Hanomboka amin'ny 4 janoary ho avy izao ary hitety firenena Amerikana telo dia i Arzantina, Chile ary i Bolivia mandritra ny 13 andro ny hazakazaka fiara [sy môtô] mandeha maotera mafy indrindra eto an-tany antsoina hoe Dakar.
Hiainga avy eo Buenos Aires amin'ny fahaefatry ny volana ny andiany 2015 ary hanavatsava tanàna tahaka an'i Villa Carlos Paz, San Juan, Chilecito ary hitodi-doha any amin'ny tangoron-tendrombohitra Andeana hanatratra an'i Copiapó any Chile, Antofagasta ary Iquique. Aorian'izany dia hisaraka mankany Uyuni, any Bolivia ny lalana. Ny fahasamihafana amin'ny andiany 2014 dia tsy tafiditra ao anatin'ny lalana i Però.
Hatramin'ny 2009, nivelatra nankany Amerika Latinina ny fifaninanana taorian'ny famonoana ireo olom-pirenena frantsay roa sy miaramila maoritaniana tamin'ny 2008.
Niresaka momba ny fitondrana amin'ny sambo ireo ireo fiara hanaovana ny Dakar 2015 ny blaogin’ Daniel Hernandez ao amin'ny Diario Vasco :
Por fin un poco de relajación.Estos días previos han sido una locura con los últimos preparativos antes del embarque del coche en Le Havre. Un total de 645 vehiculos han superado con éxito las verificaciones técnicas de rigor incluidos todos nuestros vehículos, ahora sí que podemos decir que vamos rumbo a la aventura.
Azonao arahina ny vaovao rehetra momba ny #Dakar2015 amin'ny alalan'ny fanarahana ny tahalan-tranonkalan'ny mpikarakara.