An'arivony Ny Hanatrika Hetsi-Panoherana Tsy Nahazo Alalana Eo Ivelan'i Kremlin hanoherana Ny Didim-Pitsarana Mamely izay Mitsikera an'i Putin

Images edited by Kevin Rothrock.

Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Nampiasaina hanaovana lohateny an-gazety sy any amin'ny fampitam-baovao sosialy ho tahaka ny hetsi-bahoaka ny anaran'i Alexey Navalny. Tamin'ny faramparan'ny taona 2011, izy no lasa endrika fanta-dazan'ny vanim-potoana vetivetin'ny hetsika an-dalambe izay sambany nanozongozona an'i Kremlin hatramin'ny fotoana nitantanan'i Yeltsin. Talohan'i 2013 no niofoan'i Navalny avy amin'ny maha-bilaogera miady amin'ny kolikoly azy sy mpitarika hetsi-panoherana azy ho politisiana tsara saina, saika nahatonga fisian'ny fihodinana faharoa tamin'ny fifidianana ben'ny tanàna tao Moskoa.

Hatramin'ny febroary 2014 na izany aza dia nihena ny fisehoan'i Navalny ampahibemaso, taorian'ny didim-pitsarana ao Moskoa hametraka azy ambenana manokana an-trano noho ny raharaham-pitsarana iray, ny raharaha Yves Rocher, izay ankehitriny vao eo am-pamehezana azy.

Antenaina fa amin'ny faha-15 Janoary 2015, ny fitsarana ao Moskoa no hamoaka ny didy sy hanasazy an'i Navalny sy ny rahalahiny, izay mijoro noho ny fiampangana ho nanao fanambakana orinasa frantsay filokolokoan-tarehy. Nangataka tamin'ny mpitsara ny hanidy azy ireo am-polony taona ny mpampanoa lalàna . Araka an'i Navalny, sy ny ankamaroan'ireo mpandinika mahaleotena, dia tsy mitombina ny fiampangan'ny Yves Rocher ary misy ambadika politika ataon'ny fitantanam-bahoaka ao.

Leonid Volkov, iray amin'ireo mpikambana farany mpiara-dia mahatoky sy akaiky amin'i Navalny mbola tsy voasambotra na voatery nandeha any an-tsesitany, dia nanoratra hetsika ao amin'ny Facebook avy hatrany hanaovana hetsi-panoherana faobe manohitra ny didim-pitsarana. Efa manakaiky ny 3 000 sahady ny olona nampanantena hanatrika ny fihaonana ao amin'ny Kianja Manezh, eo ivelan'ny vavahadin'i Kremlin indrindra, amin'ny takarivan'ny 15 Janoary. Efa niely avy hatrany ny Aelezo azafady indrindra, na dia vao ora vitsivitsy aza no nametrahana ilay hetsika Facebook. Mbola antenaina hiakatra haingana dia haingana ny isan'ny olona heverina fa hanatrika, ary misy ireo olona 13.000 hafa mbola eo am-pandinihana ny “fanasana” hanatevin-daharana ny hetsika.

Leonid Volkov's invitation to the January 15, 2015, protest against Navalny's verdict.

Fanasàn'i Leonid Volkov ho amin'ny 15 Janoary 2015, hetsika hanoherana ny didim-pitsarana an'i Navalny.

Ao amin'ny Facebook, misy ireo olona sasantsasany manontany ny anton'ny fanapahan-kevitr'i Volkov hanatontosa ny fihaonana aoriana, fa tsy alohan'ny hanambarana ny didim-pitsarana an'i Navalny. Julia Sailer, vehivavy miteny rosiana monina ao Alemaina, ohatra, nampitandrina fa fandefasana marika diso ny fiandrasana hatramin'ny 15 janoary:

Надо 14-го собираться. Собрание после приговора означает: мы ждём милости от Путина, если её не будет – выйдем на улицу. Собрание 14-го означает: мы навязываем Путину нашу повестку дня.

Mila mihaona isika amin'ny 14-n'ny volana. Ny fihetsiketsehana iray aorian'ny didim-pitsarana [amin'ny 15 Janoary] dia midika fa miandry famindram-po avy amin'i Putin isika, sy fandrahonana fa hivoaka eny an-dalambe rehefa tsy mahazo ilay [nokatsahina]. Ny fihetsiketsehana amin'ny faha-14 ny volana dia midika fa isika no mametraka ny fandaharam-potoana fa tsy i Putin.

Na ho amin'ny 14 na ho amin'ny 15 Janoary no hitranga izany, ny fihetsiketsehana dia efa antenaina fa hahitana fifanandrinana amin'ny polisin'i Moskoa, satria tsy nangataka alalana tamin'ny [fiadidiana ny] tanàna i Volkov. Indrindra fa nampanantena izy fa tsy hitady alalana, tamin'ny fanoratana tao amin'ny Facebook, “Efa lasa efa ela izany fivoriana hahazoan-tsazy izany.”

Raha tian'ny polisy, dia afa-mampiasa ny hetsika Facebook amin'ny fihetsiketseha-panoherana amin'ny 15 Janoary ikendrena an'i Volkov na ny Facebook koa aza ry zareo, raha fantatra fa tsy ara-dalàna ao Rosia ny miantso ny olona hanao fihaonana tsy hahazoana sazy. Raha ny marina, ny Biraon'ny Fampanoavana ao Rosia dia efa nandrara pejin-tranonkala 589 noho izany antony izany sy ireo hetsika hafa izay lazaina fa mahery fihetsiky ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.