- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina, Chile ary Bolivia Vonona ho amin'ny #Dakar2015

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Bolivia, Shily, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka
Imagen de Laura Schneider Dakar 2012

 Dakar 2012 tao Arzantina. Saripikan'i Laura Schneider

Hanomboka amin'ny 4 janoary ho avy izao ary hitety firenena Amerikana telo dia i Arzantina, Chile ary i Bolivia mandritra ny 13 andro ny hazakazaka fiara [sy môtô]  mandeha maotera mafy indrindra eto an-tany antsoina hoe Dakar [1].

Hiainga avy eo Buenos Aires amin'ny fahaefatry ny volana ny andiany 2015 ary hanavatsava tanàna tahaka an'i Villa Carlos Paz [2]San Juan [3]Chilecito [4] ary hitodi-doha any amin'ny tangoron-tendrombohitra Andeana hanatratra an'i Copiapó [5] any Chile,  Antofagasta [6] ary Iquique [7]. Aorian'izany dia hisaraka mankany Uyuni [8], any Bolivia ny lalana. Ny fahasamihafana amin'ny andiany 2014 dia tsy tafiditra ao anatin'ny lalana i Però. 

Hatramin'ny 2009, nivelatra nankany Amerika Latinina ny fifaninanana taorian'ny famonoana ireo olom-pirenena frantsay roa sy miaramila maoritaniana tamin'ny 2008. 

Niresaka momba ny fitondrana amin'ny sambo ireo ireo fiara hanaovana ny Dakar 2015 ny blaogin’ Daniel Hernandez [9] ao amin'ny Diario Vasco [10]:

Por fin un poco de relajación.Estos días previos han sido una locura con los últimos preparativos antes del embarque del coche en Le Havre. Un total de 645 vehiculos han superado con éxito las verificaciones técnicas de rigor incluidos todos nuestros vehículos, ahora sí que podemos decir que vamos rumbo a la aventura.

Nisy fialàna hamohamo kely ihany tamin'ny farany. Enjikenjika be manadala tokoa teo ho eo tamin'ny fikarakarana farany nialoha ny nanondranana ny fiara tao Le Havre. Miisa 645 ny isan'ny fiara voasava hatramin'ny antsipirihany ka ao anatin'izany ny fiaranay, ankehitriny afaka miteny izahay fa hanomboka ny “aventure”.

Azonao arahina ny vaovao rehetra momba ny #Dakar2015 [11]  amin'ny alalan'ny fanarahana ny tahalan-tranonkalan'ny [12] mpikarakara.