- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voavely Karavasy Noho Ny Fananany Hevitra Liberaly Ilay Bilaogera Saodiana Raif Badawi

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Arabia Saodita, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
Rome, Italy. 9th January 2015 -- Protestors with masks of Raif Badaw, protesting against the request of the death penalty and calling for the release of blogger. -- Sit-in in front of the Embassy of Saudi Arabia to protest against the flogging and ask for the immediate release of journalist and blogger Saudi Raif Badawi imprisoned on charges of apostasy. Photograph by Stefano Montesi. Copyright: Demotix [1]

Roma, Italia. 9 Janoary 2015 — Mpanao fihetsiketsehana miaraka amin'ny sarintavan'i Raif Badaw, manohitra ny fanasaziana ho faty ary mitaky ny famotsorana an'ilay bilaogera. — Sit-in teo anoloan'ny Masoivohon'i  Arabia Saodita ho fanoherana ny vely karavasy sy mitaky tsy misy hataka andro ny famotsorana an'ilay mpanoratra gazety sy bilaogera Saodiana Raif Badawi nogadraina noho ny “apostasie (fialàna amin'ny finoana)”. Sary avy amin'i Stefano Montesi. Zon'ny mpamorona: Demotix

Novelesina karavasy imasom-bahoaka tao Arabia Saodita ilay bilaogera Saodiana liberaly Raif Badawi tamin'ny 9 Janoary rehefa voampanga ho nanangana forum antserasera hoan'ny daholobe sy “nanevateva ny Islamo”.

Araka ny filazan'ny vavolombelona, voalaza fa voavely karavasy in-50 androany teo ivelan'ny moskea ao Jeddah, taorian'ny vavaka Zoma ity bilaogera 30 taona izay voasazy vely karavasy in-1 000 sy 10 taona an-tranomaizina tamin'ny taon-dasa ity. Mbola hovelesina karavasy izy isan-kerinandro mandra-pahafeno ny saziny.

Niteraka resabe manerantany ny didim-pitsarana, anisan'izany ny onitra 1 tapitrisa Rial Saodiana (eo amin'ny 260 000 dolara Amerikana eo).

Nanamafy ny vaovao ny kaonty Twitter-n'ilay mpisolovava Saodiana Waleed Abulkhair, manana  mpanjohy miisa 78.3K:

Tena marina fa voavely karavasy teo imasom-bahoaka tao Jeddah i Raif Badawi androany, taorian'ny vavaka Zoma. Niventso ny sasany tamin'ireo nanatrika: Allah Akbar (Lehibe Andriamanitra)

Tany am-ponja nandritra ny sivy volana hatramin'izao i Abulkhair, filohan'ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona ao Arabia Saodita ary ireo namany no mitantana ny kaontiny.

Tao amin'ny Facebook, nizara ny sarin'ny moskea Jeddah nanaovana ny vely karavasy i Kacem El Ghazzali:

The Jeddah mosque where Badawi was allegedly flogged today. Photograph shared by Kacem El Ghazzali on Facebook [3]

Moskea Jeddah izay fantatra fa nikapohana karavasy an'i Badawi androany. Sary nozarain'i Kacem El Ghazzali tao amin'ny Facebook

Niteraka fanehoan-kevitra feno hatezerana ny lahatsoratra. Hoy ny mpaneho hevitra iray nanoratra:

Hands down one of the stupidest countries on Earth. Just being there makes you feel like you've entered some sort of wasteland from The Dark Ages with Skyscrapers.

Aidino ny tanana ry iray amin'ireo firenena adala indrindra eto an-tany. Ny fahatongavanao ao dia mahatonga anao hahatsiaro fa tafiditra amin'ny tany midadasika avy amin'ny Vanim-potoanan'ny Aizina ahitana tranobe manaka-danitra ianao.

Hoy ny hafa nanampy:

A very sad and dark moment, I can not even fathom the unbearable pain he must withstand, helpless in the hands of these psychopaths.

Fotoana mampalahelo sy manjombona tokoa, tsy vitako ny maminavina ny fanaintainana tsy zaka tsy maintsy iaretany, tsy afaka manao na inona na inona eo am-pelatanan'ireo marary saina izy.

Tao amin'ny Twitter, niaka-peo nanohitra ny fanasaziana ireo mpanohana avy ao Arabia Saodita sy manerana ny tontolo Arabo. Nilaza i Dohan Alsalem fa tsy ho lefy mandrakizay ny anaran'i Badawi.

Mba fantatr'izy ireo ve fa tsy ho faty mandrakizay eo amin'ny tantara ny anaran'i Badawi noho izy ireo.

Hilda Ismail, avy ao Dammam, Arabia Saodita nisioka tamin'ireo mpanjohy azy miisa 22.6K:

Tsy olombelona ianareo tsy mahatsiaro ny hirifiry isaky ny vely karavasy voarain'i Raif Badawi amin'ny vatany.

Misentoa ry fireneko.

Tounsia Hourra [Free Tunisian] nanampy hoe:

Fampatsiahivina fotsiny: Ireo izay mitsikera ny ISIS, izay manapa-doha sy mamely karavasy olona, ary mandahatra ireo ankizy mba hojerena, dia anisan'ireo miala tsiny amin'ny famelezana karavasy an'ilay lehilahy ao Arabia Saodita. ISIS avokoa izy ireo.

Maro ireo manome tsiny ny firenena Tandrefana noho izy ireo manohy manohana an'i Arabia Saodita, na dia tompondaka amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona aza izy.

Marietje Schaake, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana niresaka tamin'ireo mpanjohy azy miisa 30.1K tao amin'ny Twitter:

namely karavasy an'ilay bilaogera #RaifBadawi [10] i Arabia Saodita androany noho ireo «Mpiara-miombon'antoka stratejika», sazy izay hitarika ratra goavana. Tsy mifaditrovana

Avy ao Angletera, nampahatsiahy ireo mpanjohy azy 1700 ao amin'ny Twitter i Daniel Wickham mikasika ny fividianan'i Arabia Saodita fitaovam-piadiana ao amin'ny fireneny : 

 Androany, firenena voalohany manerantany itobian'ireo fitaovam-piadiana vita Britanika i Arabia Saodita, namely karavasy lehilahy nananganana habaka liberaly.

Tale lefitra Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra ao amin'ny Amnesty International, Hassiba HadjSahraoui nanipika ny zava-misy-amin'ny “Fahazoana alalana maimaimpoana azon'ny Saodiana.”

Hadalana tanteraka. Tontosaina androany ao Arabia Saodita ny fikapohana karavasy an'i Raif Badawi. Velesina karavasy noho ny fanoratana lahatsoratra. Ary mahazo alalana hanao izany maimaim-poana araka ny mahazatra ny Saodiana