- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Tantara 14 Nalaza Indrindra tato Tamin'ity Taona 2014 ity?

Sokajy: Mediam-bahoaka
1-4grlsuXsRpy6q-GvTMAD4Q

Tomba-maso noforonina avy amin'ny Gephi nataon'i Gilad Lotan.

Tamin'ity taona ity izahay nisintona ny fifantohanareo tamin'ny fandraketana fanadihadiana momba ny heloka an'ady tao Gaza, nanongotra teorian'ny tetidratsy tamin'ny fidarabohan'ny MH17, nampiharihary ny prôpagandin'ady tany Krimea ary nampakatra ny tantara nihinana ny “bande passante” tany Karaiba. 

Taonan'ny tantara vaovao ny 2014, ary nifantoka tamin'ny maizimaizina tao amin'ireo fandisoam-baovao tamin'ireo tantara nankalazaina hatraiza hatraiza izahay, ary nanohy hampivoaka amin'ny mazava amin'ireo tantara tsy mba misy mpitatitra manerana izao tontolo izao. 

Indreto ary ny tantara 14 be mpitsidika indrindra tamin'ity taona 2014 ity [tamin'ny teny anglisy].

1. Miaramila Israeliana Mpanaporitsaka Tsiambaratelo nosamborina rehefa namoaka tao amin'ny Facebook fa ‘Mamono Sivily ao Gazà ho Valifaty ny Andia-Tafika Israeliana’ [1] [mg] nosoratan'i Joey Ayoub ary nadikan'i Avylavitra

In recent days I was arrested by authorities and questioned about my research regarding the use of illegal weapons in Gaza, my mail and Facebook accounts were blocked, And I received strong hints that my life is at risk and I need to be silent and keep low. But I'm not going anywhere. They may close my communication channels again,but that does not mean I'm not here, I'll find a way to get the information out to you,and I trust you will echo it on, go down with it to the streets ,And demand your representatives, your government to stop funding the slaughter in your name,to boycott Israel and to stop the bloodshed in Gaza. The whole world is watching now, history is being made.

Tato anatin'ny andro vitsivitsy izay dia nisambotra sy naka am-bavany ahy ny manampahefana, mikasika ny asa fikarohana nataoko momba ny fampiasàna ireo fitaovam-piadiana tsy mifanaraka amin'ny lalàna tao Gaza, nobahanana ny mailaka sy ny kaontiko Facebook, Ary naharay torohevitra henjana be aho fa hoe tandindonin-doza ny aiko ka mila mangina sy milamina aho. Saingy tsy mankaiza tsy mankaiza aho. Mety hakaton-dry zareo indray ny fantsom-pifandraisako, saingy tsy midika izany hoe tsy eto aho, hahita làlana hatrany aho hampitàna ny vaovao ho any aminareo, ary matoky anareo aho amin'ny fampitàna azy, ento midina eny an'arabe izany. Ary takio amin'ireo solontenanareo, ny governemantanareo ny hampiatoany ny famatsiana io fandripahana amin'ny anaranareo io, bodoy Israely ary atsaharo ny fandatsahan-drà ao Gaza. Mijery anareo izao tontolo izao, an-dalam-panoratana ny tantara ankehitriny.

2. [Tandremo: Maherisetra] Lahatsary Avy Ao Gaza Mitatitra Ny Namonoan'ny Tifitra Bala Afomanga Israeliana An'i Ramy Ryan, Mpanao Gazety [2] [mg] nosoratan'i Joey Ayoub ary nadikan'i Avylavitra

At 3:50, we see Ramy Ryan on the floor, lying over a pool of blood. He's dead. A man is telling us “Look, look. A journalist. Look.” while showing us Ramy Ryan's “Press” insignia. The man then tells us angrily, “show the United Nations! Show the world! Show the Red Cross! Show the Arab traitors! They are all traitors!”

