Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

08 Janoary 2015

Tantara tamin'ny 08 Janoary 2015

Vondrona Maro ao Singapaoro Tsy Manaiky Intsony ny Famonoana ho Faty Olona Mitondra Rongony 15 grama

Hoan'ny governemanta dia natao hanakiviana ny fanaovana heloka bevava ny fanasaziana ho faty. Asongadin'ny vondrona fa tsy mampihena ny isan'ny fanitsakitsahana ny lalàna ny sazy faratampony indrindra fa mandrisika ireo jiolahy hahery setra kokoa.

Mpikorisa Ambony Ranomandry: Very Nandritry Ny Alina 2 Tany Anaty Ranomandry Saingy Ny Volony No Tsy Nitsahatra Noresahan'ny Olona

Japoney telo mpikorisa ambony ranomandry no navotana avy tany an-tendrombohitra rakotry ny ranomandry tany. Tsy hoe fotsiny nanao fialantsiny noho ny fahaverezany ny iray tamin'ilay andiany, fa koa niharan'ny sahoan-dresaka tao amin'ny aterineto mikasika ny volony.

Mamorona Jingles Fanao Amin'ny Radio ny Tanora Breziliana Hampiroboroboana Ny Fampandrosoana Lovain-jafy ao Amazonia

Rising Voices

Mandray andraikitra amin'ny alalan'ny tetikasa radio ny tanora ao amin'ny fiarahamonin'i Amazonia Breziliana, Cabelo Seco tohanan'ny Rising Voices, mba hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra amin'ny alalan'ny fitaovana nentim-paharazana, nomerika sy zava-baovao.