Fanombohan'ny Tetikasa Tontolon'ny Fahaiza-miteny Tsimane’

Fanavaozam-baovao avy amin'ny nahazo ny vatsin'i Rising Voices

Participants and facilitators of the project Tsimane' Linguistic Universe. Photo by Eddie Avila and used with permission.

Mpandray anjara sy mpanamora ny tetikasa Tontolon'ny Fahaiza-miteny Tsimane’. Saripikan'i Eddie Avila ary nahazoana alalana.

Notontosaina tao San Borja, Bolivia tamin'ny 5-6 desambra ny atrikasa voalohany momba ny tetikasan'ny fahaiza-miteny Tsimane’ niarahana tamin'ny fandraisana anjara sy fandrindrana nataon'ny Rising Voices sy ny Ivontoerana Boliviana misahana ny Fikarohana sy ny Fampandrosoana Manontolo sy Sosialy (CBDISI raha amin'ny fanombohan'anarany amin'ny teny espaniola).

Ny tanjon'ny atrikasa dia ny hanomboka ny tetikasa amin'ny alalan'ny fampiasana solosaina sy ny media sosialy, izay ho ampiasaina betsaka tokoa mandritra ny fampivelarana ny tetikasa. Ny fahaizana norantovina dia hampiasaina amin'ny fifandraisana sy hanampiana ny fizarana torohay voaangona mifandraika kolontsaina sy ny fiteny Tsimane’.

Mandritra ny andro voalohany amin'ny atrikasa no ahitana ireto lahavolana ireto:

  • Fanolorana ny tetikasa
  • Adihevitra momba ny mahazavadehibe ny fameloma-maso indray ny fiteny Tsimane’ sy ny sehatra malalaka azo avy amin'ny fampiasana ny aterineto
  • Fanolorana ireo tetikasa amerikana latina hafa mampiasa ny aterineto ho fameloma-maso indray ny fiteny vazimba teratany.
  • Fanamby sy tetipanorona amin'ny fampiasana ny teny Tsimane’ amin'ny siniben-tserasera
  • Teny fampidirana anaty tetikasa ny fomba fampiasana ny aterineto
  • Fananganana irey vondron'asa amin'ny sehatra maro samihafa: Twitter, Facebook, blaogy, feo, sy lahatsary

Andro faharoa:

  • Famerenana kelin'ny leson'ny andro voalohany
  • Fiaraha-manangana blaogy
  • Fampiharana: famoronana votoaty
  • Andraikitra hoamin'ny hoavy

Na dia somary mivelatra kokoa noho izao aza ny tolo-kevitra voalohany nataon'i Sandy Ritchie tamin'ireo lohahevitra, dia notapahina fa hafoheizna izany noho ny filàn'ny mpandray anjara sy ny fahateren'ny fotoana.

Hoamin'ny fampivelarana ny tetikasa, dia nandray anjara tamin'ny atrikasa i Eddie Avila, Talen'ny Rising Voices sy Atoa Tomas Huanca avy amin'ny CBIDSI. Atoa Avila no mpanamora ny atrikasa momba ny media sosialy ary Atoa Huanca no mpandrindra sy mpanamora ny atrikasa.

Notontosaina tao amin'ny biraon'ny CBIDSI ny atrikasa ary nandray anjara tamin'izany ireto mpikamban'ny vondrona Tsimane’ manaraka ireto :

  • Mpikambana roa avy ao amin'ny Vaomiera lehibe Tsimane’
  • Mpikambana roa avy ao amin'ny Vaomieran'ny Fanabeazana Tsimane’
  • Mpikambana telo avy amin'ny Tetikasan'ny Tontolon'ny Fahaizamiteny Tsimane’
  • Mpampianatra telo mahay fiteny roa samihafa

Ny tetikasa fampidirana hoamin'ny media sosialy dia natao tamin'ny alalan'ny fampifandraisana azy ireo amin'ny hafa, amin'ny namany, sy amin'ny fianakaviany aloha voalohany, amin'ny alalan'ny aterineto. Amin'izao fotoana izao moa ny olona mampiasa ireo fitaovana ireo hizaràna sy hiadian-kevitra momba ny resaka sosialy, ary hifampizaràna tahirin-kevitra voasoratra, sary sy lahatsary mba hanomezana vaovao ny hafa. Ankoatra izany, nifampizaràna ihany koa ny media sosialy tahaka ny:

  • Facebook izay ahafahan'ny tsirairay mifampizara malalaka amin'ny namana sy ny vondrona hafa, ary lala-masaka io raha hiditra lalina amin'ny tambajotra sosialy vaovao.
  • YouTube, izay ahafahan'ny mpisera mamoaka lahatsary fohy.
Social media workshop. Photo by Eddie Avila and used with permission.

Atrikasa media sosialy. Saripikan'i Eddie Avila ary nahazoana alalana.

Nandritra ny atrikasa, niteraka fahalianana hianatra ny media sosialy noresahina ka natao teo ambany fitantanan'ny mpandrindra, natsangana ny vondrona madinika entina manao fampiharana, indrindra fa amin'ny fampiasana feo sy lahatsary. Ny santatr'asan'ny tetikasa dia efa vonona ao amin'ny pejy Facebook sy ao amin'ny YouTube nosokafan'ny tetikasa.

Na dia eo aza ny fientanentanana avy amin'ny mpandray anjara sy ny fisian'ny solosaina, fakan-tsary isan-karazany, dia tsy maintsy miaiky izahay fa mbola voafetra ara-teknolojika ihany, indrindra teo amin'ny fisosan'ny aterineto. Tsy mety ny niasan'ny solosaina efatra indray miaraka, ary tsy nanana ny halaky ahafahana miserasera sy mifandray izahay.

Tamin'ny ankapobeny dia nahaliana ny atrikasa ary feno fanantenana ny mpanatrika raha nandao ny toerana. Misy ireo andraikitra horaisin'ireo mpandray anjara hamokatra tahirin-kevitra isam-bolana ahafahana mampiasa izay nianarana nandritra ny atrikasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.