- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vonona Handray TEDx ao Damaskosy Ve i Syria Nefa ireo Mpihevitra ao Aminy na any Am-ponja na any an-tsesitany Na maty?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Syria, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Teknolojia
A Syrian from Ghouta sends a message against the celebration of TEDx in Damascus. Source: Kesh Malek's Facebook page [1]

Syriana iray avy ao Ghouta mandefa hafatra manohitra ny fanatontosana ny TEDx ao Damaskosy. Sary: pejy Facebookn'i Kesh Malek.

“Aza atao ao Damaskosy izany azafady”, izany no hafatra nozarain'ilay Syriana avy ao amin'ny faritra iharan'ny fahirano ao Ghouta mikasika ny fankalazana ny kaonferansa TEDx amin'ny 29 Janoary. Niteraka fanehoan-kevitra an-tserasera [2]marobe ny hetsika, misy ny manohana ary misy koa ny manohitra

Iray amin'ireo tanàndehibe marobe ao Syria i Ghouta izay niharan'ny fahirano, fidarohana baomba, fandravana ary ny hanoanana hatramin'ny nisian'ny fitroaram-bahoaka tamin'ny volana Martsa 2011. Mifanohitra amin'ny fikasana haneho an-tsary ny fiverenana amin'ny laoniny any amin'ireo faritra fehezin'ny fitondrana ny toe-javamisy tsy zakan'ny ankamaroan'ny mponina. Hoan'ireo mpikatroka maro, dia dingana mankany amin'ny famerenena amin'ny toeran'ny antokon'ny fitondrana amin'ny heriny teo aloha ny fankalazana ny TEDx. 

Anisan'ireo feo malaza indrindra  manohitra ny hetsika TEDx ny vondron'olom-pirenena Kesh Malek [3], izay nanasongadina ny feon'ireo manohitra izany fankalazana izany.

Nilaza kosa ny hafa fa fanararaotra hoan'ny Syriana ny hetsika mba hivoahana amin'ny zava-doza atrehin'ny firenena. Mpandrafitra an-tranonkala [web developer] , Milad Kawas Cale [4] sy Harout Ekmanian, mpikambana ao amin'ny TEDx Aleppo nanasongadina fa ilain'ny Syriana ny mahita vahaolana:

The sufferings of our people should always be taken into account, at least from a moral and humanitarian point of view.

 Having this said, life must not stop at here. The attempts to seek a window to look out of the mayhem that our people is living in should be only welcomed. In this spirit, we encourage the  TEDx YPU  and we wish them the best of luck. We believe there should be more  #TEDx  initiatives in other locations in  #Syria, as long as it doesn’t risk the lives of the organizers, speakers and attendees.

Tokony hojerena akaiky hatrany ny fijalian'ireo vahoakantsika, farafaharatsiny amin'ny endrika ara-maoraly sy maha-olombelona. Amin'ny filazana izany, dia tsy tokony hifarana hatreo ny fiainana. Tokony ankasitrahana ny fikasana hitady vahaolana hamahana ny korontana iainan'ny vahoakantsika. Amin'izany fisainana izany, mandrisika ny TEDx YPU izahay ary maniry ny tsara indrindra ho azy ireo. Mihevitra izahay fa tokony ho maro ny tetikasa TEDx ao amin'ny faritra hafa ao #Syria, rehefa tsy mampidi-doza ny fiainan'ireo mpikarakara, mpandray fitenenana sy mpanatrika izany.

Araka ny filazan'ireo mpikarakara [5], mpianatra avy ao amin'ny Oniversite tsy miankina Yarmouk, mpianatry ny oniversite miisa 25 ary mpandray fitenenana 10 manana ny maha-izy azy hiresaka ny lohahevitra “hevi-baovao” no hanatrika ny hetsika.

TEDxYPU is the first TEDx event in Syria, as we succeed to get the TEDx university type organizing license from TED international organization. All organizers and volunteers are university students. This TEDxYPU’s most important goals are to spread inspiring ideas, encourage dialogue, and form a TEDx community in Syria.

Hetsika TEDx voalohany ao Syria ny TEDxYPU, satria nahazo ny fahazoan-dalana hikarakara ny karazana hetsiky ny TEDx oniversite avy amin'ny fikambanana TED iraisampirenena izahay. Mpianatry ny oniversite avokoa ireo mpikarakara sy mpilatsaka an-tsitrapo. Ny tanjona lehibe indrindra amin'ity TEDxYPU ity dia ny hanaparitaka hevitra feno aingam-panahy (hevi-baovao), mandrisika firesahana, sy hanangana fiarahamonina TEDx ao Syria.

Na dia izany aza, araka ny nolazain'ilay mpikirakira habaka Anas Maarrawi [6], sarotra hoan'ny hevi-baovao no hisondrotra raha mbola any am-ponja ireo mpitondra hevi-baovao tahaka an'i Bassel Safadi, [7] ary raha novonoina sy nogadraina ary noterena handao ny firenena ny ankamaron'ireo Syriana malalaka fomba fiheverana .