- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanombohan'ny Tetikasa Tontolon'ny Fahaiza-miteny Tsimane’

Sokajy: Mediam-bahoaka, vatsiana, Rising Voices

Fanavaozam-baovao avy amin'ny nahazo ny vatsin'i Rising Voices

Participants and facilitators of the project Tsimane' Linguistic Universe. Photo by Eddie Avila and used with permission.

Mpandray anjara sy mpanamora ny tetikasa Tontolon'ny Fahaiza-miteny Tsimane’. Saripikan'i Eddie Avila ary nahazoana alalana.

Notontosaina tao San Borja, Bolivia tamin'ny 5-6 desambra ny atrikasa voalohany momba ny tetikasan'ny fahaiza-miteny Tsimane’ niarahana tamin'ny fandraisana anjara sy fandrindrana nataon'ny Rising Voices sy ny Ivontoerana Boliviana misahana ny Fikarohana sy ny Fampandrosoana Manontolo sy Sosialy [1] (CBDISI raha amin'ny fanombohan'anarany amin'ny teny espaniola).

Ny tanjon'ny atrikasa dia ny hanomboka ny tetikasa amin'ny alalan'ny fampiasana solosaina sy ny media sosialy, izay ho ampiasaina betsaka tokoa mandritra ny fampivelarana ny tetikasa. Ny fahaizana norantovina dia hampiasaina amin'ny fifandraisana sy hanampiana ny fizarana torohay voaangona mifandraika kolontsaina sy ny fiteny Tsimane’ [2].

Mandritra ny andro voalohany amin'ny atrikasa no ahitana ireto lahavolana ireto:

Andro faharoa:

Na dia somary mivelatra kokoa noho izao aza ny tolo-kevitra voalohany nataon'i Sandy Ritchie tamin'ireo lohahevitra, dia notapahina fa hafoheizna izany noho ny filàn'ny mpandray anjara sy ny fahateren'ny fotoana.

Hoamin'ny fampivelarana ny tetikasa, dia nandray anjara tamin'ny atrikasa i Eddie Avila, Talen'ny Rising Voices sy Atoa Tomas Huanca avy amin'ny CBIDSI. Atoa Avila no mpanamora ny atrikasa momba ny media sosialy ary Atoa Huanca no mpandrindra sy mpanamora ny atrikasa.

Notontosaina tao amin'ny biraon'ny CBIDSI ny atrikasa ary nandray anjara tamin'izany ireto mpikamban'ny vondrona Tsimane’ manaraka ireto :

Ny tetikasa fampidirana hoamin'ny media sosialy dia natao tamin'ny alalan'ny fampifandraisana azy ireo amin'ny hafa, amin'ny namany, sy amin'ny fianakaviany aloha voalohany, amin'ny alalan'ny aterineto. Amin'izao fotoana izao moa ny olona mampiasa ireo fitaovana ireo hizaràna sy hiadian-kevitra momba ny resaka sosialy, ary hifampizaràna tahirin-kevitra voasoratra, sary sy lahatsary mba hanomezana vaovao ny hafa. Ankoatra izany, nifampizaràna ihany koa ny media sosialy tahaka ny:

Social media workshop. Photo by Eddie Avila and used with permission.

Atrikasa media sosialy. Saripikan'i Eddie Avila ary nahazoana alalana.

Nandritra ny atrikasa, niteraka fahalianana hianatra ny media sosialy noresahina ka natao teo ambany fitantanan'ny mpandrindra, natsangana ny vondrona madinika entina manao fampiharana, indrindra fa amin'ny fampiasana feo sy lahatsary. Ny santatr'asan'ny tetikasa dia efa vonona ao amin'ny pejy Facebook [3] sy ao amin'ny YouTube [4] nosokafan'ny tetikasa.

Na dia eo aza ny fientanentanana avy amin'ny mpandray anjara sy ny fisian'ny solosaina, fakan-tsary isan-karazany, dia tsy maintsy miaiky izahay fa mbola voafetra ara-teknolojika ihany, indrindra teo amin'ny fisosan'ny aterineto. Tsy mety ny niasan'ny solosaina efatra indray miaraka, ary tsy nanana ny halaky ahafahana miserasera sy mifandray izahay.

Tamin'ny ankapobeny dia nahaliana ny atrikasa ary feno fanantenana ny mpanatrika raha nandao ny toerana. Misy ireo andraikitra horaisin'ireo mpandray anjara hamokatra tahirin-kevitra isam-bolana ahafahana mampiasa izay nianarana nandritra ny atrikasa.