
Sary avy amin'ny zanabolana mampiseho ny zotra nalehan'ny sidina Air Asia QZ8501. Wiki image.
Manohintohina ny asa famonjena any Indonezia ny haratsian'ny teotrandro taorian'ny nahitàna ny toerana nianjeran'ilay sidin'ny Air Asia QZ8501. Fiaramanidina an-dàlana ny ho any Singapore ary avy ao Surabaya, renivohitry ny faritra Java Atsinanana izy ity fony tsy nanana fifandraisana intsony tamin'ireo mpandrindra ny sidina, tamin'ny 28 Desambra. Nitondra mpandeha 162 sy ireo mpanamory azy.
Heverin'ireo manampahaizana momba ny fifamoivoizana an'habakabaka fa mety vitan'ireo mpanamory ny niala orambaratra matevina ary nametraka ny fiaramanidina teny ambony rano. Kanefa azo eritreretina koa ny hoe nandritra ilay fipetrahana teny ambony rano dia mety nisy onja mahery nandona ilay fiaramanidina nitsingevana teo ka nandetika azy. Andrasana hanomboka ato ho ato ny fanadihadiana lalina momba izay mety ho tena niteraka ny loza.

Efa hita sahady ny sasany tamin'ny potik'ilay sidina QZ8501. Sary Flickr avy amin'i Vernon Chan (CC License)
Manaraka akaiky ny fikarohana sy ny asa fanavotana, na ny filoha Indoneziana Joko Widodo , na ny filoha lefitra Jusuf Kalla. Firenena maro, ahitàna an'i Malezia, Singapore, Frantsa, Aostralia, ary Etazonia no nifanome tànana hanamafy ireo ezaka fanavotana.
Aty akaikin'ny faran'ny andro faharoa nanaovana fikarohana, marobe ireo razana sy potik'ilay fiaramanidina no hita nitsingevana teny an-dranomasina tany akaikin'ny Kalimantan Afovoany. Nalefa any Surabaya hanaovana fitsirihana ny sasany tamin'ireo razana.
Ao amin'ny Facebook, nanoratra ny filoha indoneziana Joko Widodo :
Saya mendengarkan penjelasan dari saudara Tony Fernandez, pemilik maskapai penerbangan Air Asia, ditengah rasa duka mendalam ketika ditemukan serpihan-serpihan pesawat di sekitar perairan Pangkalan Bun, Kalimantan Tengah.
Ditengah perasaan duka saya memberikan aspirasi tinggi pada kerja tim yang tergabung dalam pencarian pesawat Air Asia QZ 8501, menemukan dengan cepat serpihan pesawat sehingga memberikan kepastian atas apa yang terjadi pada pesawat itu.
Kepada keluarga korban saya menyampaikan bela sungkawa yang sebesar-besarnya atas musibah yang menimpa. Mari kita berdoa agar keluarga korban diberikan kekuatan dan ketabahan dalam menghadapi cobaan hidup ini.
Mihaino ny fanazavàn'i Toni Fernandez, Tale jeneralin'ny Air Asia aho, ao anatin'ny alahelo lalina noho ny fahitàna ireo potik'ilay fiaramanidina tany an-dranomasin'i Pangkalan Bun, Kalimantan Afovoany. Amin'alahelo fatratra, antenaiko fa hahomby ny ezaky ny tarika iraisana amin'ny fikarohana sy ny asa fanavotana, amin'ny fanangonana bebe kokoa ampahany betsaka amin'ireo potik'ilay fiaramanidina mba hamantarana ny anton'ny loza. Ho an'ireo fianakavian'ny niharan-doza, manolotra azy ireo ny fiaraha-miory aho. Ndeha isika hivavaka fa (ilay Ray Tsy Toha hanome) hery ny tsirairay amin'ireo mpianakavy mandritra ity fotoanan'ny fitsapàna ity.
Presiden Jokowi berada dilokasi ditemukannya serpihan pesawat Air Asia QZ8501 dari pesawat C-130 milik TNI AU pic.twitter.com/8QuIc9RKJk
— Iriana Joko Widodo (@IrianaJokowi) December 30, 2014
Tao anatin'ny fiaramanidina mandray anjara amin'ny fikarohana sy ny asa famonjena ny Filoha Jokowi tamin'ny fotoana nahitàna ireo vakiny voalohany tamin'ilay fiaramanidina.
Air Asia mandritra izany nanamafy fa avy amin'ny sidina QZ8501 ireo potipotika fiaramanidina sy razana hita :
Amin'alahelo no ampahafantaran'ny AirAsia Indonesia fa androany dia nohamafisin'ny Masoivohom-pirenena misahana ny Fikarohana sy ny asa Fanavotana eto Indonezia (BASARNAS) fa tena avy amin'ny QZ8501 tokoa ireo potika hita androany vao maraina, ilay sidina izay tsy nanam-pifandraisana intsony tamin'ireo mpandrindra ny sidina an'habakabaka ny marainan'ny faha-28.
Hafatra fiaraha-miory nalefa tao amin'ny Twitter.
Deepest condolences for #QZ8501 pic.twitter.com/NCkXwEAmsN
— Shafiq✌Pontoh (@ShafiqPontoh) December 30, 2014
Miara-ory tanteraka amin'ny QZ8501
Duka di ujung Tahun 2014, bagi keluarga korban pesawat AirAsia QZ8501 slalu diberikan keikhlasan dan ketabahan. Berharap masih ada keajaiban — Phia Yow Phia (@tentangphia) December 31, 2014
Zava-mampalahelo ho an'ny faran'ny 2014, ho an'ireo fianakavian'izay niharan-doza tamin'ny Air Asia QZ8501, hahazo fankaherezana sy tanjaka anie ianareo. Ndeha isika hanantena zava-mahagaga.
Holding hands and wearing their life jackets. Can't begin to imagine the fear of everyone onboard, so so sad #AirAsia8501 #AirAsia — Tashaa (@TashaaLK1994) December 31, 2014
Mifampitàntana sy mitafy ny akanjo aro aina. Tsy ho takatry ny saina ny tahotry ny tsirairay tao anatiny, ratsy tena ratsy #AirAsia8501 #AirAsia
35 of 162 victims of #AirAsia Flight #QZ8501 came from Indonesian town of Malang http://t.co/9RWaIJ3Nsl by @CharlieCamp6ell & me for @TIME
— Yenni Kwok (@yennikwok) December 31, 2014
avy ao amin'ny tanàna Indoneziana Malang ny 35 amin'ireo 162 niharan-doza tamin'ny sidina #AirAsia #QZ8501
Ny tenifototra #togetherwestand no nampiasaina tao amin'ny Twitter mba hanehoana firaisankina amin'ny namana sy havan'ireo tao anatin'ny QZ8501.