Izy Ireo No Mifidy Eo Amin'ny Toeranao: Manitatra Ny Fe-potoana Iasàny Ny Parlemanta Libaney

On the Streets in Lebanon, September 16, 2013, photo by Georgie Pauwels. CC 2.0.

Eny an-dàlamben'i Libanona, 16 Septambra 2013, sary an'i Georgie Pauwels. CC 2.0.

Vao haingana izay no nifidy ny hanitatra ny fe-potoam-piasàny ny parlemanta Libaney. Izay indray. Amin'ity indray mitoraka ity, nanampy roa taona sy tapany hafa amin'ny fe-potoam-piasàny ireo mpanao pôlitika. Ity no fotoana faharoa nanemorana ny fifidianana parlemantera vaovao, izay mampitombo avo roa heny ny fe-potoana voalohany ananan'ireo mpifidy. Solombavambahoaka roa ihany no nandà io fanitarana io, ary ireo 31 hafa nanembatsembana tanteraka ilay fotoana. Solombavambahoaka dimy amby sivifolo no nanohana ilay hetsika, izay antsoin'ny sasany ho tsy manaraka ny lalàm-panorenana.

Mety ho lafiratsiny lehibe, mety mampidi-doza mihitsy aza, ho an'i Libanona io hetsiky ny parlemanta io. Araka ny fanazavan'ny “Human Rights Watch” ao amin'ny vohikalany, mandika tsotra izao ireo adidy amin'ny zon'olombelona iraisam-pirenena ny fanemorana ny fifidianana:

Handika ny Andinin-dalàna faha-25 ao amin'ny Fifanarahana Iraisam-pirenena Momba Ireo Zon'Olom-pirenena sy Ara-pôlitika (ICCPR), izay nosoniavin'i Libanona tamin'ny 1972, io volavolan-dalàna fanitarana io, izay fanemorana faharoa hatramin'ny niasan'ny antenimiera ny volana Jona 2009. Milaza ny andinin-dalàna faha-25 fa manan-jo sy fotoana hifidianana ary hofidiana ny olom-pirenena tsirairay mandritra ireo fifidianana tena izy voafaritra ara-potoana.

“Tsy misy fotoana manavanana hanatanterahana fifidianana, indrindra any Libanona, saingy nanatanteraka fifidianana tanatinà toe-javatra sarotra ity firenena ity taloha, anatin'izany ny tamin'ny 2005 sy 2009,” hoy i Nadim Houry, tale lefitry ny “Human Rights Watch” any Afrika Atsinanana-Afovoany sy Avaratra. “Tsy manamarina ny fampiatoana ny zon'ireo olom-pirenena Libaney hifidy ny tsy fahombiazan'ireo mpanao pôlitika amin'ny fikarohana fifanekena aminà lalànam-pifidianana vaovao na ny fanendrena filoha vaovao.”

Nitoraka bitsika i Angelina Eichhorst, filohan'ny Delegasiôn'ny Fiombonambe Eorôpeana any Libanona:

Manontany tena ny mety ho vita nandritra izay fotoana lasa izay mba hisorohana ny fihitaran'ny parlemanta, andro iray matroka eo amin'ny tantaran'ny lalàm-panorenan'i Libanona izao

“Ankehitriny dia fahatsiarovana sisa no anananay momba ilay zon'olom-pirenena fahizay: mifidy,” hoy ny voasoratr'ilay mpanao gazety Nadine Mazloum tanatinà lahatsoratra ao amin'ny bilaogy, mitondra ny lohateny “8 Things to Do to Parliament” (Zavatra 8 Tokony Hatao Ao Amin'ny Parlemanta). Manome hevitra raitra mikasika ny “fomba tsara kokoa ampiasantsika ny parlemanta, raha efa hita ny tsy fahatomombanan-tsainy”, io lisitra io, izay tafiditra ao anatin'izany ireo sosokevitra tahaka ny “atrikasa fanofanana manao tantara an-tsehatra” ho an'ireo solombavambahoaka izay tsy afaka nahita ny hery handà tao aminy, ary ny “paleontologie” hianarana ny sehatra pôlitikan'i Libanona “maty”.

Olom-pirenena tsotra maro ao Libanona no namaly ny fifidianan'ny parlemanta tamin-katezerana sy hasosorana lalina. Tany Beirut, nisy vondrona iray aza nanakana mihitsy ny arabe mankany amin'ny tranoben'ny parlemanta, ka nitoraka voatabia an'ireo mpanao lalàna sy nilanja sorabaventy ahitàna ny teny hoe “Tsia Ho An'ny Fanitarana!” Maro ihany koa ireo nihiaka tamin'ireo solombavambahoaka, niantso azy ireo ho “mpangalatra”.

Ny mpanamboatra Vodka Stolichnaya aza dia nanararaotra io toe-javatra io hanandratany ny tenany manoloana ny mahazo ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta Libaney mampaharitra ny tenany, ka manoratra ao amin'ny Facebook fa na “ny makafoka aza tsy maharitra ela toy izao”:

"Hangovers don't last this long," jokes a local Lebanese vodka maker

“Tsy maharitra ela tahaka izao ny makafoka,” hoy ny Libaney iray mpanamboatra vodka ao an-toerana, mihanihany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.