- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Endriky Ny Fitateram-Bahoaka Azia Atsimo-Atsinanana An-tsaripika

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Kambodza, Thailandy, Vietnam, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika
Despite Thai laws requiring mandatory wearing of crash helmets, both rider and passenger appears to flout the law. Photo by Matthew Richards, Copyright @Demotix (10/6/2012) [1]

Na dia eo aza ny lalàna thailandey mitaky ny tsy maintsy hisatrohana aroloha amin'ny fianjerana, dia hita ho manitsakitsaka ny lalàna na ny mpanamory na ny mpandeha. Saripikan'i Matthew Richards, Fizakàmanana @Demotix (10/6/2012)

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity ny Global Voices nanasongadina [2] saripika iray malaza vetivety nampiseho Vietnamiana vehivavy iray manamory scooter tsy mitondra aroloha sady mitondra zaza. Iray amin'ireo fanehoan-kevitra amin'ilay saripika no nilaza fa mampiseho ny zavamisy marina any amin'ny araben'i Vietnam izy iny. Indrindra, mahazatra ny mahita mpitondra môtô tsy mitondra aroloha tsy ao Hanoi ihany, fa any amin'ny tanàna Vietnamiana hafa.

Saingy tsy voafetra ao Vietnam ihany ny tranga tahaka izany. Raha mandehandeha any amin'ny tanàna hafa any Azia Atsimo-Atsinanana isika, dia afa-mahita ohatra maro fanitsakitsahana ny arolozan'ny fifamoivoizana [3] mitovitovy amin'izany koa.

Ny sary etsy ambony amin'ity lahatsoratra ity dia mampiseho mpitondra môtô iray hafa tsy mitondra aroloha, fa tany Thailandy kosa tamin'ity indray mitoraka ity.

Ilaina ny lalàna fametrahana fifamoivoizana hentitra ho fiarovana ny vahoaka. Fa matetika isika no mahita olona, anisan'izany ny ankizy, mitaingina fiara izay mety hampidi-doza tokoa ny fiainany. Izy ireo no fampahatsiarovana mivaingana amin'ny tsy fetezana sy tsy fahombiazan'ny rafi-pitaterana [4] any amin'ny firenena Aziatika Atsimo-atsinanana maro. Jereo ny sary eto ambany:

Thai schoolchildren pictured as they ride home on the roof of a crowded truck. Photo by Matthew Richards, Copyright @Demotix (7/18/2013) [5]

Thailandey mpianatra azo sary raha nentina nody eo an-tafon'ny fiarabe feno olona. Saripikan'i Matthew Richards, Fizakàmanana @Demotix (7/18/2013)

Mety ho manahirana tokoa ny mandeha dia lavidavitra any Kambodza, indrindra any avaratra atsinanana:

Photo from @billherod [6]

Saripika avy amin'i @billherod

Mety mahazo olona be loatra ny fiaran-dalambin'i Indonezia amin'ny fotoana mahabe mpandeha:

Train passengers in Jakarta sit on the roof carriage, side windows and between carriages. Photo by wisnu agung prasetyo, Copyright @Demotix, (9/29/2010) [7]

Mpandeha fiaran-dalamby ao Jakarta mipetraka amin'ny tafon'ny kalesy, anilan'ny varavarankely sy anelanelan'ny kalesy. Saripikan'i wisnu agung prasetyo, Fizakàmanana @Demotix, (29/2/2010)

Mitondra olona sy entana ny Jeepneys any Filipina, eny fa na dia mavesabe aza ry zareo matetika:

Tahaka izao ny Jeepney aty amin'ny faritany …

Any Myanmar, ny mpanoratra Jason Szep namakafaka [10] ny rafi-pitateraka lany andro ao amin'ny firenena:

Most vehicles, for instance, are right-hand drive, a throwback to British colonialism. Yet the roads are right-hand traffic, similar to the American system, reducing visibility and keeping drivers on perpetual alert.

Fiara maro dia maro, ohatra, fiara entina ankavanana, izay fiverenan-dalana mankany amin'ny fanjanahantany Britanika. Na izany aza ny lalana dia fifamoivoizana entina ankavanana, mitovy amin'ny rafitra Amerikana, mampihena ny fijerena sy mahatonga ny mpamily ho mailo mandrakariva.

Koa satria ny firenena Aziatika atsimo-atsinanana miomana amin'ny fampidirana [11] ny toekarenan-dry zareo amin'ny 2015, dia tsy maintsy mandinika ihany koa ny tolotra ara-pitaterana ry zareo hanosehana ny fitomboana, famokarana anatiny, ary zava-dehibe indrindra, miaro ny filaminan'ny olom-pireneny.