- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sary Mampihomehy an'Aterineto Manohitra ny Famonoana Tantsaha Iray Manohitra ny Fitrandrahana Varahina any Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fanoherana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
Students in Yangon condemned the killing of a villager who was protesting the operation of a China-backed copper mine project. Photo from the Facebook page of DVB TV News [1]

Mpianatra ao Yangon nanameloka ny famonoana ilay tantsaha iray nanohitra ny tetikasam-pitrandrahana varahina tohanan'i Shina. Sary avy amin'ny pejy Facebook-ny Fahitalavi-baovao DVB

Ny mpanao fihetsiketsehana iray maty voatifitra [2] tao amin'ny tetikasam-pitrandrahana varahina iray [3] tohanan'i Shina tany amin'ny faritra Letpadaung tany Myanmar. Ilay vehivavy, izay voatondro ho Khin Win, dia anisan'ny ao amin'ny vondrona iray ao an-toerana izay manohitra ny fikasan'ny orinasam-pitrandrahana Wanbao hanangana fefy manodidina ny toerana hanaovana ilay tetikasa. Nanambara [4] ireo tantsaha fa nanampy ny Wanbao tamin'ny fanaovana izany asa izany ny polisy. Na izany aza, dia tsy mazava na ny mpiambina mitam-piadiana avy ao amin'ny Wanbao no namono ilay vehivavy maty na ny polisy.

Ny tetikasam-pitrandrahana varahina any amin'ny vaki-paritra Sagain, izay nanomboka tamin'ny Febroary 2012, dia notoherin'ny mponina sy ny vondrona maro Myanmar. Misy tompon-tany lehibe sasantsasany tsy nanaiky ny handray onitra avy amin'ny Wanbao ary fa nifidy ny hanohitra ilay tetikasa. Tamin'ny iray amin'ireo hetsi-panoherana mpitranga, dia naparitaky [5] ny polisy tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso, tafondron-drano sy fitaovam-piadiana hafa ny vondrona moanina maromaro nanao fihetsiketseham-panoherana , ka naharatrana 50.

Nahatezitra ny maro tao Myanmar ny fahafatesan”ilay vehivavy. Nanomana [6] fivoriambe haingana mba hanehoany ny fahatezerany ny Mpianatra any Yangon, renivohitry ny firenena teo aloha. Meanwhile, netizens responded with witty memes targeting the government and the People's Republic of China.  nikarakara . Mandritra izany fotoana izany, namaly tamin'ny alalan'ny sarisary mampihomehy mamely ny governemanta sy ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina ny mpiserasera.

Somael Celestial nanontany [7] tamin'ny fomba maneso ny Filoha Thein Sein tamin'ny alalan'ny sary namboarina hampihomehy “Wonka Mpankatò”:

Top Text : The Big guy who wish to be re-elected if the public would agree Bottom Text : Tell me more about how the woman shot dead at head could vote for you [7]

Lahatsoratra ambony: Ilay bandy matavy te-ho voafidy indray raha manaiky ny vahoaka
Lahatsoratra ambany: Lazao anay hoe ahoana no ahafahan'ny vehivavy iray maty voatifitra teo amin'ny loha ho afa-hifidy anao

Nga Paing nanontany tena [8] momba ny tatitra voalohany nilazàna fa nitifitra tan amin'ny tongotr'ilay vehivavy ny polisy, saingy noho ny tampoka dia ny lohany no voatifitra.

Top Text : The very first country that invented "shot-leg-hit-head" gun Bottom Text : Myanamr [8]

Lahatsoratra ambony: Ny firenena voalohany indrindra namorona ny basy “nitifitra tongotra nahavoa ny loha”
Lahatsoratra ambany: Myanmar

Tamin'ny fampiasana ny “Sheltered Suburban Kid” [Ankizy Manamorona Tanandehibe Nahazo Fialofana] no namoronan'i [9]Min Sat Paing sary mahatsikaiky [9] momba ireo izay manao tsinontsonina ny tolona ataon'ny any amin'ny faritra ambanivohitra.

Top Text : In order to get shot Bottom Text : She would have done something stupid [9]

Lahatsoratra ambony: Mba hahavoatifitra
Lahatsoratra ambany: Tsy maintsy nisy fahadalàna nataony izay

 အင်ဘရန် လတောင် ihany koa nanao sary mahatsikaiky [10] momba ny fiainan'ireo tantsaha izay very zo amin'ny fitazonana ny taniny raha ny governemanta no mandroso mitaky ny tany:

Top Text  (The lady said): I guess it's alright not to sell our farms if we don't wish to? Middle Text (The guy said) : What? Your farms? Bottom Text (The guy said) : Even Nay Pyi Daw [Capital of Myanmar] must be sold if China wants it! [10]

Lahatsoratra tampony (miteny ilay vehivavy): Heveriko fa tsy maninona ny tsy mivarotra ny toeram-piompiantsika rehefa tsy maniry izany isika?
Lahatsoratra antenantenany (miteny ilay lehilahy): inona? Toeram-piompianao?
Lahatsoratra ambany (miteny ilay lehilahy): Na Nay Pyi Daw [Renivohitr'i Myanmar] aza tsy maintsy lafo rehefa mitaky izany i Shina!

စက္ကန်း ကမ္မင်း nanome torohevitra [11] amin'ny fomba isorohana ny ho voatifitry ny bala izay mikendry ny tongotra ka mahavoa y loha anefa. Amin'ny fampiasana sary mampihomehy malaza iray ao an-toerana fantatra amin'ny anarana hoe “Torohevitra ratsin'i Thein Sein”, tsotra ny hevitra nefa mampitokelaka:  

Top Text : If you are thinking to protest in future Bottom Text : Please come in handstand position [11]

Lahatsoratra ambony: Raha mieritreritra ny hanao fihetseha-panoherana rahatrizay
Lahatsoratra ambany: Miangavy mandrosoa amin'ny fananganana ny tanana

Raha misy moa ny vaovao tsy voamarina milaza fa tafiditra tao anatin'ny sakoroka ihany koa ny Shinoa mpiasa mitam-piadiana, dia nanontany tena [12] momba ny satan'ny fireneny i Somael Celestial. 

Top Text : Not sure if it was Republic of Union of Myanmar  Bottom Text : Or Republic of China's Myan Dian [Myanmar in Chinese] [12]

Lahatsoratra ambony: Tsy siora hoe Repoblikan'ny Fitambaran'i Myanmar
Lahatsoratra ambany: Sa Repoblikan'i Shina ao Myan Dian [Myanmar amin'ny teny Shinoa]

Namariparitra [13] ny fahafatesan'ilay mpanao fihetsiketsehana ho toy ny “tsy misy dikany” orinasam-pitrandrahana Wanbao, ary efa nangataka tamin'ny polisy hanao fanadihadiana mikasika ny raharaha. Mandritra izany fotoana izany, dia mitohy ny hetsi-panoherana ny tetikasam-pitrandrahana varahina.