- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

“Espaina Fanjakàn'ny Kolikoly” : Mpisera Mamelaka Tehamaina Ny Hetran'ny Google News

Sokajy: Espaina, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Adiós a la edición española de Google News. Imagen del Blog de Enrique Dans con licencia CC BY 3.0 [1]

Fanaovam-beloma farany ny Google News amin'ny teny Espaniôla. Sary avy amin'ny bilaogin'i Enrique Dans. Lisansa CC BY 3.0.

Tao anatin'ny dimy ambinifolo andro hidiran'ilay lalàna vaovao mifehy ny Fizakamànana ara-tsaina [2] hanan-kery ao Espaina dia nanambara ny Google News fa hampitsahatra ny asa fanampiny ataony amin'ny teny Espaniôla manomboka ny andron'ny 16 Desambra 2014. Ilay lalàna vaovao izay hanan-kery manomboka ny 01 Janoary 2015 dia mitaky amin'ireo mpanangom-vaovao toy ny Google News, Menéame, na Reddit handoa vola amin'ny famerenany mamoaka na dia ampahany kely monja aza amin'ireo vaovao avoakan'ireo gazety ety anaty aterineto aza.

Ny fikambanan'ireo mpanonta gazety Espaniôla (AEDE) no tena nandrisika be tamin'ny fametrahana ilay lalàna, fikambanana iray ivondronan'ireo gazety Espaniôla lehibe toy ny El País, El Mundo, sy ABC. Nahita ny fitontonganana haingana be tamin'ny isan'ny mpamaky azy nandritry ny taona maro ireo ireo gazety goavana nentim-paharazana ireo ka mihevitra ny hameno io fahambangan'ny mpamaky io amin'ny alalan'ny hetra. Ilay lalàna vaovao dia mihevitra ny hetra Google ho “zo tsy azo ivalozana” izay tsy maintsy ampiharina amin'ny gazety rehetra ao Espaina, na manaiky na tsia ilay fepetra ry zareo.  

Ao anaty fanambaràna iray nivoaka tao amin'ny bilaoginy [3] [es], ny filoha manerantanin'ny Google News, Richard Gingras, dia manazava ny anton'ilay fanapahankevitra hanakatona ny tolotra omeny :  

Dado que Google Noticias es un servicio que no genera ingresos (no mostramos publicidad en el sitio web), este nuevo enfoque resulta sencillamente insostenible.

Por ello, lamentablemente, el 16 de diciembre (…) procederemos a retirar a los editores españoles de Google Noticias y a cerrar Google Noticias en España.

Efa fantatra fa tolotra tsy miteraka fidiram-bola ny Google News (tsy mandefa dokambarotra ao amin'ny tranonkalanay izahay), zavatra tsy azo ekena tsotra izao ity fomba fanao vaovao ity. 

Noho izany, indrisy fa ny 16 Desambra (…) dia hiroso amin'ny fanesorana ny mpamoaka vaovao amin'ny teny Espaniôla ao amin'ny Google News izahay ary hanapaka ny Google News ao Espaina. 

Ity vaovao ity, na dia tsy nahagaga ny tsirairay aza, dia niteraka sahotaka tety anaty aterineto, tsy tao Espaina ihany, fa teny anivon'ireo fampahalalam-baovao anaty aterineton'ireo firenena hafa ihany koa, [4]  izay samy nitsikera daholo an'ilay lalàna vaovao. Tim Worstall milaza ilay lalàna “ho ohatra iray amin'ny tsy fahaiza-manaon'ny pahina” tao amin'ny gazetiboky Forbes [5], raha i Jeremy Malcolm avy amin'ny Electronic Frontier Foundation [6] kosa miteny fa endrika “ampahany amin'ny fironana iray midadasika be amin'ny zo hifandrohy” ilay lalàna. Hoy izy manampy : 

Vantany vao lasa tsy ara-dalàna ho an'ireo mpanangona rohin-baovao ny mametraka rohy famintinana eny amin'ireo tranonkala azon'ny olona tsidihana, dia ho faran'izay ho mora ho an'ireo hafa mba te-handràra ireo rohy isan-karazany koa ny hanao ny azy, toy ny fepetra momba ny lahatsary Youtube.

Ao amin'ny bilaoginy, i Profesora Enrique Dans no misava ravina [1] ny fiovàna ara-politika izay nitondra nankany amin'ny fanamboarana ilay lalàna – izay tondroiny ho “kidaladala” sy “tsy misy dikany” – ary fintininy hoe : 

Enhorabuena, gobierno de España. Siguiendo las directrices de AEDE, una de las asociaciones más caducas y cavernícolas del mundo, habéis conseguido evidenciar que España es una corruptocracia en la que cualquier grupo de presión puede escribir leyes a su antojo (aunque sean abierta y claramente tan demenciales como ésta), en la que los periódicos condicionan su línea editorial a la financiación gubernamental, y en la que el gobierno no tiene la más maldita idea de cómo funciona internet.

Arahabaina ry governemanta Espaniôla. Araka ny torolàlan'ny AEDE, iray amin'ireo fikambanana faran'izay lany andro sy ntaolo indrindra eto an-tany, dia vitanareo ny nampiseho fa fanjakàn'ny kolikoly i Espaina, firenena ahafahan'izay rehetra mpanoso-kevitra manoratra lalàna araka ny sitrapony (na dia hita mibaribary sy mazava izao aza fa adàla tahaka ity iray ity), firenena izay voafetra ny famoahana gazety noho ny famatsiambolan'ny governemanta, ary tsy misy fantatry ny governemanta na pitiny aza amin'izay fomba fiasan'ny aterineto. 

