- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nosivanin'ireo Manampahefana Kazakh Ireo Lahatsary Ahitana Ankizy Any Amin'ireo Toby Fanazarantenan'ny ISIS

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Kyrgyzstan, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora
Kazakh child soldiers in an ISIS training camp. Widely shared on Youtube.

Nozarazaraina be tao amin'ny Youtube.

Hita manerana ny Aterineto rehetra ny ampahanà lahatsary malaza be entina hanamarinana ny fanomanan'i Kazakh ireo ankizy mbola tsy ampy taona hiady ho an'ny ISIS, ilay rantsan'ny Al-Qaeda nilaza ny tenany ho ‘kalifa’ any amin'ny faritra sasany ao Afovoany Atsinanana . Manao izay ho afany ny Kazakhstan mba hanajanonana ny feo miely, ary milaza fa ho foana io olana io.

Taminà dingana mahagaga, ireo manam-pahefàna Kazakh, izay ny lalàna misy ary voafetra dia mandràra ny fanaparitahana ao amin'ny sehatry ny Aterineto ao amin'ny firenena, izay mrehetra mety ho “fampielezan-kevitra mahery fihetsika”, dia nanoratra [1] mihitsy tany amin'ny fampahalalam-baovaon'i Kyrgyzstan izay mpifanila aminy, mba hangataka ny “hamafàny” ny tatitra nataony momba ilay ampahanà lahatsary ISIS.

ISIS — izay mitondra tena ho toy ny “Firenena Silamo”, anefa tsy heken'ny Silamo maro — dia namoaka [2] rakitsary mampiseho ankizy avy any Kazakhstan, mianatra ny teny Arabo, ary ny fikirakiràna fitaovam-piadiana ao amin'ny toby miaramila iray, ny 22 Novambra. Nalefan'ireo fampahalalam-baovao avy any Afovoany Atsinanana aloha ireo lahatsary, talohan'ny nivoahan'ireo tatitra nahatonga ilay rakitsary ho malaza be, tao amin'ireo media manerana ny tany, tao anatin'izany ny Kloop.kg an'i Kyrgyzstan.

Ny 24 Novambra, ny andron'ny namoahan'ny [3] fampahalalam-baovao ilay lahatsoratra mitondra ny lohanteny hoe “Lahatsarin'ny Firenena Silamo: Ankizy avy ao Kazakhstan Mandrahona ny Hamono Ireo Tsy Mpino,” nanoratra [1] tany amin'ny Kloop ny lehiben'ny fampanoavana ao Kazakhstan, ary nangataka ilay vohikala mba hanala ilay lahatsoratra, nitanisa ny lalàna misy ao Kazakh izy tamin'izany ary ny fifanarahana 1373 navoakan'ny Filankevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana, izay milaza hoe “tokony samy handray izay fepetra ilaina ireo firenena rehetra, mba hisorohana ny fanaovana asanà mpampihorohoro, tafiditra amin'izany ireo fampitandremana haingana ho an'ireo Firenena hafa miaraka amin'ny fifanakalozana loharanom-baovao.”

Raha lasa vaovao lehibe tany Kyrgyzstan ilay fangatahan'ny lehiben'ny fampanoavana, teo andaniny, nijanona nangina tanteraka ireo media Kazakh mikasika ilay lahatsary.

Photo from Al Hayat media and re-posted on Daily Mail.com

Dikasary azo avy tamin'ireo rakitsary nalefa tamin'ny media Al Hayat. Nozarazaraina be.

Mampiseho ireo ankizy manambatra ary milalao basy Kalashnikov ilay rakitsary manelingelina.

Nanontaniana tamin'ny teny Kazakh izy hoe ahoana ny fahitàny ny ho aviny, nilaza izao ny iray tamin'ireo ankizy lahy, izay nilaza azy ho Abdullah:

Izaho ilay olona hamono anao, O kuffar [ry tsy mpino]. Ho mujahid aho, insha'allah.

Taorian'ny nitenenan'i Abdullah, dia ankizy lahy iray hafa indray no niteny tamin'ny fiteny Kazakh ihany koa, nanazava ny fiainana ao amin'ny toby miaramila:

Ato amin'ity toby miaramila ity, mianatra ny Kôrano Masina izahay, ny teny Arabo, ny Tajwid [ireo fitsipika mba ahafahana manonona ary mitanisa tsara ny Kôrano], ary ny Fiqh [lalàna Silamo]. Mianatra izany rehetra izany izahay mba hampifaly an'i Allah. Hamono anareo izahay, O ry tsy mpino. Insha'allah ho vonoinay ianareo.

Lasa toerana be mpiditra be, tsy mila ankalazaina intsony ho an'ireo mpampiasa Aterineto Kazakh ny kloop.kg, tamin'ny namoahan'ny lehiben'ny fampanoavana ilay fampitandremana ny vohikala .kz mba tsy haneho ilay lahatsary. Fa taoriana kelin'ny tsy naneken'ilay fampahalalam-baovao ny fangatahana fanesorana avy tamin'ny governemanta iray tany ivelany, nanomboka nitatitra [4] ny fahasarotan'ny fidirana amin'ilay lahatsoratra ireo mpamaky mipetraka any Kazakhstan, tao aminà resadresaka tao amin'ny pejy Facebook azon'ny daholobe idirana, an'ny lehiben'ny Kloop, Bektour Iskender

Namaly [5] i Sergei avy ao Kazakhstan:

Открывайте любой заблокированный глупой властью сайт черед Puffin browser  на все мобильные устройства качается с гугл плей/эпп стор  и абсолютно ВСЕ открывает! Всем удачи  ничего не скрыть уже в 21 веке!

