Tantara tamin'ny 19 Desambra 2014
Namelona Indray Ny Adihevitra Momba Ny Zon'olombelona Ao Venezoela Ny Famonoana Ilay Mpikatroka LGBTQ
Misaona an'i Giniveth Soto, Venezoeliana mpikatroka hoan'ny fitovian-jon'ny lahy sy vavy maty nisy namono tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity ireo mpiaro ny zon'ny LGBTQ.
Mpiasa Ao Rosia Avy Any Azia Afovoany Tezitra Amin'ireo Vehivavy Mpiray Tanindrazana Aminy ho ‘Manala Baraka ny Firenena’
Sary nalaina tany Rosia ahitana ireo vehivavy manao asa fivarota-tena alain'ireo lehilahy mpiray tanindrazana aminy baraka no lasa malaza an-tserasera. Miampanga ireo lasibatra ho manosihosy ny voninahitry ny tanindrazany ireo lehilahy ireo.
Miandry Daholo Aloha Ny ao Bahrain fa Mbola Milomano, Mivoy ary Mihazakazaka Ny Zanaky ny Mpanjaka
Nahemotra ny fandevenana, nikorontana ny sidina an'habakabaka, tsy afaka namonjy ny asany ny dokotera ary tsy voatsabo ireo marary raha nilomano, nihazakazaka sy nandeha bisikileta kosa ny zanaka lahin'ny mpanjaka.
Mitsabaka Amin'ny Fanabeazana Ny Fitondrana Mpanongam-panjakana Mba Hampianarana Ny ‘Demôkrasia Marina’
Mikendry ny handrisika ny fampihavanana ireo fanovàna ara-panabeazana tohanan'ny miaramila, saingy nanjavona tampoka tanatin'ireo boky fampianarana ny anaran'ny Praiminisitra teo aloha, Thaksin Shinawatra.
Fahalalahana Miteny: Lasibatra Laharam-pahamehana Amin'ny Ady Ataon'i Erdogan Amin'ny ‘Fanjakàna Anjorony’

Ao Tiorkia, olona 31 -- mpanao gazety sy manamboninahitry ny polisy -- samy nampangaina ho mitarika sy mamatsy ary mpikambana anaty fikambanana mpampihorohoro mitam-piadiana avokoa
Azonao Tsara Ve Ilay Izy? Afaka Manome Anao Ny Valiny Ireto Andian-Dahatsary Aostralianina
Ahitana ny 'Inona ny Zon'Olombelona?' sy ny 'Fitovian-jo eo amin'ny Fanambadiana' ireo andian-dahatsary mikasika ny Zon'olombelona avy amin'ny Toby Castan misahana ny Lalàna mifehy ny Zon'Olombelona.