Voromby Air Asia Nitondra Mpandeha 162 Niala Tao Indonezia Hoany Singapore Voalaza Fa Nanjavona

Air Asia changed the color of its Facebook logo after it announced that one of its planes went missing.

Nanova ny lokon'ny fango tao amin'ny Facebook-ny ny Air Asia taorian'ny fanambarany fa tsy hita ny iray tamin'ireo fiaramanidiny.

Nanamafy ny Air Asia fa very ny fifandraisany tamin'ny sidina QZ8501 izay ho any Singapore niala avy any Surabaya ao Indonezia. Nitondra olona 162 ny voromby: mpandeha 155, mpanamory 2 sy mpiasan'ny zotram-piaramanidina 5.

AirAsia Indonesia regrets to confirm that flight QZ8501 from Surabaya to Singapore has lost contact with air traffic control at 07:24hrs this morning.

Malahelo ny Air Asia Indonesia manamafy fa ny zotra QZ8501 niala tao Surabaya hoany Singapore dia tapaka fifandraisana tamin'ny mpanaramaso ny fitaterana an'habakabaka tamin'ny 07:24 ora androany maraina.

Nilaza ny zotram-piaramanidina fa nangataka hiova lalana amin'ny lalana voafaritra mialoha ilay voromby nanjavona alohan'ny nahatapahan'ny fifandraisana taminy:

The aircraft was on the submitted flight plan route and was requesting deviation due to enroute weather before communication with the aircraft was lost while it was still under the control of the Indonesian Air Traffic Control

Nizotra tamin'ny lalana voafaritra mialoha fa alehany ilay voromby raha nangataka hiova lalana noho ny fiovan'ny toetr'andro tampoka alohan'ny nahaverezan'ny fifandraisana tamin'ny voromby raha mbola teo am-pifehezan'ny Mpanaramaso ny Fitaterana An'habakabaka Indoneziana izy

Mitodika any amin'ireo nosy Bangka Belitung ao amorontsiraka atsinanan'i Sumatra Atsimo ny manampahefana Indoneziana mba hikaroka ilay voromby nanjavona.

Ireto ny vaovao farany sasany avy amin'ny diezy Twitter #QZ8501

Nilaza ny ekipa mpanao fikarohana sy fanavotana Indoneziana fa ny toerana farany nahafantarana ny @AirAsia zotra #QZ8501 dia tao amin'ny Helodranon'i Kumai.

Nilanja sora-baventy tao amin'ny T2 tao Changi ny mpiasan'ny seranam-piaramanidina hitafa mivantana amin'ireo fianakaviana sy namana mitady ny vaovaon'ny @AirAsia #QZ8501

MIVAVAHA HOAN'I #QZ8501

Naneho ny firaisankinany tamin'ny Air Asia ihany koa ny Orinasa an'habakabaka Malaysia Airlines, izay nanana voromby roa nanjavona tamin'ity taona ity:

Mitodika any amin'ireo fianakaviana sy naman'izay rehetra ao anatin'ny QZ8501 ny eriteritray sy ny vavakay

Nilaza ny praiminisitra ao Singapore fa hanampy amin'ny fikarohana ny voromby ny fireneny:

Niantso ny Pres @jokowi_do2 fa hanolo-tanana hanampy. Efa miandry baiko ireo voromby RSAF C-130 roa mba hanampy amin'ny fikarohana. Hanaramaso ny asa ireo minisitray. – LHL # QZ8501

Nisaotra ireo rehetra naneho firaisankina noho ny fanjavonan'ny zotra QZ8501 ny lehiben'ny Air Asia:

An-dalana hoany Surabaya izay niavian'ny ankamaroan'ireo mpandeha miaraka amin'ny mpiara miasa amiko Indoneziana. Hanome vaovao araka izay voarainay.

Zotram-piaramanidina ara-bola malaza ao Azia Atsimo-Atsinanana ny Air Asia. Nanomboka niasa tamin'ny taona 1996 izy ary mbola tsy niaina loza an-habakabaka nahafatesana olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.