Ao amin'ny 3:50, hitantsika eo amin'ny tany i Ramy Ryan, mitsirara anaty rà mamonto ny tany. Maty izy. Lehilahy iray no miteny amintsika hoe “Jereo, jereo. Mpanao gazety. Jereo.” no sady asehony antsika ny soratra “Press” an'i Ramy Ryan. An-katezerana no anambaràn'ilay lehilahy amintsika hoe “asehoy amin'ny Firenena Mikambana! Asehoy amin'izao tontolo izao! Asehoy amin'ny Vokovoko Mena! Asehoy amin'ireo Arabo mpamadika! Mpamadika daholo izy rehetra ireo!”.

3. Fantaro Ilay Olon'ny Sarimiaina Vaovao Malaza Ao Krimea, Natalia Poklonskaya [3] [mg] nosoratan'i Andrey Tselikov ary nadikan'i Mamisoa

42340241-800x461

Natalia Poklonskaya amin'ny endrika sarimiaina. Sary nifampizarana an-tserasera.

Natalia Poklonskaya, the newly minted Prosecutor General appointed by the secessionist government of Crimea, has captured the hearts and minds of RuNet, and, surprisingly, Japan. A video from her March 11 press conference accepting the position has over a million views on YouTube, perhaps because of her incongruously youthful appearance (she is actually 33) combined with the seriousness of her office.

The fresh-faced, yet stern, Poklonskaya, talking to the press surrounded by microphones, served as an inspiration for Japanese and Russian fan-art. Most of the pictures are drawn in a manga (Japanese comics) style, and grotesquely over-emphasize the “cute” or “kawaii [4]” aspects of Poklonskaya's appearance.

Nambabo ny fo sy ny sain'ny RuNety i Natalia Poklonskaya, mpampanoa lalàna vaovao notendren'ny governemanta mpisintaka ao  Krimea, ary mahagaga fa nambabo an'i Japana ihany koa izy. Olona maherin'ny iray tapitrisa no efa nijery ny lahatsary Youtube misy azy nandritra ny valandresaka nataony tamin'ny 11 Martsa, angamba noho ny endriny ivelany somary tanora (33 taona izy ankehitriny) miampy ny biraony izay hita fa matotra tokoa.

Lasa aingam-panahy hoan'ny mpankafy haikanto Japoney sy Rosiana ny tarehy malefaka saingy hentitra an'i Poklonskaya, miresaka amin'ny mpanao gazety ary voahodidina mikrô. Nalaina avy amin'ny manga (tantara an-tsarimiaina Japoney) ny ankamaroan'ireo sary ary miompana betsaka amin'ny endrika “mahafatifaty” na “kawaii [4]” amin'ny vatan'i  Poklonskaya.

4. Voafehin'i Kremlin Raha Propagandy, Fa Tsy Ny Photoshop: Fihomehezan'ny RuNet Manoloana ny Sary Hosoka MH17 [5] [mg] Nosoratan'i Aric Toler ary nadikan'i Mamisoa

PR20141114180250

Ny sary nolazain'ny Fahitalavi-panjakana Rosiana ho porofo fa notifirin'ny voromby mpihaza Okraniana ny MH17. Pikantsary avy amin'ny 1tv.ru.

The photo shows MH17 a bit north of Donetsk being fired upon by a ‘fighter jet,’ presumably Ukraine’s, with a missile en route. A number of pro-Kremlin bloggers [6] and Russian [7] news [8] outlets [9] immediately shared this news as a smoking gun, claiming that what most in the West had dismissed as a conspiracy was now indisputable. However, as many on the RuNet immediately noticed, this image was just too good to be true.

Mampiseho ny MH17 somary eny avaratr'i Donetsk voatifitr'ilay “voromby mpihaza”, voalaza fa an'i Okraina ilay sary, ary ahitana balafomanga eny an-dalana. Nizara ity vaovao ity avy hatrany ho porofo miharihary ireo bilaogera mpanohana ny Kremlin sy sampam-baovao Rosiana, ary nilaza fa tsy iadian-kevitra intsony izay nolavin'ny ankamaroan'ireo Tandrefana fa teti-dratsy. Na dia izany aza, araka ny fanamarihana avy hatrany nataon'ny mpiserasera rosiana marobe, tsara loatra ilay sary raha ho apetraka ho marina.

