- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Makedoniana ‘Mamihina’ Toeram-Piantsenana Ao Skopje Hiarovana Azy Amin'ny Fironana ho Amin'ny “Baroque”

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Makedonia, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Saripika, Vaovao Mafana
People holding hands, forming a human chain to "warm up" the GTC - public trade center in Skopje, Macedonia. Photo by Vanco Dzambaski, CC BY-NC-SA [1]

Olona mifandray tànana, manao tohivakan'olombelona mba “hanafàna” ilay toeram-pivarotana ho an'ny daholobe ao Skopje, Makedonia. Sary nalain'i Vanco Dzambaski, CC BY-NC-SA

Ny alin'ny 29 Desambra 2014 teo, nisedra ranomandry sy lagilasy ireo olompirenena Makedoniana  mba hanoherana ny drafitry ny governemanta hanolo ilay Toeram-piantsenana maoderina ao an-tanàna [2], naorina tamin'ny 1973 ary fantatry ny Makedoniana amin'ny fanafohezanteny hoe GTC, aminà iray hafa manana endrika “baroque” [3]. Ireo mpikatroka mafàna fo sy mpanakanto ary mpahay maritrano no nitarika ny hetsika “Tiako ny GTC” [4] (FB [5]TW [6]#ГоСакамГТЦ [7]), izay fanindroany izao no nikarakara “fifamihinana” ho an'ny daholobe tao amin'ilay toerana.

Ampahany amin'ireo andiany nanomboka tamin'ny 2013 ity hetsi-panoherana ity, izay niezahana nanakànana io tetikasa [8]Skopje 2014 manana endrika mandady amin'ny tany io [9], drafitra iray mahabe resaka sy mandany vola, hanomezana endrika indray ireo tranobe ao an-tanàna mba hanana endrika “neoclassique” na “baroque”. Misokatra ny GTC, toerana ho an'ny “daholobe”, ny fanjakàna no tompony (97% amin'ny renivola [10]).

Nandrakitra ny zava-nitranga i [11] Vancho Dzhambaski, mpikatroka amin'ny alàlan'ny fakàna sary, ary nanoratra hoe :

И покрај со снег затрупаните улици и непријатното време, граѓаните на Скопје повторно се собраа во голем број, овој пат да го стоплат саканиот ГТЦ.

Повеќе од 2000 луѓе на уште еден начин се обидоа да пратат порака на арогантната власт дека не можеш да залепиш [12] шпански скали [13] и барокни кулиси каде што ќе ти текне. Едноставно, не е секоја идеа за плагијат добиена на прошетките во странство туку така применлива. Дури ни во град кој веќе изгледа како Дизниленд.

Na teo aza ny ranomandry nandrakotra ny arabe sy ny toetrandro tsy nahafaly loatra, nifamory marobe indray ireo olompirenena tao Skopje, tamin'ity indray mitoraka ity mba hanafàna ilay GTC mamin-dry zareo.

Olona maherin'ny 2.000 no nanandrana nandefa hafatra iray hafa ho an'ireo manampahefana be hambom-po izay tsy azonao ametahana ny dindo Espaniôla [12] na ny endrika baroque eny amin'izay rehetra mahamety anao. Tsotra fotsiny, tsy izay rehetra hevitra fakàna tàhaka azo tamin'ny dia natao tany ivelany akory dia ho azo ampiharina eto. Na dia ao anaty tanàna iray efa miendrika toy ny Disneyland aza.

Novinavinain'ilay vavahadin-tserasera tsy miankina “A1on” ho maherin'ny arivo ny isa, ary navoakany [14] ny lahatsarin'ilay hetsi-panoherana feno asa famoronana, lahatsary iray nozaraina betsaka tokoa.