Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

22 Desambra 2014

Tantara tamin'ny 22 Desambra 2014

‘Tsy Hanakana’ Navalny ao Rosia ny Facebook sy Twitter, Raha Manao izay Hanakanana Ny Fanononana ny Hetsi-panoherana i Kremlin

Nitatitra ny Tv Rain fa nanapa-kevitra ny tsy hanakana izay pejim-pihetsiketsehana Navalny intsony ny Facebook sy ny Twitter, ary mahafantatra ireo fa mety hampisy ny fanakanana ny tranonkala iray manontolo izany.

Mampahafantatra Ireo Zava-Mahagaga Momba An'i Afrika, Tetikasa ‘Africa Facts Zone’

Mampiasa Twitter sy Facebook i Isima Odeh, mpianatra Nizeriana 17 taona mba hanome ireo zavamisy manala hetaheta momba an'i Afrika sy ny Afrikanina.

Tilikambo Manerinerina Manimba ny Sarin'ny Maherifon'ny Firenena ao Filipina

Trano manana rihana 49 an'ny "Torre de Manila" [tilikambon'i Manila] izay nahazo anaram-bositra "Terror de Manila" [horohoron'i Manila] avy amin'ny mpanakiana noho ny fandravàny ny fijerena ny tsangambaton'i Rizal ao amin'ny Luneta Park.

Tantaran'ny Tsonamia Nampivarahontsana Tao Tohoku, Voadika Ho Teny Anglisy

Niaraka tamin'ny fanohanan'ny Anjerimanontolon'i Harvard, namadika ho teny Anglisy ireo fitantaràna tsy manam-paharoa mikasika ireo "loza voajanahary telo" tamin'ny 11 Martsa 2011 ny Kahoku Shimpo, gazety iray goavana ao Tohoku.