5.  Israely, Gaza, Ady & Rakitra – Ny Fahaizana Mampifanaraka amin'ny tian'ny tena ny Propagandy [10] nosoratan'i  Gilad Lotan  [11]

While war rages on the ground in Gaza and across Israeli skies, there’s an all-out information war unraveling in social networked spaces. 
Not only is there much more media produced, but it is coming at us at a faster pace, from many more sources. As we construct our online profiles based on what we already know, what we’re interested in, and what we’re recommended, social networks are perfectly designed to reinforce our existing beliefs. Personalized spaces, optimized for engagement, prioritize content that is likely to generate more traffic; the more we click, share, like, the higher engagement tracked on the service.

Raha mirongatra eny an-kianja ao amin'ny tanin'i Gaza sy manerana ny lanitra Isiraeliana ny ady, dia misy ny adim-baovao mandravarava tokoa any amin'ny habakabaky ny tambajotra sosialy.
Tsy vitan'ny hoe be dia be ny fampitam-baovao novokarina, fa tonga aty amin'ny antsika haingana dia haingana tokoa izany, ary avy amin'ny loharanom-baovao maro kokoa. Koa satria manorina ny mombamomba antsika an-tserasera amin'izay zavatra efa fantatsika isika, amin'izay mahaliana antsika, ary izay nohafarantsika, dia ny tambajotra sosialy no mety amintsika indrindra hanamafisana ireo zavatra efa inoantsika. Sehatra efa natao hampifanarahana amin'izay tadiavina, nohamoraina ho amin'ny firotsahana, manao ho laharam-pahamehana ny votoaty mety hivoivoy bebe kokoa; Dia arakaraka ny hitendrentsika, izaràntsika, itiavantsika [hizaimevantsika] no hiakaran'ny firotsahana voatsongo dia ao amin'ny tolotra.

6. Mamelona ny Teorian'ny Tetidratsy ny Misiterin'ilay Fiaramanidina Malaysia Airlines MH370 [12] [mg] nosoratan'i Jeff South [13] ary nadikan'i Nancy

After a week of conflicting information surrounding the disappearance of flight MH370 and its 239 occupants, theories ranging from ludicrous to plausible have cropped up to fill the void about what happened. 
Wild guesses abound on social media, where riveted users were thinking about everything from black ops to black magic. Some people suggested that aliens, UFOs or a meteor strike could be involved. Others blamed terrorists or speculated that the Malaysian military might have mistakenly shot down the passenger plane. Several hypothesised that the Boeing 777 could have landed safely and that its occupants are still alive.

Herinandro taorian'ny nahazoana ireo vaovao mifanohitra manodidina ny tsy nahitana ilay fiaramanidina MH370 sy ireo mpandeha 239 nentiny dia nameno ny banga tamin'izay mety niseho na ireo fotokevitra hafahafa na ireo azo ekena kokoa.
Mameno ny haino aman-jery sosialy ireo soso-kevitra kidaladala, ka ao ireo mpisera voasintona no nihevitra ny zava-drehetra hatramin'ny bemidina maizina ka hatramin'ny mazia mainty. Ataon'ny sasany fa zavatra tsy avy eto ambonin'ny tany, OVNI na filatsahanà zavatra avy any an'habakabaka no antony. Ny sasany indray niampanga ny mpampihorohoro na mety nahatifitra tsy nahy ka nampianjera ilay fiaramanidina sivily ny tafika Maleziana. Ny ankamaroany kosa dia mirona mankany amin'ny fiheverana fa tafapetraka soa aman-tsara ilay fiaramanidina ary mbola velona ireo mpandeha taminy.

