Notsipahan'ny Aterineto ny Vaovao Milaza An'i Birmingham Ho Tsy Azon'ny Tsy Miozolomana Aleha

Fox News, Channel, TV

Trano hevan'ny Fox News ao amin'ny Seranam-piaramanidina iraisampirenena ao Minneapolis-Saint Paul , 2006. Nopihan'i Rae Whitlock. Fahazoan-dalana araka ny Creative Commons.

Tsy mitsaha-maneso ilay Fampahalalam-baovao mitohy amerikana Fox ny diezy Twitter #FoxNewsFacts taorian'ny nilazan'ilay manampahaizana “manokana momba ny fampihorohoroana” Steve Emerson fa faritra tsy azon'ny “tsy miozolomana” aleha intsony i Birmingham.

Taorian'ny fanafihana tao Paris i Emerson nilaza tamin'ny mpanentana Jeanine Pirro ao amin'ny Fox News ; “Ao Angletera… misy ny tanàna tahaka an'i Birmingham izay efa Miozolomana daholo ny mponina ary tsy idiran'ny tsy miozolomana intsony ao.”

Na dia voasolo tena ao Birmingham aza ny maro amin'ny antokom-pivavahana, dia tsy mitana ny maro an'isa ny Miozolomana. Ny Tatitry ny BBC: 46,1% amin'ny mponina ao Birmingham milaza fa Kristiana ry zareo, ny 21,8% Miozolomana ary ny 19,3% no tsy manana fivavahana.

Miresaka ireo faritra tsy azon'ny tsy Miozolomana aleha any amin'ny firenena Tandrefana ka heverin-dry zareo fa “Kalifà” i Pirro sy i Emerson. Tsy vao sambany i Birmingham no lazaina fa ohatra velona amin'ny ‘Fanasilamoana an'i Angletera’. Misy lahatsoratra iray ao amin'ny Daily Mail nampiasa ilay tanàna ho ohatry ny “fiovan'endrik'i Britaina” ary ny Tranonkalan'ny British Nationalist Party (BNP) miantso azy ho “fanandramana tsy nahombiazan'ny kolontsaina maroendrika”.

Na izany aza dia mihomehy amin'ny fanehoan-kevitr'i Emerson ao amin'ny Twitter ny Brits. Nampiasaina mihoatra ny in-400 000 ny diezy #FoxNewsFacts (araka ny Topsy), mba hanalana azy amin'ny ankamaroany ny tsy fahamarinana/fandisoam-baovao ataon'ilay fantsona antimiozolomana.

Mihamahery setra ny sinin'ny kaofitiora [voankazo masa-tsiramamy] manerana an'i Angletera.

Ao Birmingham, Mitafy burqa ireo trano lehibe.

Efa niaka-danja hatry ny ela tany an'habakabaka ny Islam, araka ny efa hita amin'ity burqa intergalaktika ity

Ny mpandraoka fako rehetra ao Birmingham dia Ben Laden daholo

Ao Birmingham, ireo vondrona milisy rehetra ao dia manana ny anarana Quran Quran

VAOVAO MAFANA: Teren'ny Miozolomana Jihadista hitafy burqas sy handoro ny lakroany daholo ny Amerikana Tia Tanindrazana

mpanjakavavin'i Angletera noterena hivadika ho any amin'ny islam. nahita azy nanao hijab.

Porofo mivaingana amin'ny fanasilamoana an'i Birmingham?

 

Afaka mividy ity zavamamy amin'ny endrika Moskea ity daholo ny ankizy britanika

Scott Lucas, profesora ao amin'ny Fianarana Amerikana ao amin'ny Oniversiten'i Birmingham niteny tamin'ny BBC fa mety hampisy akony ao Etazonia ny fanehoan-kevitr'i Emerson: “Misy olona te-handre fa fifanandrinana eo amintsika sy ry zareo io, adin'i Amerika amin'izao tontolo izao, izany no adin'ny Amerikana fotsy – aleo tsy mamita-tena – amin'ireo tsy fotsy sy milaza finoana hafa.”

