- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikorisa Ambony Ranomandry: Very Nandritry Ny Alina 2 Tany Anaty Ranomandry Saingy Ny Volony No Tsy Nitsahatra Noresahan'ny Olona

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fanatanjahantena, Foko sy Fiaviana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Vaovao Tsara
niigata hair main

Dikasary avy amin'ny ANN News Japan

Rehefa nandalo alina roa namanàla sy tsy nisy fialofana tany ivelan'ny trano, Japoney iray mpikorisa ambony ranomandry miaraka amin'ny namany roa no novonjena tamin'ny angidimby avy any an-tendrombohitra iray rakotra ranomandry. Tsy vitan'ny hoe niala tsiny tao amin'ny fahitalavi-panjakana fotsiny ity lehilahy avy ao Tokyo ity noho ny fahaverezany, fa koa niharan'ny sahoan-dresaka tao amin'ny aterineto mikasika ny mety ho fitondràny solovolo.

Very ireto olona telo ireto taorian'ny nikorisàn-dry zareo ivelan'ny faritra, [1] nandritry ny tafiotran-dranomandry iray :

Voalaza fa very ireo telo mpikorisa ambony ranomandry avy ao Tokyo—Koju Neriko, 45 taona, ny vadiny Manami, 44, ary ny naman'izy ireo, Aki Yamamoto, 40—taorian'ny tsy nahatongavany tao amin'ny tobiny ny tolakandron'ny Zoma. Ny alina talohan'ny Taombaovao ry zareo no tonga tao amin'ilay toeram-pialamboly fanaovana ‘ski’. Nambaran'ny polisy sy ireo mpanao asa famonjena fa hita tany aminà tendrombohitra iray efa ho roa kilometatra miala ny làlana fanaovana ski izy telo ireo, hoy ny tatitry ny NHK. Angidimby iray no naka azy ireo taoriana kelin'ny tamin'ny 9 maraina.  Ankoatry ny mangana sy fahavoazan'ny tendron'ny rantsana nateraky ny hatsiaka, tsy naratra akory izy telo.

Taorian'ny fanavotana azy ireo dia namaly ny fanontanian'ny mpanao gazetymikasika izay nanjo azy izy telo ary avy eo dia niala tsiny noho ny tebiteby sy ny vokatra naterak'izany ho an'ny firenena, tamin'ny nilazàny fa tsy tohan'izy ireo ny fanintonan'ny fikorisàna eny ambonin'ireo vovoka fotsy vao nilatsaka ivelan'ilay faritra. Ireny toetrandro ireny anefa avy eo no nitondra ity andiany ity ho anaty lozoka tsizarizary nandritry ny alina roa..

Manjavona ary avy eo voavonjy nandritry ny fialantsasatry ny Taombaovao, vaovao taraiky efa mahazatra, ireo tambajotran'ny fahitalavitra Japoney no nandefa ho an'ny firenena manontolo ny tafa ho an'ny mpanao gazety sy fialantsiny nataon'ireo mpikorisa ambony ranomandry.

Fanontaniana iray ambonin'ny hafa rehetra no toa manintona ny sain'ireo mpampiasa ny 2chan, seha-piresahana goavana indrindra anaty aterineto ao Japana (ary mazàna manta vàva) : ny tena volon'i  Neriko ve izao?

[2]

Dikasarin'ny fàfana hita ao amin'ny 2chan

Hoy ny iray mpaneho hevitra ao amin'ny 2chan  (ny fitanisàna rehetra nalaina tamin'ity lahatsoratra ity dia fandaminana ny fifanakalozan-dresaky ny 2chan [3]):

おまえの髪型が恐ろしいわ

Ry akama,  misavovona mikorontana be ny volonao!

Lazain'ny sasany amin'ireo mpaneho hevitra ho toy ny an'ny “silamo” na “mitovy amin'ny taliban” ny bikam-bolon'ilay mpikorisa ambony ranomandry navotana ity. Mihanihany aza ny mpaneho hevitra hafa nanontany raha toa i Neriko ka mety ho mpikambana ao amin'ny ISIS.

Ny hafa nanontany raha mitondra solovolo i Neriko. Ny marina dia naka finiavana ny sasany tamin'ireo mpampiasa sahisahy ao amin'ny 2chan hikaroka ny bilaogin'izay mpanety nanome endrika ny volon'ilay ranamana io ao Tokyo [4], izay, ankoatry ny fanomeznaa torohevitra mahasoa amin'ny fomba fampitomboana ny volo ho lavabe, dia nandefa saripika iray ahitàna an'i Neriko mandamina tsara ny volony izay toa tena volo lava azy marina tokoa :

Tamin'ny nahitàna ity “porofon'ny” maha-tena izy ilay volo lavany ity, nihanalefaka ireo fanehoan-kevitra tety anaty aterineto :

外見はともかく、律儀だと思うよ

Na eo aza ny endrika ivelany, toa mba olona mendrika ihany lery.

Toy ny nitondra ho amin'ny fihalefahan'ny toepon'ny olona ihany koa ny endrika feno fanenenana sy alahelo nasehon'ireto olona telo ireto taorian'ny namonjena azy ireo:

この人救助されて運ばれた直後に、救助してくれた人に深々と頭下げてたよね
中身はものすごくちゃんとしてる人だと思うわ

Vantany vao voavonjy izy ireo dia niala tsiny tamin'ny tsirairay ary niondrika im-betsaka. Toa olona mahay miaina ihany ry zareo.

Nilaza ny iray hafa mpampiasa 2chan hoe:

こいついいやつだな、先生に怒られて我に返った中学生みたい

Toa toy ny bandy mahafinaritra mihitsy lery… tena mampahatsiahy ahy tanteraka ilay mpiray kilasy tamiko fahiny tany amin'ny kolejy, tezitra taminy foana ny mpampianatra.

Ho an'ny iray hafa mpaneho hevitra, nampitamberina fahatsiarovana ny nahitàny ilay bikam-bolo :

90年代中ごろのスノボブームんとき、こんなんばっかりだったろ。
そこから時間が止まってるんだよたぶん。

Tany amin'ny taona 90's tany, nandritry ny firoboroboana tampoky ny fikorisàna ambony ranomandry, ny bikam-bolo hitanao tamin'izany fotoana izany dia tahaka io. Toy ny hoe niato izany ny famantaranandro.