7. Reny Nidaroka An-Janany, Lahatsary Niparitaka Be Tao Trinidad & Tobago [14] [mg] nosoratan'i Jason Nathu [15] ary nadikan'i Erikah

A video depicting a mother's idea of ‘discipline’ is spreading like wildfire in Trinidad and Tobago, prompting strong reaction from the blogosphere. 
An unidentified mother and her twelve year-old daughter are the subject of the video, which has been posted and reposted on Facebook and other social networking sites. The video shows the mother hitting the child several times with a belt, after the child was alleged to have posted suggestive photographs of herself online.

Miparitaka be ao Trinidad sy Tobago ny lahatsary iray mampiseho ny fihevitry ny reny iray ny hoe ‘fifehezana’, niteraka fihetsehampo henjana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy.
Reny iray tsy fantatra anarana sy ny zanany vavy roambinifolo taona no votoatin'ny lahatsary, izay nalefa ary naverina nalefa tao amin'ny Facebook sy tambajotra sosialy hafa. Mampiseho ilay reny mikapoka imbetsaka ilay zanany amin'ny fehikibo ilay lahatsary, rehefa voampanga ilay zaza fa nandefa ny sariny manaitaitra tanaty aterineto.

8. Te-Hampiasa Wi-Fi Ankalamanjana Ao Rosia? Mila mampiseho Pasipaoro Na KaraPanondro [16] [mg] nosoratan'i Tetyana Lokot ary nadikan'i Mamisoa

Internet users in Russia won't be able to use Wi-Fi in public spots anonymously any longer. The Russian government is now going to require individuals accessing public Wi-Fi hotspots to present their passports or IDs. Personal data will be recorded and stored by the Internet provider, along with information about the devices used, including their unique MAC-addresses.

Tsy afaka hampiasa onjam-pifandraisana eny amin'ny toeram-bahoaka tsy fantatra anarana intsony ireo mpiserasera ao Rosia. Hitaky amin'ireo olona miditra Wi-Fi ankalamanjana eny amin'ny toerana be olona ny governemanta Rosiana mba hampiseho pasipaoro na ny karapanondron'izy ireo. Hosoratana sy horaketin'ny mpamatsy aterineto ny mombamomba manokana ireo olona, ary tafiditra amin'izany koa ny adiresy MAC manokan'ireo fitaovana ampiasain'izy ireo.

9. Mampandohalika An'i Jamaika Ilay Otrikaretina Tsikongonià [17] [mg] nosoratan'i  Janine Mendes-Franco ary nadikan'i Ntsoa

Chikungunya, a virus that causes high fever and severe joint pain, is now [18] rampant across the Caribbean [19]. The disease is vector-spread by the Aedes Aegypti mosquito [20], and the number of new cases has steadily risen across the region.

Jamaica in particular seems to be having difficulty containing the spread of both the virus and misinformation about the disease [21]. Using the hashtags #chikungunya #caribbean [22], Twitter users are sharing information about how climate change can contribute to the spread of disease [23], about regional Chikungunya death toll [24] statistics, and much more.

Aretina misoko manerana an'i Karaiba amin'izao fotoana izao ny Tsikongonià, otrikaretina mahatonga fanaviana mahery vaika sy fanaintanan'ny vanin-taolana. Mifindra amin'ny alalan'ilay moka Aedes Aegypti mpitondra azy ilay aretina, ary mitombo hatrany ireo tranga vaovao manerana ny faritra.
Raha i Jamaika manokana izao dia toa sahirana tsy mahafehy ny fiparitahan'ilay otrikaretina sy ny tsy fahafantarana ny momba ilay aretina. Raha mampiasa ny tenifototra #chikungunya #caribbean (#Tsikongonià #karaiba) ireo mpampiasa Twitter, dia mizara vaovao mikasika ny fomba hanampian'ny fiovan'ny toetrandro ny fiparitahan'ilay aretina, momba ireo antotanisan'ireo matin'ny Tsikongonià isam-paritra, sy ireo zavatra

10. ‘Anonymous International’ Nanaporitsaka Ny baikon'i Kremlin amin'ny fahitalavitra rosiana [25] nosoratan'i Kevin Rothrok

Russian television has long been infamous for parroting the Kremlin on political issues. It is still rare, however, that the public glimpses this propaganda system’s internal workings. If Anonymous International’s leak is genuine, Russians are getting to peek behind the curtain today.

