- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lalaom-Panokafana ny Lalao Aziatika 2015: Aostralia 4, Koety 1 Taorian'ny Fanombohana Ratsy Nataon'ny Mpampiatrano

Sokajy: Oseania, Aostralia, Koety, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
Rectangular stadium Melbourne [1]

Kianja efajoro Melbourne – Fahatsaram-pon'ny mpisera flickr Princess Purple (CC BY-NC-ND 2.0)

Resin'i Aostralia 4 noho 1 i Koety nandrina ny lalao fanokafana ny Amboara Aziatika 2015 tao amin'ny kianjabe efajoron'i Melbourne.

Raha vao nahatafiditra baolina voalohany i Koety dia efa nisy ireo mpanohana ny Socceroos sasantsasany efa vonona ny hitezitra ny mpanazatra Ange Postecoglou:

Roahy i Ange, Alefa Socceroos

Rehefa nanasahala ny isa ilay za-draharaha Tim Cahill, dia mba nisy tsiri-panantenana ihany hita tamin'ny diezy Twitter Aotraliana tamin'ny #AC2015:

MATY! nosahalain'i Tim Cahill! AOS 1 KOE 1 (33′) #AUSvKUW [4]

Tahaka ny firenena tia Football ihany i Aostralia. Mahafinaritra ny hita eto Melbourne amin'ny #AC2015 [5]. #AUSvKUW [4]

Nialoha ny atsasa-potoana voalohany, nisy ireo hatsikana nivoaka avy amin'ireo mpankafy lalao. Mpankafy tennis iray nisioka:

Maikamaika i Roger Federer nandresy an'i Duckworth, tsy maintsy hoe maika hijery ny fizaram-potoana faharoa ifanandrinan'ny Socceroos sy Koety

Nandritra ny fialan-tsasatra, nanapika sary sasantsasany amin'ny endriky ny fanatanjahantena izay tsy hita akory na dia eny amin'ny saha filalaovana aza, izay antsoina hoe fandraisana anjaran'ny vehivavy:

Ankasitrahanay ny asam-piaraha-mientana amin'ny vehivavy Iraniana mpankasitraka football mandritra ny @afcasiancup [12] #AC2015 [5]

Mandritra izany fotoana izany, taorian'ny fiakaran'ny hafanana avo dia avo [15][mg] dia niverina amin'ny toetr'andro manorana mahazatra azy i Melbourne :

Lasa maitso sy volombolamena ny lokon'ireo jiro taorian'ny fandresen'ny Socceroos 4-1 #AC2015 [5] #AUSvKUW [4]

Nitovy hevitra i Time Cahill sy ny Konfederasionan'ny Football Aziatika taorian'ny lalao:

Iza no lehilahy mendrika tamin'ny lalao? #AC2015 [5] #AUSvKUW [4] pic.twitter.com/uyqTSt6xHC [18]

Lehilahy Mendrika tamin'ny lalao

Namehy ny lalao ny kaonty Twitter amin'ny teny arabon'ny AFC :

Aostralia 4 : Koety 1 – Antotanisa “Farany” ny lalao