Resin'i Aostralia 4 noho 1 i Koety nandrina ny lalao fanokafana ny Amboara Aziatika 2015 tao amin'ny kianjabe efajoron'i Melbourne.
Raha vao nahatafiditra baolina voalohany i Koety dia efa nisy ireo mpanohana ny Socceroos sasantsasany efa vonona ny hitezitra ny mpanazatra Ange Postecoglou:
#SackAnge #GoSocceroos #AUSvKUW #AC2015
— RunnaLittle (@RunnaLittle) January 9, 2015
Roahy i Ange, Alefa Socceroos
Rehefa nanasahala ny isa ilay za-draharaha Tim Cahill, dia mba nisy tsiri-panantenana ihany hita tamin'ny diezy Twitter Aotraliana tamin'ny #AC2015:
GOAL! @Tim_Cahill levels it! AUS 1 KUW 1 (33′) #AUSvKUW
— Socceroos (@Socceroos) January 9, 2015
MATY! nosahalain'i Tim Cahill! AOS 1 KOE 1 (33′) #AUSvKUW
Looks like Australia is a football nation afterall. Beautiful scenes in Melbourne for the #AC2015. #AUSvKUW
— John Smith (@sydneyfcinsider) January 9, 2015
Tahaka ny firenena tia Football ihany i Aostralia. Mahafinaritra ny hita eto Melbourne amin'ny #AC2015. #AUSvKUW
Nialoha ny atsasa-potoana voalohany, nisy ireo hatsikana nivoaka avy amin'ireo mpankafy lalao. Mpankafy tennis iray nisioka:
Roger Federer was in a hurry beating Duckworth, must be keen to watch the 2nd half of Socceroos vs Kuwait #BrisbaneTennis #AUSvKUW #AC2015
— Wahyu (@thewahaman) January 9, 2015
Maikamaika i Roger Federer nandresy an'i Duckworth, tsy maintsy hoe maika hijery ny fizaram-potoana faharoa ifanandrinan'ny Socceroos sy Koety
Nandritra ny fialan-tsasatra, nanapika sary sasantsasany amin'ny endriky ny fanatanjahantena izay tsy hita akory na dia eny amin'ny saha filalaovana aza, izay antsoina hoe fandraisana anjaran'ny vehivavy:
We appreciate any act of solidarity with Iranian women football fans during @afcasiancup #AC2015 pic.twitter.com/ZODiXojxRF
— OpenStadiums (@openStadiums) January 9, 2015
Ankasitrahanay ny asam-piaraha-mientana amin'ny vehivavy Iraniana mpankasitraka football mandritra ny @afcasiancup #AC2015
Mandritra izany fotoana izany, taorian'ny fiakaran'ny hafanana avo dia avo [mg] dia niverina amin'ny toetr'andro manorana mahazatra azy i Melbourne :
Lights at @AAMIPark are green & gold after the 4-1 win #GoSocceroos #AC2015 #AUSvKUW
— Dave (@Davep1984) January 9, 2015
Lasa maitso sy volombolamena ny lokon'ireo jiro taorian'ny fandresen'ny Socceroos 4-1 #AC2015 #AUSvKUW
Nitovy hevitra i Time Cahill sy ny Konfederasionan'ny Football Aziatika taorian'ny lalao:
Who was your man of the match? #AC2015 #AUSvKUW pic.twitter.com/uyqTSt6xHC
— TNC Asia (@TNC__Asia) January 9, 2015
Iza no lehilahy mendrika tamin'ny lalao? #AC2015 #AUSvKUW pic.twitter.com/uyqTSt6xHC
MAN OF THE MATCH: @MassLuongo. #AUSvKUW #AC2015 pic.twitter.com/cetaD2ibYj
— AFC Asian Cup (@afcasiancup) January 9, 2015
Lehilahy Mendrika tamin'ny lalao
Namehy ny lalao ny kaonty Twitter amin'ny teny arabon'ny AFC :
أستراليا 4 : 1 الكويت ” إنتهت ” ـ إحصائيات المباراة: #AUSvKUW #AC2015 pic.twitter.com/zwuMn9yxRC
— ASIAN CUP 2015 (@ASIANCUP_LIVE) January 9, 2015
Aostralia 4 : Koety 1 – Antotanisa “Farany” ny lalao