Efa ela ny fahitalavitra rosiana no efa nalaza ratsy ho manao ho bolokin'i Kremlin aeo amin'ny resaka politika. Mbola tsy fahita firy, anefa, ny ahafahan'ny vahoakamanopy maso ny firafitry ny fanaovana propagandy ao anatiny ao. Raha tena izy tokoa ny votoaty tafaporitsaka avy amin'ny “Anonymous International”, dia hahavinavina tsara izay ao ambadiky ny lamba fanakona-tsehatra ny Rosiana androany.

11. Nahitsin'ny TV -mpanjakana Rosiana Ny Tao Amin'ny Wikipedia Mba Hanamelohana An'i Okraina Mikasika Fidarabohan'ny Sidina MH17 [26] [mg] nosoratan'i Kevin Rothrok ary nadikan'i Avylavitra

The war in Ukraine moves to Wikipedia. Images mixed by Kevin Rothrock.

Nikisaka any anaty Wikipedia ny ady ao Okraina. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Unsurprisingly, the blame game is now playing out on Wikipedia, where editors battle to record the polemics that best reflect their side of the story. Earlier this morning, the Russian-language Wikipedia entry [27] for commercial aviation accidents hosted one such skirmish, when someone with an IP address based in Kyiv [28] edited the MH17 record to say that the plane was shot down “by terrorists of the self-proclaimed Donetsk People’s Republic with Buk system missiles, which the terrorists received from the Russian Federation.” Less than an hour later, someone with a Moscow IP address replaced this text with the sentence, “The plane was shot down by Ukrainian soldiers.”

Tsy atao mahagaga, ankehitriny mivoaka sy tonga any anaty Wikipedia ny lalaon'ny fifanilihana, toerana itoloman'ireo mpanitsy votoaty mba handraketany ireo adihevitra izay tena mampiseho tsara ny zoro isankarazany ijereny ilay tantara. Vao maraina tamin'ity maraina ity, ny fampidirana ho an'ny Wikipedia amin'ny fiteny Rosiana momba ny lozam-piaramanidina manao sidina ara-barotra dia nampiantrano karazam-pifandonana toy izany rehefa nisy olona manana adiresy IP avy any Kiev nanitsy ny filazàna momba ny MH17 hitenenana fa ny “mpampihorohoro” avy amin'ireo nitonon-tena ho Repoblika Entim-bahoakan'ny Donetsh no nanjera ilay fiaramanidina taminà bala afomanga BUK, azon'ireo mpampihorohoro avy tamin'i Federasiona Rosiana.” Tsy ampy ora iray taorian'izay, nosoloin'olona iray manana adiresy IP avy any Maosko tamin'ity fehezanteny ity ilay soratra, “Ny tafika Okrainiana no nitifitra ilay fiaramanidina.”

12.Fiaiken'ilay Iraniana Tezitra [29] [mg] nosoratan'i Kambiz Hosseini [30] ary nadikan'i Mamisoa

Mpanesoeso ara-politika Iraniana , mpilalao sarimihetsika, mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra sy onjampeo i Kambiz Hosseini

I am an angry Iranian. Well, before being an Iranian, I am an angry man, just like the angry Middle Eastern men you see on television, the ones you see on the streets with clenched fists and anguished faces showing their protest. I wasn’t always angry; I turned angry. What tormented me and turned me into an angry man goes back to when I lived in Iran. Of course, from a certain point on, my anger surpassed ordinary boundaries and I started to laugh to survive. I mean, I cannot be angry without laughing at my own anger.

