- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fefy Vy Iadiana Amin'ny Tsy Manan-kialofana Ao an-Tanànan'i Angoulême

Sokajy: Eoropa Andrefana, Frantsa, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona
Angoulême city hall. Photo by JLPC. CC BY-SA 3.0 [1]

Lapan'ny tanàna ao Angoulême. Sary: JLPC tao amin'ny Wikipedia Commons. CC BY-SA 3.0

 

Nahita ireo mponin'i Angoulême [2] ao amin'ny faritra atsimo-andrefan'i Frantsa ny andro alohan'ny krismasy fa nohodidinina fefy vy [2]ny sezam-bahoaka ao afovoan-tanàna mba tsy ahafahan'ireo olona tsy manan-kialofana hipetrapetraka hisotro toaka eo (araka ny voalazan'ny fitsipiky ny lapan'ny tanàna)

Tezitra noho izany fepetra izany ireo Frantsay mpisera aterineto :

WTF RT @sudouest [3]: #Angoulême [4]: fefy vy iadiana amin'ireo tsy manan-kialofana tsy hipetraka eo amin'ny dabiliom-bahoaka http://t.co/GjhpSmlJbv [5] pic.twitter.com/Uk3rwo50vz [6]

Nandray ny andraikiny manontolo tamin'ny fanapahan-kevitra ny lapan'ny tanàna, ary nilaza fa “noraisina tao anatin'ny fankatoavan'ireo magazay ao afovoan-tanàna izany fanapahan-kevitra izany”.

Niha-nitombo ny fahatezerana ary vao mainka nihamafy raha niparitaka ny vaovao fa nampitomboin'ny ben'ny tanàna ny karamany:

Nandray fepetra manohitra ireo tsy manan-kialoffana ny ben'ny tanànan'i Angoulême kanefa mampakatra… 62% hoan'ny tenany! Ary misy ireo mandrotsa-bato hoan'olona tahaka izany? 

Nanoro-hevitra kosa ireo mpiserasera vitsivitsy fa tokony tsy handray anjara amin'ny fetiben'ny sariitatra fanao isan-taona ao Angoulême ireo mpanao sariitatra ho mariky ny fanoherana :

Hanao ankivy ny tanàna izay mamefy ireo sezam-bahoaka tsy hidiran'ny olona tsy manan-kialofana ve ireo mpanao sariitatra?

Nitatitra momba ny volavolan'ankivy ataon’ [12]ireo vondrona mpanao sariitatra ny habaka France-Info. Tsy mankasitraka ny tsy fandraisana anjara i Denis Robert, mpanoratra, mpanao sariitatra sady mpitsara amin'ny fetibe. Ka nandefa hafatra tao amin'ny pejy Facebook-ny [13] izy mba handrisika ireo mpanao sariitatra namany hanoratra mivantana any amin'ny ben'ny tanàna:

Je ne suis pas un dingue des pétitions, mais avec quelques amis nous avons écrit ce court texte et l’avons expédié à la mairie d’Angoulême à cette adresse : communication@mairie-angouleme.fr
A recopier, à diffuser largement et à expédier à fond les manettes…

Mr le Maire,
Au début, nous avons cru à un gag mais il a bien fallu nous rendre à cette évidence. Vous avez réellement fait grillager les bancs publics d'Angoulême pour éviter que les sdf et autres punks à chien ne s'y posent. Il est très délicat pour nous, dessinateurs, journalistes, éditeurs, amateurs de bandes dessinées ou simples passants d'accepter cette manifestation d'intolérance, de laideur et d'indignité sans broncher. Nous vous demandons donc de retirer ces grilles et de rendre aux bancs publics d'Angoulême leur fonctionnalité. Nous aimerions y poser nos fesses lors du prochain festival. Cela vous éviterait des embarras et des manifestations supplémentaires de notre désarroi.

