
Mpianatry ny kolejim-pitsaboana nasiolany ao Birgunj (Nepal) nandray anjara tamin'ny fiareta-tory fandrehetana labozia ho fanehoam-piraisankina amin'ny sakorokoroka fanoherana ny kapo-dahy [fanolanan'olona maro] any Birgunj, Nepalsy New Delhi, India. Sarin'i Manish Paudel. Fizakamanana Demotix (24/12/2012)
Puja Bohara, mpianatra iray eo amin'ny famaranana ny taom-pianarany, niteny fa nomena zava-mahadomelina izy ary naolan'i Sagar Bhatta, tompon'ny fivarotam-boky iray, sy i Amar Awasthi, mpakasary iray, tamin'ny Marsa 2012 raha nitsidika ny fivarotan'i Bhatta ratovovavy hividy taratasy [gazety] vitsivitsy. Nodidiana higadra 13 an-tranomaizina ireo lehilahy roa ireo ary mandoa onitra Rs 50 000 (tokotokony ho 500 dolara amerikana) tsirairay avy tao amin'ny Lapan'ny fitsarana ao amin'ny distrikan'i Baitadi noho ny heloka bevava vitan'izy ireo. Saingy ny taona manaraka tamin'ny 28 Avrily 2014, nampitsimbadika ny didy navoaka ny Fitsarana Ambony tao Mahendranagar ka nanafaka azy ireo madiodio.
Tamin'ny 16 Desambra 2014, namoaka taratasy misokatra nampihetsi-po avy amin'i Puja hoan'ny Minisitry ny Lalànan'i Nepal, Narahari Acharya, ny gazety iray mivoaka isan'andro amin'ny teny Nepaley Kantipur, mangataka ny tokony hanasaziana ireo lehilahy nanolana azy:
अन्त्यमा माननीय मन्त्रीज्यू, मेरो किटानी जाहेरीले पक्राउ परी दोषी सावित भई १३ वर्षका लागि जेल चलान भएका ती बलात्कारीहरू छुट्नु भनेको के उनीहरू निर्दोष अनि मचाहिँ दोषी हुँ त ? यदि म दोषी हुँ भने मलाई तुरुन्तै कारबाही गरियोस्, हैन भने ती बलात्कारीहरूलाई पुनः पक्राउ गरी सजाय सुनाइयोस् ।
पूजा बोहरा
Mialoha ny hamaranako ity taratasy ity, tiako ny manontany ny minisitry ny lalàna momba ireo efa nodidiana hisazy 13 taona any an-tranomaizina nefa dia noafahana indray hiverina ao amin'ny fiarahamonina. Tsy meloka ve izy ireo izay namotika ny fiainako? Manangana fanontaniana ara-pitondratena hoan'ny fiarahamonina izy ity noho ny heloka bevava, ary tsy matoky tsara ny fiarahamonina hoe iza no tsy manantsiny ary iza no meloka. Raha toa resy lahatra ianao fa nanao ny tsy mety aho ary ampy ny porofo dia afa-misamboatra ahy araka ny lalàna ianao. Raha tsy izany kosa dia tokony hiatrika ny vokatry ny lalàna ireo mpanolana ireo ary samborina indray — omeo rariny aho.
Veloma,
Puja Bohara
i Puja izay 17 taona dia avy amin'ny distrikan'i Baitadi, faritra andrefana indrindra ao Nepal mifanila amin'i Jhulaghat, India. Ny rain'i Puja, izay tantsaha, dia tsy manana toeram-pambolena ampy ho azy, ka niasa tamin'ny sahan'ny mpanakohariana iray izy hihazonana ny fianakaviany. Niady mafy i Puja mba ho tafiditra an-tsekoly, mandeha an-tongotra mihoatra ny adiny iray sy sasany handehanana any an-dakilany, ary iray amin'ny mpianatra mamiratra indrindra ao an-tsekoly, mihazona hatrany ny laharana voalohany isan-taona.
