Poerto Rikana no Nanoratra ny “Hiram-Bahoaka ara-Politikan'ny Taona 2014″

Cover of the band's new album "Small Town Heroes."

Fonon'ny rakikira vaovaon'ny tarika “Small Town Heroes.” [Maherifon'ny Tanàna kely]

“The Body Electric” nosoratan'ilay Poerto Rikana mpihira sady mpamorona tononkira Alynda Lee Segarra avy ao amin'ny Hurray for the Riff Raff no nambaran'ny National Public Radio (NPR) ao Etazonia ho Hiram-bahoaka ara-politika 2014. Hira faneva mahafinaritra manohitra ny herisetra sy ny fangejana atao amin'ny vehivavy, hafa volonkoditra ary olona hafahafa ilay izy.

Niresaka tamin'ny NPR amin'ny dikan'ny “The Body Electric” i Segarra :

I am mostly familiar with how the song has taught me there is a true connection between gendered violence and racist violence. There is a weaponization of the body happening right now in America. Our bodies are being turned against us. Black and brown bodies are being portrayed as inherently dangerous. A Black person's size and stature are being used as reason for murder against them. This is ultimately a deranged fear of the power and capabilities of black people. It is the same evil idea that leads us to blame women for attacks by their abusers. Normalizing rape, domestic abuse and even murder of women of all races is an effort to take the humanity out of our female bodies. To objectify and to ridicule the female body is ultimately a symptom of fear of the power women hold.

Efa zatra tamin'ny fampianaran'ny hira aho fa misy tokoa ny fifandraisana eo amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny herisetram-panavakavahambolonkoditra. Misy ny fampanaovana ny vatana ho fitaovam-piadiana amin'izao fotoana izao eto Amerika. Lasa atao miady amintsika ny vatantsika. Lasa soritsoritana ho mampidi-doza ny vatana mainty sy manja. Lasa anto-pamonoana azy ireo ny halava sy ny haben'ny mainty hoditra. Tahotra ondrakondrafan'ny [manana] fahefana ihany sy ny fahafaha-mahavitan'ny olona mainty. Fa dia ilay hevi-dratsy mitarika mankany amin'ny fibedesana ny vehivavy noho ny namelezan'ireo mpanao ankeriny azy ihany. Ny fanaovana ny fanolanana ho zava-mahazatra, ny herisetra an-tokantrano ary na dia ny famonoana ny vehivavy avy amin'ny foko rehetra dia samy ezaka hanesorana ny mahaolombelona ho tafala ivelan'ny vatam-behivavy. Ny fanaovana ny vatam-behivavy ho toy ny zavatra sy hoharatsiana no faka lalin'ny tahotry ny hery tazonin'ny vehivavy indrindra.  

Ny herisetra atao amin'ny vehivavy manerana izao tontolo izao, ny fanolanana, ny famonoana ireo nanova ny taovam-pananahiny, ary ny famonoana nahazo ny lehilahy mainty tao ho ao tany Etazonia no tena nanosika ny tsirin-kevitry ny hira hivoaka. Nampian'i Segarra : “Manantena aho fa hampody hery sy mahaolombelona ireo rehetra lasibatry ny herisetra sy ny fangejana ity hira ity, na efa nisy tany amin'ny hira sy tantarantsika ela izany na eo am-panaovana fihetsiketsehana amin'izao fotoana itenenantsika izao.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.