- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Avotsotry Ny Filoha Venezoelana Ny Mpitarika Ny Mpanohitra Raha Afahan'i Etazonia i Oscar López Rivera

Sokajy: Amerika Avaratra, Amerika Latina, Karaiba, Etazonia, Pôrtô Rikô (Etazonia), Venezoela, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Tsara, Zon'olombelona
Oscar Lopez Rivera Collage [1]

Tambatamba-tsarim-piainan'i Oscar López Rivera. Nalaina avy amin'ny pejy fanentanana Facebook “Avotsory Izao i Oscar López”.

Nanambara ampahibemaso ny Filoha Venezoelàna Nicolás Maduro fa hoheveriny ny famotsorana ny lehiben'ny fanoherana ara-politika Leopoldo López raha afahan'i Etazonia ilay PoertoRikana gadra politika Oscar López Rivera [2], araka ny tatitra navoakan'ny sampan-draharaham-baovao maro.

Nivoaka ny fanambarany raha nanontaniana ny momba ny resadresaka fohy tsy ofisialy nifanaovany tamin'ny Filoha Lefitr'i Etazonia Joe Biden nandritra ny fitsidihana nataon'izy ireo tany Brasilia tamin'ny faran'ny herinandro teo tamin'ny fametrahana indray an'i Dilma Rouseff ho filohan'i Brezily izy, hoy ny tatitry ny gazety amin'ny teny espaniola El Mundo [3]. Ny vadin'i Leopoldo López, Lilian Tintori, anefa dia nitsipaka tao amin'ny Twitter ny fanambaran'i Maduro [4].

Tonga taorian'ny tsaho amin'ny fa efa mananontanona ny fanafahana an'i Oscar López Rivera ny fanamarihan'i Maduro. Tamin'ny 24 Desambra, ny sampam-baovao Venezoelàna TeleSUR no nanambara fa efa mandeha any ambadika any ankehitriny ny famotsorana an'i López Rivera [5], izay nidiran'ny governemanta Orogoayana ihany koa. Tsy nisy anefa, na izany aza, ny fanarahan-dian'ny sampam-baovao hafa amin'ny fanambarana izany vaovao izany hatramin'ny fotoana nanoratana. Tsara ihany koa ny manamarika fa tsy vao sambany ny Filoha Maduro no niady mafy ho amin'ny famotsorana an'i Oscar López Rivera.

Mandritra izany fotoana izany ireo mpikatroka miasa ho amin'ny famotsorana an'i López Rivera no nitrena hanomboka ny taona vaovao indray amin'ny alalan'ny safoakan'hetsika amin'ny media sosialy [t]amin'ny 6 Janoary, tsingerintaona faha-72 nahaterahan'i López Rivera, izay ahitana ny La Respuesta [6] sy ny Tambajotra Mpandala ny Zon'Olombelona Boricua [7] miantso ny mpisera hamoaka hafatra ao amin'ny Facebook, Twitter, Instagram, Tumblr, ary ny tambajotran-tserasera hafa mandrisika ny governemantan'i Etazonia hanafaka an'i López Rivera. Ny tanjona dia ny hampielezana hafatra 100.000 miresaka López Rivera ao anatin'ny indray andro.

López Rivera, 72 taona, dia migadra 33 taona ao Etazonia, izay izakàny ny sazy 70 taona noho ny “fikonokononana hioko” sy “fikonokononana handositra” [8]. Mpiady ho amin'ny fahaleovantenan'i Poerto Rico, zanatanin'i Etazonia, izy. Politisiana, artista, ary olona maro samy manana ny fotokeviny no niray feo hangaaka amin'ny filohan'i Etazonia Barack Obama hamela ny helok'i López Rivera, izay efa antsoina ho gadra politika voatazona ela indrindra ao amin'ny Ilabolantany Andrefana.

Amin'izao fahavitan'ny fifidianana fisasahan'ny fe-potoa-piasan'ny Kongresy izao, sy ny fe-potoana farany fiasan'i Obama eo amin'ny toerany ary ny fanambarana faraparany teo amin'ny famerenana indray ny fifandraisana ara-diplaomatika ao amin'i Etazonia sy i Kiobà taorian'ny 50 taona mahery nifampihafahafàn'ny roa tonta, dia mety hoavy haingana ny famotsorana an'i Oscar López Rivera.

Raha hijery ny fitantaran'ny Global Voices momba an'i Oscar López Rivera, dia hamarino ireto rohy manaraka ireto :