra tsara ilay olana :

দুর্যোগ ব্যবস্থাপনা বলতে কি শুধু বন্যা-জলোচ্ছ্বাস বোঝায়? গত দুই দশকে অর্থনৈতিক দিক থেকে দ্রুত অগ্রগতির সাথে সাথে যেসব ঝুঁকির সৃষ্টি হয়েছে, সেগুলির জন্যে আমরা নিজেদের তৈরি করতে পারিনি। নদীতে জাহাজের সংখ্যা আগের চেয়ে বহুগুণ বেড়ে গেছে, কিন্তু তার সাথে পাল্লা দিয়ে তৈরি হয়নি মনিটরিং এজেন্সিগুলি। জাহাজ তৈরি হচ্ছে যথেচ্ছভাবে, যাত্রী নেওয়া হচ্ছে অতিরিক্ত, ফিটনেসবিহীন জাহাজ চলছে, নদীর পানি দূষণ করছে জাহাজের বর্জ্য, নদীর মাঝে পার্ক করে রাখা হচ্ছে জাহাজ, সঠিক যন্ত্রপাতি ছাড়াই চলছে জাহাজ, চলাচলের সময় ঠিক করে দেয়ার পরেও কেউ মানছেনা – কেউ দেখার নেই। কাজেই দুর্ঘটনার সম্ভাবনা প্রতিদিন বেড়েই চলেছে। আর দুর্ঘটনার সম্ভাবনা বাড়লেও সেটার জন্যে প্রস্তুতি নেই আমাদের।

Moa ve ny tondradrano sy ny rivodoza ihany no atao hoe loza voajanahary ? Tao anatin'ny folo taona dia niroborobo ny fivoaran'ny toekarena sy ny mety ho fahamaroan'ny loza teto amin'ny  firenena. Saingy tsy vitantsika narahana ny onjany mba hiomanana amin'ny loza mety hiseho entiny. Mitombo isa ireo sambo ara-barotra mivezivezy amin'ny reniranontsika, nefa tsy arak'ireo masoivoho mpanara-masontsika izany. Maro ireo sambo vita tsy araka ny tokony ho izy, mitondra mpandeha mihoatra lavitra noho izay zakany. Betsaka ireo sambo tsy tokony hiasa intsony, manary fako amin'ny fomba tsy ara-dalàna, mibahana tsy amim-piheverana ny làlana an-drano, tsy manaja ora – tsy misy mahafehy izany. Noho izany mitombo ny loza mety hiseho ary tsy voaomana ho amin'ireny loza sy loza voajanahary ireny isika.

Nampiakatra lahatsary maneho ny fahavoazana noho ilay fiparitahana solika mainty i A. K. M. Wahiduzzaman  mpisera amin'ny YouTube :

Hita tamin'ny Zoma lasa teo ny voaloham-patinà  fesotse tao Irrawadi, fesotse tsy fahita firy, maty vokatr'iny loza iny. Araka ireo tatitra, [48]dia ny Padma Oil Company no nahavita nanala solika 10.000 litatra ( manodidina ny 2.600 gallons) tamin'ny ezaka fanadiovana nataony hatramin'izao. Manome vola 30 taka Bangla ho an'ireo mpanadio an-tsitrapo (eo ho eo amin'ny 40 cents na 34 once eo ho eo) isaky ny solika iray litatra voaangona  ilay orinasa.

Manao fanehoankevitra ao amin'ny Facebook [49] ilay mpihira sady mpitoraka bilaogy, Mac Haque :

Ny mampanahy dia ity asa fanadiovana fahatany ity. Ny tolotra 30 Taka isaky ny litatra amin’ ny solika fandrehitra no nampihazakazaka ny olona an'arivony, tsy ny hanavotra ny Sundarbans anefa fa ny mba hahazo ny sitrany ahay. Mazava ho azy fa màna latsaka avy any an-danitra izany ho an'ireo mahantra indrindra amin'ny mahantra. Fa na izany aza tsy nandre mihitsy aho na dia olona iray aza niteny ny momba ny loza mananontanona ny fahasalaman'ny olona noho ny poizina mampidi-doza ao amin'ilay solika fandrehitra. Na aiza na aiza eto ambonin'ny tany dia mety ho torian'ny vahoaka noho fanomezan-dàlana ny loza mananontanona ny fahasalamany ny governemanta. Hitako fa mahantra sy tsy manan-tsiny an'arivony no ho faty manaraka eo satria tsy mitsinjo lavitra ny Bangladesh Petroleum Corporation.Tsy ny fitadiavana ireo fesotse maty ihany no tanjonay – fa ireo olona nihàrany  ihany koa ! 

Nisy hetsi-panoherana [50] nitakiana ny handraràn'ny governemanta ny fampiasan'ny sambo ara-barotra sy sambo mpitatitra entana ny renirano sy ny lakan-dranon'i Sundarbands. Rehefa tsy misy fepetra mahomby raisin'ny governemanta dia tsy maintsy mbola hiantehitra amin'ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ihany i Bangladesh amin'ity olan'ny tontolo iainana ity.