Today, turning my anger into comedy and laughing at my anguish is my livelihood. My reasons for this anger keep mounting every day, and therefore, I have more reasons to laugh, too. 

Iraniana tezitra aho. Eny, alohan'ny maha-Iraniana ahy, lehilahy tezitra aho, tahaka ny lehilahy Afovoany-Atsinanana tezitra hitanao amin'ny fahitalavitra, ireo hitanao eny an-dalambe miaraka amin'ny totohondry mivonkona sy endrika mitebiteby mampiseho ny fanoheran'izy ireo. Tsy mba tezi-dava aho; saingy lasa tezitra. Ny nampiferinaina ahy sy nahatonga ahy ho lehilahy tezitra dia tamin'izaho nonina tao Iran. Eny tokoa, nisy fotoana, nihoatra ny fefy mahazatra ny fahatezerako ary nanomboka nihomehy aho hiavota-tena.Ny tiako ambara, tsy afa-ho tezitra tsy mihomehy ny fahatezerako aho.
Anio, hamadika ny fahatezerako ho tantara tsangana aho androany ary hihomehy amin'ny tebitebiko izay andavanandroko. Tsy mitsaha-mitombo isan'andro ireo antony mahatonga izany fahatezerako izany, ary noho izany, manana ny antony betsaka hihomezana ihany koa aho.

13. Mpihira iray Milaza ny Tanindrazany Guyana ho ‘Mahatra’ tao amin'ny Fahitalavitra Amerikana. Tokony Ho Diso Fanantenana ve ny Goyaney? [31] Nosoratan'i Matthew Hunte

screenshot-rising-star-800x402

Pikantsarin'i Lisa Punch mihira ao amin'ny sehon'ny ABC “Rising Star” amin'ny alalan'ny YouTube.

Writer and cultural activist Ruel Johnson praised Punch [32] for persevering through difficult circumstances. “What got her to where she is today is sheer hard work, incredible individual talent, unstinting support from her mother and friends, and belief in her own ability to make it,” he wrote. “Instead of decrying her on the basis of some bullshit, delusional positive patriotism, we should be thanking her for acknowledging us at all when this place as a community of people and laws did.

Nidera an'i Punch ilay mpanoratra sady mpikatroka ara-kolotsaina mafàna fo Ruel Johnson noho ny faharetana nosedrainy tao anatin'ny toe-javatra sarotra. “Asa mafy tokoa ny nahatonga azy ho eo amin'ny toerana misy azy amin'izao fotoana izao, dia ireo talentany manokana tsy mampino, fanohanana tsy miava vehana avy amin'ny reniny sy ireo namany, ary ny finoana ao aminy fa hahavita izany izy,” hoy ny nosoratany. “Tsy tokony hitabataba aminy amin'ny fanaratsiana sasany, amin'ny rediredim-pitiavan-tanindrazana te-hilaza zavatra tsara ihany isika , fa tokony ho nisaotra azy isika noho ny fanekeny antsika rehetra raha apetraka amin'ny lafiny fiarahamonin'olona sy ny nataon'ny lalàna.

14. Ilay Barikam-Pamanizana an-dalan'ny Hampitsahatra ny Famanizana Imasom-bahoaka ao India [33] nosoratan'i Rezwan

The Clean Indian, an anonymous anti-public urination activist group, has come up with one possible solution [34] to stopping public urination in Mumbai. The group, whose members wear masks to conceal their identities, patrols Mumbai city with their giant yellow water tanker and sprays water on those urinating in public.

Nahita vahaolana iray mety hampitsaharana ny famanizana imasom-bahoaka ao Mumbai ny “Clean Indian”, vondrona mpikatroka iray manohitra ny famanizana eny an-dalambe. Ilay vondrona, izay misarontava ny mpikambana ao aminy hanafenany ny mombamomba azy ireo, dia mivezivezy ao an-tanànan'i Mumbai miaraka amin'ny barika mavo lehibe ka manondraka rano ireo hitany mamany eny an-dalambe.