Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

‘Raha Tsy Misy Hehy, Maty Daholo Isika Rehetra': Mpanao Sariitatra Manome Voninahitra Ireo Namany Lavo Taorian'ny Fanafihana ny Charlie Hebdo

republique

“Charlie izahay” natifitra teo amin'ny Place de la République tao Paris taorian'ny fanafihana nahazo ny Charlie Hebdo. Sary avy amin'i Claire Ulrich

Ny marainan'ny 7 Janoary tao amin'ny arabe iray tony dia tony tao , novonoin'olona roa tamin'ny basy ny olona 12 ary efatra no naratra mafy tamin'izany fanafihana natao tamin'ny gazety-boky frantsay Charlie Hebdo izany. Tao anatin'ny taona maromaro izay, dia nahazo fandrahonana maro avy amin'ny ekstremista manerana izao tontolo izao, noho ny fahasahiany, ary matetika mahatafintohina ny hatsikana nataony.

Nisy sora-baventy iray nandritra ireo fiareta-tory fandrehetana labozia izay nijoro tsy nilàna fanentanana manerana an'i Frantsa taorian'ity fanafihana efa voaomana ity izay “nahafaty olona 12 sy naharatra olona 66 tapitrisa”. Ao Frantsa, indrindra taorian'ny fandripahan'olona nampahonena iny, dia noheverina ho fototra tsy azo hozongozonina intsony, tahaka ny voninkazo lilia ao amin'ny kolontsaina frantsay sy ny andron'ny matso 14 jolay,  ireo mpanao sariitatra dimy ireo tao anatin'ny efapolo taona izay. Natao hoe dadatoa tsy maty ambavany Cabu, Wolinski, Charb, Honoré  ary ry Tignous izay mampitsiky sy manala azy ny zavatra rehetra hoan'ny rehetra. Tsy mahalala fetra ny tsy fanajan'izy ireo; mety hahazo hehy avy amin'ny tanora sy ry efa zokiolona ry zareo nefa mety ho manohina an-dry zareo ihany koa izany. Matetika ry zareo no lasa lavitra loatra, manongotra ny fonon'izay rehetra azo hananihaniana, izay mirona manokana any amin'ny fanesoesoana ara-pivavahana.

Talen'ny fanoratana Charb, izay Stéphane Charbonnier ny anarany manontolo, dia efa eo ambany fiarovan'ny polisy, ary maty nandritra ny fanafihana ny mpiambina azy. Eto ambany eto ny tsonga avy amin'i Charb tamin'ny 2012 izay toa manambara mialoha ny tranga mety hoavy :  

"I do not fear retribution. I have no children, no wife, no car, no credit. It might seem pompous, but I'd rather die standing up than live on my knees." Image widely circulated online.

“Tsy matahotra famaizana aho. Tsy manan-janaka aho, tsy manambady, tsy manam-piara, tsy manana karabola. Mety hoe fireharehana angamba fa aleoko maty mitsangana toy izay velona mandohalika.” Sary naely fatratra an-tserasera.

Ny bilaogera @Le_M_Poireau misaona ny fahaverezan'i Cabu: 

Mieritreritra ilay olona malefaka tahaka an'i Cabu ary mirotsa-dranomaso #CharlieHebdo

Ary ny kaontin'esoeso natao hihomehezana noheverina ho an'Andriamanitra mampahatsiahy amin'izao tontolo izao ny fahafatesan-dry zareo ao anatin'ny hatsikana :

Vao nandray mpanao sary mahafinaritra aty paradisa aho. manao ny sariko miboridana ry zareo ary dia nanala azy tokoa izahay. Miala tsiny raha tsy miaraka aminareo intsony izy ireo. 

Maro dia maro tokoa ny azo lazaina raha tsy efa niadian-kevitra fotoana maharitra dia maharitra ao amin'ny media sosialy izany. Koa ireto ny vitsivitsy amin'ireo sariitatra tsy manaja indrindra izay efa navoakan'ny Charlie Hebdo ary niely ihany koa an-tserasera ho fahatsiarovana ireo mpanao sariitatra novonoina. Tahaka an'i Chapatte, namana mpanao sariitatra Frantsay izay naoratra toy izao tamin'ny sariitatra fahatsiarovana : “Raha tsy misy hehy, Maty daholo isika rehetra“. 

Indreto ny sasantsasany amin'ny sariitatra navoakan'ilay gazety-boky izay mirona any amin'ny fivavahana :

-The pope is going too far!  -This is my body! Image from Charlie Hebdo's Facebook page.

Lasa lavitra loatra ny Papa!: “Ity ny tenako!”
sary avy amin'ny pejy Facebook Charlie Hebdo.

Prophet Muhammad is tired of extremists: ”It is a challenge to be loved by idiots.”

Ny Mpaminany Muhammad leo ireo ekstremista: ”Mafy izany tiavin'ny adala izany.”

There is no God.  -Yes!

-Tsy misy Andriamanitra.
-Eny (kosa)!
Sarin'i Cabu

100 lashes if you are not laughing!  Images from Charlie Hebdo's Facebook page.

karavasy 100 raha tsy tapa-tsinay ianao!
Sary avy amin'ny pejy Facebook an'i Charlie Hebdo.

Tamin'ny fonon-gazety farany indrindra nialoha ny fanafihana, Toy izao ny sary navoakan'ny Charlie Hebdo nosoratan'i Charb:

Still no attacks in France. Wait, we still have until the end of January to wish people an excellent new year.    Image from Alexandre Hervaud's Twitter page.

Mbola tsy misy asam-pampihorohoroana eto Frantsa. Andraso fa mbola manana hatramin'ny faran'ny volana janoary isika hirarian-tsoa ny olona amin'ny taombaovao.
Sary avy amin'ny pejy Twitter an'i Alexandre Hervaud.

Ary ireto ny sasantsasany amin'ny sary sy sariitatra izay manohina indrindra ato amin'ny tranonkala azy miely mba ho fahatsiarovana ireo novonoina. Ny sasany amin'ireo dia noforonina taorian'ny fanafihana, ary ny hafa kosa dia efa nivoaka ela fa navoaka indray noho ity voina vao haingana ity.

Mpanao sary 4 any an-danitra, tankina i Muhammad sy i Jesoa… 

“Tsy antokom-pivavahana ity” – Dorian Danielsen

Afa-mirehareha amin'ireo niara-niasa tamiko. Efi-panoratan'ny gazety CBC ao Montreal manohana ny  #CharlieHebdo

Mandria am-piadanana ary misaotra amin'ny fahatsiarovana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.