- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Vola 60 Tapitrisa Dolara avy any Washington Ho Fampiroboroboana ny Demokrasia Rosiana dia ‘Fandrisihana Amin'ny Ankapobeny’

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Etazonia, Rosia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet
Obama and Putin meet outside Moscow, July 7, 2009. Official White House Photo by Pete Souza. [1]

Fihaonan'i Obama sy Putin ivelan'i Moskoa, 7 Jolay 2009. Saripika Ofisialin'ny Trano Fotsy avy amin'i Pete Souza.

Nandany [2] lalàna vaovao omaly i Etazonia izay nantsoina hoe “Lalàna fanohanana ny Fahalalahana ao Okraina [3].” Androany, nahamarika [4] fiteny ao amin'ny lalàna ny seha-pampahalalam-baovao Rosiana sasantsasany fa misy ny vola 60 tapitrisa dolara atokana hampiroboroboana ireo “fikambanana fiarahamonim-pirenena sy fikambanana demaokratika” Rosiana , ka tafiditra ao anatin'izany ny fanohanana ny “fampivelarana ny fidirana tsy misy sivana ny aterineto.”

Tsy isalasalàna fa mampientanentana, na dia mampidi-doza aza, azon'ny mpikatroka maro ao Rosia sy ireo mpanoratra gazetey miasa an-tserasera araraotina ny fidirana mankany amin'ny vola 60 tapitrisa dolara avy amin'ny fitantanam-bahoaka ao Etazonia. Tahaka ny tsy ho azo mihitsy anefa io vola io.

Ny lalàna dia “fahazoan-dalana hahazoana maka” fotsiny ihany, tsy tena volavolan-dalàna maka azy tokoa. Amin'ny teny hafa, manome marika [5] amin'ny fanohanany handaniana io vola io fotsiny ihany ny Kongresy sy ny filoha. Raha tsy misy ny fakàna [vola] miaraka aminy, dia tsy tena miasa ho vola fanampiny hampiroboroboana ny demaokrasia ao Rosia ny Lalàna Fanohanana ny Fahafahana ao Okraina.

Nilaza tamin'ny Akon'ny RuNet ny loharanom-baovao avy amin'ny fikambanana mpampiroborobo ny demaokrasia ao Washington, “Ny fitenin'ny fahazoan-dalana dia fandrisihana amin'ny ankapobeny, ary tsy manantena ny vokany ho fakana ho fananana vaovao ny seha-mpampitam-baovao Rosiana na ny firaisamonim-pirenena Rosiana.”