Tsy adalam-panangonan-tsonia (fitakiana) aho, saingy miaraka amin'ireo namana vitsy, nanapa-kevitra hanoratra ity lahatsoratra fohy ity izahay ary nandefa izany any amin'ny ben'ny tanànan'i Angoulême ao amin'ny: communication@mairie-angouleme.fr
Toy izao no voasoratra ao anatin'izany, haparitaka araka izay tratra raha sitrakao

Andriamatoa ben'ny tanàna,
Tany am-boalohany, nihevitra azy io ho vazivazy izahay saingy hitanay miharihary ny zavamisy. Namefy vy manodidina ireo sezam-bahoaka ao Angoulême tokoa ianao mba hanakanana ireo olona tsy manan-kialofana sy mpirenireny tsy hipetraka eo. Sarotra tanteraka ho anay, mpanao sary, mpanoratra gazety, mpamoaka lahatsoratra, mpankafy ny tantara an-tsary na ireo mpandalo tsotra ny hanaiky ity fanapahan-kevitra maneho tsy fahazakàna, feno faharatsiana sy mahamenatra ity. Mangataka aminao izahay mba hanaisotra ireo fefy ary hamerina indray ireo sezam-bahoaka ao Angoulême amin'ny ampiasana azy. Te-hipetrapetraka eo izahay mandritra ny fetiben'ny tantara an-tsary hoavy. Amin'izay ianao tsy ho voahelingelina sy tsy ho tratran'ny fihetsiketsehana avy amin'ny fikorontanan'ny sainay.

Nanoro-hevitra amim-panesoesoana ny kaonty Twitter AgenceFrancePresque :

#Angoulême [4]: Afaka mampiasa ireo sezam-bahoaka ihany ireo olona tsy manan-kialofana saingy tsy mahazo manipy voanjo ho azy ireo ny mpitsidika

Namariparitra ny tenany ho “mpikatroka manohitra ny fahantrana, fanavakavaham-bolonkoditra sy ny mpanao politika mpandainga” ilay mpisera Twitter @Nitro_Politic, nahatsikaritra izy fa nankasitraka ilay fepetra ireo marika ara-barotra:

Nahitana marika ara-barotra ireo fefy nanoherana ireo olona tsy manan-kialofana. Jereo eto izany: http://t.co/wFoGpKm842 [16] pic.twitter.com/vUUCaHfJMz [17]

Tanora vitsivitsy nampiseho firaisankina tamin'ireo olona tsy manan-kialofana:

Tanora roa nipetraka tao anatin'ireo fefy iadiana amin'ny olona tsy manan-kialofana ao Angoulême (lahatsary) http://t.co/w7pNOkwjqA [19] via @charentelibre [20] pic.twitter.com/LecIR6b1Fq [21]

Noho ny fiparitahan'ny tsy fankasitrahana, nanapa-kevitra hanaisotra (maharitra na tsia) ireo fefy ny ben'ny tanàna ny alin'ny 25 Desambra?

Menatra, nanaisotra ireo fefy ny ben'ny tanàna halina http://t.co/Y4WDOFziEu [24] pic.twitter.com/uOd0RXUA50 [25]

Tsy maningana ny tranga ao Angouême, fa nisy ihany koa ireo tanàna lehibe Frantsay hafa nanaraka izany, tahaka ity fepetra teo anoloan'ny banky ao Frantsa ity :

Fefy vy iadiana amin'ireo olona tsy manan-kialofana ao #Angouleme: [10] tsy tsara kokoa noho izany ny ao Paris. Tokony handray fepetra ireo mpanao lalàna: http://t.co/NM3309fOOZ [28] pic.twitter.com/utxRex810l [29] 

Any ivelany, nisy ireo fepetra sasany noraisina, taka ity tao Canada ity:

Ao canada, misy ireo sezam-bahoaka… hoan'ireo olona tsy manan-kialofana http://t.co/o7HPxjZHGz [32] via @KonbiniFR [33]@fsoulabaille [34]pic.twitter.com/6rizmAKVsm [35]#Angoulême [4]