Nisy hetsika nataon'olom-pirenena tao Venezoelà tamin'ny herinandro teo mampiseho ny fomba hamalian'ny media sosialy ny sivana. Ho setrin'ny lohateny lehibe navoakan'ilay gazety Venezoelana Últimas Noticas [2] (Ny Vaovao Farany Indrindra) tamin'ny 12 Janoary, dia naneso ilay gazety tamin'ny alalan'ny diezy #TitulaComoUltimasNoticas [3] (“Manaova Lohateny Tahaka an'i Úlitmas Noticias”), tamin'ny famoronana lohateny fanesoana ny mpisera Twitter tao an-toerana. Lasa lohahevitra nalaza tao anatin'ny ora vitsy monja ilay diezy.
Iray amin'ny gazety lehibe indrindra tao Venezoela ny Últimas Noticas izay anisan'ny media maro namidy [4] tamin'ny antoko tsy fantatra tamin'ny Oktobra 2013. Hatramin'izay fotoana izay, di ananamarika ny mpamaky fa nivadika mihitsy ny tondrozotra ara-panoratan'ilay gazety, indrindra rehefa tonga eo amin'ny sehatra fanehoan-kevitra momba ny governemanta izany. Ny zavanisy dia maro ireo mpanao gazety no niala [5] ho fanoherana, taorian'ny nanasivanan'ny gazety ny lahatsoratra miresaka ny fihetsiketsehan'ny mpianatra [6] tamin'ny fiandohan'ny taona 2014 sy ny tsy fisiana sy fikaran'ny vidin-sakafo [7].
Na eo aza izany, dia ilay lohatenin-gazety Últimas Noticas nivoaka tamin'ny 12 Janoary 12 manao hoe, “Fahombiazana ny Fitetezan-tany nataon'i Maduro” no nanetsika tampoka ny mpisera Twitter tamin'ny herinandro teo. Ny fitsidihan'ny Filoha Maduro ireo firenena maro mpikambana ao amin'ny OPEP [8] dia nadika ho fametrahana tsara ny vidin'ny solika, izay iankinan'ny toe-karenan'i Venezoelà tanteraka. Maro amin'ny olona, izay nahita ny vidin'ny solika tsy mitsaha-midina no mahita ny lohatenin-gazety Últimas Noticas ho sarotra inoana.
… y así es como se pierde credibilidad en un medio. ¿Como creerles otra noticia? #TitulaComoUltimasNoticias [3] pic.twitter.com/WVv80x81kt [9]
— PRETORIANO REGENTE. (@PRETORIANOREGEN) January 12, 2015 [10]
…ary tahaka izao ny fomba hanarian'ny fampitam-baovao ny fitokisana aminy. Ahoana moa no ahafahanao mino ny zavatra hafa rehetra lazain-dry zareo?
“@millantweet [11]: La Mentira Vs. La Verdad! La Ficción Vs. La Realidad! #TitulaComoUltimasNoticias [3] pic.twitter.com/n6V4VpMstA [12]“
— Freiner Meléndez (@Freiner96) January 12, 2015 [13]
Lainga vs. Marina! Foronina vs. Zavamisy!
Nisioka ny diezy #TitulaComoUltimasNoticas ny mpisera Twitter ary nanome ny vaovaom-panesoana nataon'izy ireo manokana. Raisina ho ohatra, ahoana moa ny itateran'ny gazety mitongilana ara-politika ny zavamisy fa mila milahatra lavabe ny Venezoelana maro hividianana sakafo?
#TitulaComoUltimasNoticias [3] El pueblo feliz “haciendo cola para cuidar los alimentos”. Pdval de Tía Juana, edo Zulia. pic.twitter.com/rCODuayTCB [14]
— Anthony P. Ovalles (@anthony301992) January 12, 2015 [15]
Olom-pirenena faly “milahatra mitady sakafo”. PDVAL [16] ao Tía Juana, firenena Zulia.
#TitulaComoUltimasNoticias [3] Venezuela presenta un Excedente de Anaqueles en Supermercados de Todo el País pic.twitter.com/sg1lEHXTzZ [17]
— Vinicio Parra (@IngVinicioParra) January 12, 2015 [18]
Talatalan'ny tsenambarotra lehibe ao Venezoelà mampiseho ny ambim-bava ao amin'ny firenena.
Ny hafa manao hatsika amin'ny filatsahan'ny solika tsy nodiovina sy ny fiantraikany amin'ny fiaraha-monina Venezoelana:
El petróleo cae a 37$ el barril y Venezuela se convierte en el país más feliz del mundo 🙂 #TitulaComoUltimasNoticias [3]
— Mr. Dundas (@ManuelAlejandC) January 12, 2015 [19]
Midina hatrany amin'ny $37 ny barikan'ny solika ary lasa firenena sambatra indrindra eto an-tany i Venezuelà.
Maro amin'ny sehatra fampitam-baovao ao Venezoela no namidy, nakatona, na tsy mahavita na inona na inona intsony hatramin'ny nitondran'ny filoha Hugo Chávez. Ary nitombo [20] nandritra ny fotoana nitondran'ny governemantan'i Nicolas Maduro ny sivana sy ny fanerena. Ny fanozongozonana misy ankehitriny ao amin'ny gazety Venezoelana, hoy ny mpamakafaka iray ao amin'ny Komity Miaro ny Mpanao Gazety, dia ao anatin'ny fanentanana naharitra ela hampalemena ny fampitam-baovao an'ny tsy miankina.