Tantara tamin'ny 04 Janoary 2015
Higadona Ny Amboara Aziatika 2015 Ao Aostralia
Miakatra ny hafanana any Aostralia herinandro mialoha ny handraisana ny Amboara Aziatika 2015 manomboka amin'ny 9 Janoary.
Fanombohan'ny Tetikasa Tontolon'ny Fahaiza-miteny Tsimane’
Notontosaina tamin'ny fiatombohan'ny desambra 2014 ny hetsika voalohany amin'ny Tontolon'ny Fahaiza-miteny Tsimane' ka nampidirana ny herin'ny media sosialy hameloma-maso indray ny fiteny vazimba teratany Boliviana.
Ao Jamaika: Afaka Manao Izay Hanaitaitra Ve No Sady Hitàna Biraom-panjakàna Ny Vehivavy?
Niatrika fanakianana noho ny sariny niakanjo T-shirt sy fitafy fitondra milomano nalefany tao amin'ny Istagram i Lisa Hanna, minisitry ny tanora sy ny kolontsaina ao Jamaika.
Tsy Tian'ny Manampahefana Shinoa Ny Fanahin'ny Krismasy Farany Teo
Hoan'ireo Shinoa tanora maro dia fotoana fialam-boly mahafinaritra tsy misy ifandraisany loatra amin'ny fivavahana ny krismasy, saingy ny manampahefana kosa mijery ilay fety tandrefana ho fandrahonana.