- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Tsy Hanakana’ Navalny ao Rosia ny Facebook sy Twitter, Raha Manao izay Hanakanana Ny Fanononana ny Hetsi-panoherana i Kremlin

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Sivana, Teknolojia, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet
Russians joke that Roscomnadzor has even blocked the Manezhnaya square, site of January 15 protest, on Yandex Maps. Images edited by Tetyana Lokot.

Hanihany rosiana milaza fa nanakana na dia ny kianja Manezhnaya, toerana hanatontosana ny fihetsiketseha-panoherana 15 janoary, ao amin'ny sarintany Yandex ny Roscomnadzor. Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Raha mbola milalao famafàna an-tserasera, ao anatin'ny fikasana hanakana izay rehetra manonona ny fihetsiketsehan'ny 15 janoary ho fanohanana an'i Alexy Navalny ireo mpandrindra ny fifandraisandavitra sy ny mpampihatra lalàna rosiana, dia hitahita taratra fa nanapa-kevitra ny tsy hanakana na inona na inona amin'ny pejy mpanohana an'i Navalny intsony ny Facebook sy ny Twitter.

Tatitra [1] iray ao amin'ny TV Rain, nanonona loharanom-baovao maro, no nilaza fa tsy hanakana izay pejy na votoaty intsony ny Facebook, taorian'ny nanakanana [2] hoan'ny mpisera Rosiana ny pejy hetsiky ny 15 Janoary voalohany. Nanapa-kevitra hanome fampahatsiahivana amin'ny mpisera izay manana votoaty nananganan'ny Roscomnadzor saina mena ihany koa ny Twitter, hoy ny loharanom-baovaon'ny TV Rain, saingy tsy hanasazy ny mpisera na amin'inona na amin'inona. Samy mahafantattra ny roa tonta fa mety hahatonga ny fanakanana tanteraka ny Facebook sy ny Twitter any Rosia izany fihetsika izany, hoy ny tatitry ny TV Rain.

Mbola tsy tafiditra ao amin'ny pejin'ny hetsika Facebook voalohany [3] nikarakarana ny hetsiky ny 15 Janoary ny mpisera ao Rosia sy ireo olona fantatra ho Rosiana. Ny pejy Facebook vaovao [4], izay natsangana taorian'ny nanakanana ny voalohany moa dia efa nahazo mpisera mihoatra ny 25000 izay nanasonia ny handray anjara sahady.

This is what the initial Navalny protest event page looks like to a user from Russia. Image courtesy of Sergey Kozlovsky.

Izao no hitan'ny mpisera avy ao Rosia amin'ilay pejin'ny hetsika fanohanana an'i Navalny voalohany. [Lahatsoratra: Tsy vonona ny votoaty amin'izao fotoana izao. Tsy azo jerena ny pejy tadidinao ankehitriny. Mety ho tsy vonona vetivety, mety ho efa lany andro ny rohy na tsy mahazo alalana ny hijery io pejy io ianao.] Sary nampindramin'i Sergey Kozlovsky.

Mbola voasakna ihany koa ny pejin'ny hetsika mitovy aminy [5] ao amin'ny VKontakte, ary Nikolay Durov, rahalahin'i Pavel Durov, mpanorina ny VK, dia nilaza fa nandefa fangatahana fandabohana miisa 53 [6] tamin'ny VK tao anatin'ny adiny 5 fotsiny ny Roscomnadzor tamin'ny 21 Desambra, izay manao ho lasibatra izay vondrona sy pejy manonona ny voambolana “Navalny.”

Nohalavain'izay rohy manana fifandraisana amin'ny hetsika ihany koa ny Iisitra mainty an'aterineto [7] Rosiana, ary nangatahana ny mpanome aterineto hanakana izay votoaty rehetra mifandraika amin'ny 15 Janoary.

Repotra dia repotra amin'ny fanovanana anaty lisitra maintin'ny RuNet ireo tranonkala isan-karazany ahitana vaovao momba ny famoriam-bahoakan'i Navalny 15 jan ny polisy rosiana

Misy ireo mpanome aterineto sasantsasany faningana amin'ny fanomezna fahafaham-po ny fangatahan'ny Roscomnadzor, ary manakana amim-pahazotoana ny lahatsoratra LiveJournal miresaka ilay hetsika, na dia misy lasa lavitra hatramin'ny fanakanana manontolo ny blaogin'ny LiveJournal aza izany.

Mahafinaritra tokoa ny Beeline. Manao ny zavatra rehetra mba tsy ahitako avy eto Volkov izay aleha amin'ny 15 Janoary. [Lahatsoratra eo amin'ny pikantsary: Ny loharano ato amin'ity adiresy IP dia voasakana noho ny fanapahan-kevitry ny fitantanam-pitondrana.]

Voahidy ny lahatsoratra androany—misy ireo mpanome aterineto nanidy ilay lahatsoratra ihany, ary misy ireo hafa nanakana ny diariko manontolo.

Rehefa mandefa fampahatsiahivana [14] momba ny votoaty mifandraika amin'ny hetsika amin'ny mpisera noho ny fangatahan'ny Roscomnadzor ny Twitter, dia mailaka ny maintimolalin'ny RuNet mamerina ny rehetra ao an-tsaina ny fomba tsotra indrindra hanesorana ny fanakanana amin'ny alalan'ny jiografia ao amin'ny Twitter:

Mitonia, tsy manidy ny kaonty miaraka amin'izay ny Twitter. Ovao ny firenenao ao amin'ny Fanovana dia tsy ho olana ny Roscomnadzor. Jereo, avy any Ongandà aho izao.

Nanome ako ny ahiahin'ny Facebook sy ny Twitter [16] ny mpisera sasantsasany, tahaka an'i Sultan Suleymanov avy any Meduza, anry nilaza fa tokony hivonona amin'ny fanakanana manontolo ny sehatra tahaka ny Twitter sy ny Facebook ny mpiseran'ny RuNet, satria mamela alalana amin'ny fanaovana izany ny lalàna miady amin'ny hetsi-panoherana. Miely haingana tahaka ny afo ao amin'ny RuNet ny torolalana [17] amin'ny fihodidinana [18] ny fanakanana ny sehatra iray manontolo.

Raha efa manatomotra ny 15 Janoary isika, dia hihamafy kokoa hatrany ny tsindry atao amin'ny mpiseran'ny RuNet sy ny sehatra fampitam-baovao sosialy. Saingy mieritreritra ny maro amin'ny mpanome hevitra fa tsy hampihemotra ny mpanao fihetsiketsehana tsy hivoaka ny kianja Manezhnaya ao Moskoa izany sy ireo tanàna rosiana hafa. Fa vao maika aza izany hampisy fandraisana anjara bebe kokoa aza.