Arsenio Escolar, tonian-dahatsoratry ny gazety anaty aterineto 20 Minutos [7] [es], dia nitondra ity resaka ity tao amin'ny bilaoginy [8] [es] mba hanazavàna fa mahafaly fotsiny ireo mpikambana matanjaka ao amin'ny AEDE ilay lalàna, raha toa mandà tanteraka ilay IPL kosa ny fikambanan'ireo Espaniôla mpanonta gazety manaraka andro (AEEPP), betsaka kokoa sy mahasolo tena ny gazety espaniôla :  

Todo es una expresión genuina, una vez más, de nuestra Marca España: conchabeos entre el poder y la prensa, y nada de libre mercado o libre competencia, nada que fomente la pluralidad y la libertad de prensa. (…)

El cierre de Google News (…) lo vamos a pagar todos los medios, los tradicionales y los nuevos. Nuestra visibilidad en la red se reducirá, nuestro tráfico también, nuestros ingresos probablemente también… Veremos lo que tardan algunos editores tradicionales -autovíctimas de su propia iniciativa- en pedirle a Google que reabra su Google News.

Fomba fanehoana azy manokana, indray mandeha indray, an'i Marca España, [9] ny zavatra rehetra : fifanarahana tsy ara-dalàna eo amin'ny mpitondra sy ny gazety, tsy misy na inona na inona momba ny resaka tsena sy fifaninànana malalaka, tsy misy na inona na inona mampiroborobo ny hamaroan'endrika sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety. (…) 

Ny fanakatonana ny Google News (…) isika rehetra, na avy amin'ny nentim-paharazana na ny haino aman-jery vaovao, no handoa ny sandany. Hisongadina ny fihenàn'ny tambajotrantsika, hatramin'ny fitsidihana azy, ary ny vola miditra koa aza angamba… Ho hitantska eo hoe afaka hafiriana ireo mpanonta gazety nentim-paharazana ireo — izay voan'ny nataony ihany — no hangataka amin'ny Google ny hanokafana indray ny Google News. 

Hatramin'ny nivoahan'ny vaovao, tafakatra tao amin'ny Twitter ny adihevitra, izay ny “AEDE” sy “Google News” no mijanona ho isan'ny teny tena karohana betsaka indrindra. 

Ho entina ilazana io fa nitondra “boom! Eny amin'ny tavanao r'ilay vendrana ity!” Tsara ho azy izay!

#AEDE #Jiwert, alaivo sary an-tsaina ny hoe mitaky vola aminy ireo mpamatsy ny  El Corte Ingles, [14] amin'ny fanehoana ny vokatr'izy ireo ao amin'ny varavarankely. Dia tena mitapy ianareo…!

Taorian'ny fanambaràn'ny Google, toa tahaka ny tonga saina tamin'ny fahavoazana goavana nateraky ny fanesorana ny tolotra malaza iray toy ny Google News ireo haino aman-jerin'ny AEDE, ary dia nampivanàka ny rehetra tamin'ny nanaovany fanambaràna iray [15][es] nanekeny fa “tena tetezana iray marina tokoa mankany amin'ny aterineto ny Google (…) ” ary mitaky ny “firotsahan'ireo manampahefàna Espaniôla sy ny Fiombonambe Eoropeana, hatramin'ireo ao anatin'ny fifaninànana, mba hiarovana amin'ny fomba mahomby ny zon'ny olom-pirenena sy ny asa fandraharahàna.” Amin'izay maha-AEDE azy izay, nankalazaina tao amin'ny Twitter ny fiovàna tsy nampoizina tamin'ny fomba fitenin'ny AEDE : 

Mikasa ny handràra orinasa vahiny iray tsy hanakatom-baravarana hoe ny AEDE? Dia fomba ahoana no hanaovany izany? Miaraka aminà fiara mifono vy? Hahahahahaha

Ho sarotra ho an'ny haino aman-jerin'ny AEDE ny hamàfa ny hadalàna nataony. Saingy tsy hanamaivana azy isika, afaka tanterahany izany.

Nihazakazaka ny Minisitra Wert, tomponandraikitry ny IPL, hanamaivana [18] [es] ilay raharaha manontolo, tamin'ny filazàna fa ny Google no maika hikatona, satria azon-dry zareo natao tsara ny niady varotra momba ny hetra tokony haloa, sy tamin'ny tsy niraharahany ny hoe lavin'ny fotokevitra ijoroan'ny Google ny handoa vola amin'izay heverin-dry zareo ho zo fototra ety anaty aterineto: ny rohy.

Araka ny ambaran'i Faircry, bilaogera, ao amin'ny Probably Fair [19],

 …vamos a ver cómo se desarrolla todo esto y si los viejunos peninsulares al poder consiguen regular “el internete” ese invento del demonio, o no.
Pero el futuro de la prensa escrita pasa por internet, y morder la mano que te da de comer se llame Google o Bing o Baidu o Menéame o Reddit no puede tener muy buen resultado.

… Aleo ho hitantsika eo ny fivoaran'ity sy raha toa ireo Espanôla mipetraka eny amin'ny saikinosy ka hanana fahefàna na tsia hamepetra ny “aterineto”, ity asa famoronan-devoly ity. Nefa miankina amin'ny aterineto ny hoavin'ny gazety an-tsoratra, ary ny fanaikerana ny tànana mampiditra ny sotro ho ao am-bavanao, na Google io na Bing na Baidu na Menéame na Reddit, dia tsy hitondra zava-tsoa mihitsy.