Lasa firesaka ao an-tanàna ny taratasy misokatra nalefan'i Puja tamin'ity herinandro ity rehefa latsa-panontaniana tamin'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana ambony ny olona ary nanome ny feony ho fanohanana an-drazazavavy.
Tao amin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny fahitalavitra miteny Nepaley Himalaya tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nanontany i Puja, “Ireo nanolana ahy, heverina ho tsy manantsiny ve izy ireo taorian'ny didim-pitsarana?”
Nandrisika ny minisitry ny lalàna ihany koa i Puja mba hanangana lalàna henjana kokoa hoan'ireo nomelohina ho mpanolana, ka tafiditra amin'izany ny famonoana ho faty. Ao amin'ny lalàna nepaley amin'izo fotoana izao dia tsy misy ny didy fanamelohana ho faty.
Tamin'ny 17 Desambra 2014, naneho ny heviny momba ity raharaha ity ny Minisitry ny Lalàna Narahari Acharya, nanome antoka ny hisian'ny rariny hoan'i Puja. Naneho hevitra ny politisiana malaza sady praiminisitra teo aloha ny Dr. Baburam Bhattarai, “Nampitomany ahy ny taratasin'i Puja.”
Menuka Thapa, filohan'i Raksha Nepal, ONG iray nanome fialofana an'i Puja, dia nidradradradra ihany koa hanome rariny hoan'i Puja.
Nampiasa ny Twitter ny olona hilaza ny fanohanany ihany koa:
Pooja Bohara's powerful letter reveals about our justice system, social security and governance. Let's raise voice! http://t.co/m9Qohp2lU9
— Guna Raj Luitel (@gunaraj) December 17, 2014
Mampiseho ny rafi-pitsarantsika, ny filaminana ara-tsosialy sy ny fomba fitantanam-pitondrana ny taratasy maherin'i Pooja Bohara
A touchy letter indeed: http://t.co/diJuhjhegl. #Rape sud have no place in 21st century. But sadly it continues in #Nepal. @ekantipur_com
— Ganga Thapa (@GulmiGanga) December 16, 2014
Taratasy iray mampihetsi-po indrindra: tsy tokony hanana toerana ato amin'ny taonjato faha-21 ny fanolanana. Saingy mbola mitohy izany ato Nepal.
किन मौन छौँ सरकार ? छिटो न्याय चाहियो #JusticeForPuja pic.twitter.com/MPFIRM1I5M
— डेरावाल उपभोक्तामञ्च (@rnet_room) December 16, 2014
Fa mainona no mangina ny governemantantsika? Ilaina haingana ny rariny #JusticeForPuja
@tfscn Justice Campaign for Puja Bohara in IAAS, Paklihawa campus pic.twitter.com/bhLJ2J370k
— Hardik IAAS (@iaasagri42) December 18, 2014
Fanentanana ara-pitsarana hoan'i Puja Bohara ao IAAS, tokotanin'ny oniversiten'i Paklihawa
I don't have sisters yet I believe that it would pain me a lot as if as ur brothers now puja. #justimagine #justiceforpuja
— CCर 1Mb!!! (@beingccr) December 16, 2014
Tsy manana anabavy aho fa mino fa hankarary ahy tokoa izy ity tahaka ny hoe anadahinao aho ry puja.
#JusticeForPuja #CandleLightMarch #Chipledhunga #Pokhara Unity for Female Rights !!! #StopFemaleViolence pic.twitter.com/jxEsPEkD1z
— Cafe Coronary™ (@being_raam) December 17, 2014
Firaisankina ho an'ny zon'ny vehivavy!!!
Taorian'ny namoahana ny taratasy misokatra, nihaniakatra ny fanindriana avy amin'ny fiarahamonina sivily, fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ary ny gazety atao amin'ny governemanta hihetsehany. Nanome antoka ny minisitry ny lalàna fa hahazo ny rariny i Puja. Ankehitriny dia manam-panantenana i Puja, farafaharatsiny hatramin'izao.