- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Esorin'i Filipina Mialohan'ny Fitsidihana “Famindram-po sy Fangorahana” Hataon'ny Papa Ireo Mpivarotra Madinika

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Sendikà
Street vendors are asking the Catholic Church to stop the government from evicting them in Luneta Park. [1]

Mpivarotra amoron-dàlana mangataka amin'ny Fiangonana Katôlika hanakana ny governemanta tsy hanaisotra azy ireo eo amin'ny Kianja Luneta. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Kathy Yamzon

Andro vitsy nialoha ny fahatongavan'ny [2] Papa Francis ao Filipina, esorina eo amin'ny Kianja Luneta ao Manilla ireo mpivarotra madinika. Voaomana hitarika fotoam-pivavahana eo amin'ny Luneta ny Papa, kianja voalohany ho an'ny fahalalahana ao amin'ny firenena.

Ho ao Filipina ny Filohan'ny Eglizy Katôlika Rômana manombka ny 15 hatramin'ny 19 Janoary. Andrasana ny fitsidihany hitondra olona an-tapitrisa ho ao Manilla, renivohitr'i Filipina, izay firenena ao Azia be mponina Katôlika indrindra.

Misy mpivarotra 350 eo ho eo ao Luneta, efa maherin'ny 10 taona ny maro tamin'ireo no efa tao amin'ilay kianja. Mivarotra resaka sakafo sy zava-pisotro ny ankamaroan'ireo mpivarotra amoron-dàlana ireo.

Tamin'ny herinandro lasa, nilazàna ireo mpivarotra mba handao [3] ny kianja ho fanomanana ny fitsidihan'ny Papa. Nambaran'ny [4] Kaomitim-Pirenena Ho Fampiroboroboana Ireo Vala fa teny midina avy amin'ny polisy sy ny lapan'ny filoha io, tafiditra ao anatin'ireo fifandaminana ho fiarovana ny fahatongavan'ny papa.

Notoherin'ireo mpivarotra ilay taratasy fandroahana ary nanizingizina izy ireo fa tsy loza mitatao ho an'ny papa ry zareo :

Tinay ny Papa. Tsy hanohintohina azy izahay. Tsy mpampihorohoro izahay.

Luneta vendors hold protest in front of the office of the National Parks Development Committee. Photo from Facebook page of Kathy Yamzon. [5]

Nanao hetsi-panoherana teo anoloan'ny biraon'ny Kaomitim-Pirenena Ho Fampiroboroboana ny Vala ireo mpivarotra tao Luneta. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook-n'i Kathy Yamzon.

Gerry Serue, mpitondra tenin'ny Kilusan Para Sa Disenteng Kabuhayan (Hetsika Hisian'ny Fivelomana Mendrika), nanakiana [6] ireo manampahefàna ho mampiasa ny anaran'ny papa handravàna ny fiveloman'ny mahantra :

Fantatra amin'ny fifangarongaroany amin'ny daholobe sy ny fanakianany momba ny olan'ny maha-olona sy ny zon'ireo sahirana ny Papa Francis, nefa ankehitriny dia ampiasain-dry zareo ny anarany mba hanesorana anay amin'ireo toerana fivelomanay.

Navoitrany ihany koa ny lohahevitry ny fitsidihan'ny papa, “Famindram-po sy Fangorahana”, mba hiarovana ny zon'ireo mpivarotra mba hijanona eo amin'ny kianja :

Fantatray fa tsy tian'ny papa ny hitrangàn'ny toy izao. Ny lohahevitry ny fitsidihany dia hoe Famindram-po sy Fangorahana, ka aiza ny famindram-po sy fangorahana amin'izao ataon'ny governemanta eto an-toerana izao?

Luneta vendors hold a placard which reads: "Vendors not a threat to the life of our dear pope." Photo from Facebook page of Tanggol Kabuhayan (Defend Jobs) [7]

Mpivarotra ao amin'ny Luneta nitazona sorabaventy iray mivaky hoe : “Tsy horohoro ho an'ny ain'ny papa malalantsika ny mpivarotra.” Sary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Tanggol Kabuhayan (Arovy ny Asa)

Nanontany tena ihany koa ny sasany tamin'ireo mpivarotra sao hisolo toerana azy ireo eo amin'ilay kianja ireo talantalam-pivarotana sakafo tsara voatra. Nomarihan-dry zareo fa iray amin'ireo mpanome tan-tsoroka [8] tamin'ny fanontàna ireo lambatsilena nasiana soratsoratra ho an'ny Eglizy Katôlika ny McDonald. Teddy Casino, mpikambana fahiny tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna, dia nanontany raha toa ny tranokely fivarotan-tsakafon'ny McDonald ka homena alàlana ho ao amin'ilay kianja :

Mandritra ny lamesan'ny #PopeFrancisPH ao Luneta, voarara ve ireo mpivarotra amoron-dàlana fa tsy toy izany kosa ny tranokely fivarotan'ny McDo ?

Manahy ireo mpivarotra fa ho very asa fivelomana ry zareo mandritry ny fitsidihan'ny papa. Marobe ihany koa no matahotra fa ho ampiharina mandritry ny fotoana maharitra ilay didy fanesorana azy ireo satria efa an-taona maro ireo manampahefana ao an-toerana no efa niezaka nanaisotra sy nandràra ireo mpivarotra tsy ho ao amin'ilay kianja.

Tsapan'ireo manampahefana ao amin'ny Eglizy Katôlika ny fitakian'ireo mpivarotra, saingy nilaza izy ireo fa tokony ho ny governemanta ao an-toerana no hamaha ny olana.