Fox News, izay natsangan'i Rupert Murdoch, dia malaza ho mivatravatra rehefa resaka foko. Taloha, ny mpanentana ao amin-dry zareo dia nampitaha ny mpampianatra Amerikana-Afrikana ao amin'ny Oniversiten'i Columbia amin'ny mpivaro-drongony kokainina sy nampivandravadra ahiahy fa mety hanakorontana ny fetin'ny krismasy ireo mpanohitra ny fahafatesan'i Eric Garner. 

Niala tsiny avy eo i Emerson noho io fanehoa-keviny tao amin'ny Fox io. Nilaza ihany koa izy fa ny fihantsiana ny fahatezeram-bahoaka dia “tahaka ny [fanemporana anaty rano fandroana], maminavina aho”.  Ny fanehoan-kevitra nataony dia nivoaka taorian'ny namoahana ny tatitra tamin'ny desambra momba ny CIA, izay nahitana fa mampiasa ny fampijaliana amin'ny alalan'ny [fanemporana anaty rano fandroana] ankoatra ny teknikam-pampijaliana hafa, rehefa “mandalina kokoa ny famotorana”. Na izany aza rehefa niteny tao amin'ny Radio 4 Atoa Emerson: “Tsy tiako ny olona hampiasa an'io mba hilazana fa tsy misy zavatra tahaka izany ao amin'ny Islam iringiriny.”

Nilaza ihany koa i Emerson fa te-hanome £500 hoan'ny Hopitalin'ny Ankizy ao Birmingham izy.

Ny Praiministra Britanika, David Cameron, dia niteny tamin'ny ITV fa “tena adala mivadik'ondana tanteraka i Emerson”. Nanasohado an'i Birmingham ho “tanàna mamiratra, manana ny lazany manerantany” izay mampivondrona “ny olona avy amin'ny finoana sy fitaizana samy hafa”.  3200 ny isan'ny olona nametraka ny soniany mitaky ny hifonan'i Emerson mivantana amin'ny fandaharana. Maryam Snape, izany nitarika ny fanangona-tsonia, no niteny tamin'ny BBC: “Ny zavamisy tsy azo ialana dia nahita iny tantara iny ny vahoaka Amerikanina ary dia mbola hiny fa izany no marina raha tsy izy no manarina azy.”

Ao amin'ny tranonkalany i Emerson no namelabelatra ny tenany “ho Tale Mpanatanteraky ny Tetikasam-Panadihadiana Momba ny Fampihorohoroana, iray amin'ny tahirin-kevitra [voangona sy notsikilovina] goavana indrindra manerantany momba ireo vondrona Islamika sy Mpampihorohoro ao Afovoany Atsinanana.”

Avy eo izy nanatsonga an'i Robert Blitzer, Lehiben'ny ady amin'ny fampihorohoroana teo aloha tao amin'ny FBI, izay nidera azy tamin'ny asany: “Nitari-dalana tamin'ny [fanadihadiana momba ny fampihorohoroana] tao anatin'ny taona maro dia maro i Steve… tena nilaina tanteraka ny raharaha nataony.”
-

Tao amin'izany antsafa tao amin'ny Fox izany ihany i Emerson no nilaza, “Aminn'y faritra sasany ao London, dia tena misy tokoa ny polisim-pivavahana Miozolomana izay midaroka sy mandratra ireo tsy manao fitafy mifanaraka amin'ny an-dry zareo Miozolomana, tsy mifanaraka amin'ny fivavahan-dry zareo.” Nilaza izy fa “tena” nijoro teo akaiky mihitsy tamin'ny fanehoan-kevitra momba ireo “andrimasom-pokonolona Miozolomana” tao an-drenivohitr'i Angletera.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.