Vondrona Maro ao Singapaoro Tsy Manaiky Intsony ny Famonoana ho Faty Olona Mitondra Rongony 15 grama

Screenshot from the campaign video of The Online Citizen.

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'ny fanentanana The Online Citizen.

Tamin'ny taona 2011, nampiato ny tsy maintsy hanononana didy famonoana ireo mpanao trafikana heroinina i Singapaoro, saingy namerina indray ny famonoana tamin'ny herintaona. Nandrisika an'i Singapaoro ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba handinika indray ny fanapaha-keviny sy hiombon-kevitra amin'ny ankamaroan'izao tontolo izao amin'ny fanafoanana ny sazy fara-tampony indrindra .

Noraisin'ny Second Chances ny fanadihadiana iray tamin'ny 2009 mampitaha ny tahan'ny vono olona ao Singapaoro sy Hong Kong izay ahafahana mihevitra fa “tsy mahomby intsony noho ireo karazana sazy hafa ny sazy famonoana ho faty”. Mampahatsiahy ihany koa ny fanadihadiana fa “misy fahombiazana kokoa ireo lafin-javatra ara-toekarena sy sosialy mbamin'ny fanahiana ho mety ho tratra eo amin'ny fanaovana heloka bevava noho ny hamafin'ny sazy”. Ifandiran'ilay vondrona amin'ny manampahefana ny lazain'ny manampahefana fa mahomby hanakanana ny heloka bevava ny sazy famonoana ho faty, sy ny fanasongadinana fa mahatonga ny heloka na dia madinidinika ho antom-pahavelomana na antom-pahafatesana, dia mandrisika ny jiolahy ho lasa mahery setra kokoa.

Salanisan'ny sazy ho faty ao Singapaoro: 1981 – 1989 = 2 1990 – 1999 = 32.2 2000 – 2009 = 13.1 2010 – 2013 = 1

[sioka telo aloha] Ohatra, raha mamaky banky ianao ary mitifi-danitra, dia tsy maintsy mahazo sazy ho faty

Nilaza i Priscilla Chia, talen'ny Second Chances fa misy ny fanasaziana hafa azo ampiasaina hamaizana ireo meloka :

While law is an expression of societal values, state-sanction murder is not the only way to express moral outrage at the conduct of murderers and drug traffickers. It can be expressed equally through alternative sentences such as life imprisonment.

Raha fanehoana ny lanjan'ny fiarahamonina ny lalàna, dia tsy fomba tokana hanehoana fanafintohinana ara-maoraly manoloana ny fitondrantenan'ireo mpamono olona sy mpanao trafikan-drongony ny sazim-pamonoana ho faty ataon'ny fanjakana. Azo aseho amin'ny alalan'ireo sazy hafa tahaka ny fanagadrana mandra-pahafaty izany.

Namariparitra ny fijeriny mikasika ity lohahevitra ity ny Vondron'Asa Singapore misahana ny Didim-pamonoana ho faty, firaisankina iray manohitra ny lalànan'ny sazy famonoana ho faty:

Singapore should not resort to the death penalty without concrete proof of its necessity, especially if alternative forms of punishment can have the same effect. The inevitability of human error within the system also makes the chances of wrongful executions far too high a cost for us to use capital punishment as an instrument of justice.

Tsy tokony hampiasa ny fanasaziana ho faty tsy misy porofo mivaingana amin'ny tsy maintsy hanaovana izany i Singapaoro, indrindra raha mety hitovy ihany ny fiantraikan'ireo fanasaziana hafa. Ny tsy fahafahana misoroka ny tsy maintsy isian'ny fahadisoana maha-olombelona ao anatin'ny rafitra ihany koa dia mety mahatonga ny fiakaran'ny herijika mampihatra am-pahadisoana ny didy famonoana tafahoatra ho sandan'ny fampiharana ny fanasaziana ho faty ho fitaovam-pitsarana.

Hoan'ny governemanta kosa, nilaza izy fa natao hanakiviana ny fanaovana heloka bevava ny fanasaziana ho faty.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.