Vohay amin'ny alalan'ny fidirana amin'ny “Puffin” izay vohikala tianao vohaina nefa  nahitsok'ireo mpitondra adaladala ireo. Amin'ireo teknolojia afaka entina rehetra, afaka alainao amin'ny alalan'ny “Google play/App Store” io ary mahavita mamoha ny zavatra rehetra. Soa ihany, tsy misy zavatra afaka afeninao amin'izao taonjato faha 21 izao!

Maneho [6] ny alahelony i Zhenya manoloana ny ho avin'ireo ankizy ISIS, izay eritreretiny ho avy any amin'ny sokajy mahantra:

Следовало ожидать в стране, где дети из неблагополучных семей никому не нужны. Очень горькая правда, но показывает в тоже время как важно заботиться о благе всего общества, особенно, если это касается детей.

Zavatra tokony noeritreretina ihany izao ao amin'ny firenena izay tsy misy mila ireo ankizy avy amin'ny fianakaviana sahirana. Izany ny marina mangidy, saingy miaraka amin'izany, mampiseho ihany koa io ny maha zava-dehibe ny fikarakaràna ny maha olona eo amin'ny fiaraha-monina manontolo, indrindra ireo ankizy. 

Nomen'ny Time.kg ny fanehoana ampahany voafetra tamin'ilay lahatsary, izay nitafatafa niaraka tamin'ilay Rosiana mpanao politika siantifika, Aleksander Knyazev, momba ireo sary mifandimby. Niantso [7] ny governemanta Kazakh i Knyazev, mba tsy hanitrika ny lohany ao anaty fasika:

Вполне возможно, что это постановочный ролик. Но нужно его изучать, и делать это должны специалисты. Хорошо, если бы это прокомментировали спецслужбы [Казахстана], сказали, какой информацией они владеют, насколько это может быть правдой и какие угрозы может нести для Казахстана.

Mety hoe tsy tena izy koa ilay lahatsary. Fa mila hamarinin'ireo manam-pahaizana izany. Tsaratsara kokoa raha mizara loharanom-baovao mikasika ilay lahatsary, ny solontenam-panjakànan'i Kazakhstan, na marina iny na diso, ary inona ny loza mitatao mety hipetraka amin'i Kazakhstan [amin'ny fanangonana ankizy].

Farafaharatsiny mpikambana iray avy ao amin'ny fitondram-panjakana no nanangam-peo tamin'ilay sary mifandimby. Niteny tao amin'ny fantsony ao amin'ny You Tube [8] ny 23 Novambra, ny relijiozy iray Solombavambahoaka avy amin'ny mpitàna ny nentimpaharazana ao amin'ny parlemanta Kazakh, i Bekbolat Tleukhan, nilaza fa “goavana tokoa” ny loza mitatao mipetraka amin'ny repoblika noho ireo ankizy atao tafika:

Дети в ИГИЛ – это огромная опасность для нашей страны. Показывать ненависть путем ислама есть самое худшее. Они вовлекают в свою деятельность маленьких безвинных детей, дают им оружия, заставляют говорить “Мы вас зарежем, мы вас зарежем” – хуже этого ничего нет, еще никогда такого не было. Теперь я даже сомневаюсь люди ли они, не говоря о том, что мусульмане. Нам нужно оберегать каждого ребенка в Казахстане. 

Loza goavana mitatao ho an'ny firenentsika ireo ankizy ao anatin'ny ISIS. Mampiditra ireo ankizy kely tsy manan-tsiny ho amin'ireo zavatra fanaony ny ISIS, manome azy ireo basy ary manery azy ireo hiteny hoe: “Hamono anareo izahay, hamono anareo “. Tsy misy zavatra ratsy noho izany. Ankehitriny, misalasala aho hoe olona ireo, ankoatry ny maha-Silamo. Mila miaro ny ankizy tsirairay any Kazakhstan isika.

Nanome tsoakevitra i Tleukhan hoe fahavalo voalohan'i Kazakhstan ankehitriny ny ISIS:

Если сравнивать с временами Советского Союза, то враг всегда был снаружи, а сейчас враг выходит изнутри нашего народа. ИГИЛ – это враг номер один для Казахстана.

Raha ampitahaintsika tamin'ny andron'ny Sovietika, avy tany ivelany foana ny fahavalo. Ankehitriny, avy ao amin'ireo olontsika ihany ny fahavalo. Fahavalo voalohany #1 ao Kazakhstan ny ISIS.

Araka [3] ny filohan'ny Kaomitim-Panjakàna misahana ny Fiarovam-Pirenena any Kazakhstan, Nurtai Abykaev, manodidina ny 300 eo ho eo ireo Kazakhstanis mpikambana ao amin'ny ISIS, vehivavy ny antsasak'ireo.