Tantara tamin'ny 18 Desambra 2014
Ny Lesona Azon'ny Hetsika Erantany Momba Ny Toetrandro Tsoahana Avy Ao Amerika Latina
"Manana an'ity hetsika goavana ity i Amerika Latina, izay mazàna no tsy mitonona ho hetsika momba ny toetrandro, nefa ny zavatra ataon-dry zareo dia ampahany tanteraka amin'ireo tolona ho fanoherana ny fiovaovàn'ny toetrandro."
Tonizia: Ny Fomba Nangalaran'ny Mpiandraikitra ny Fifidianana Ny Zoko Hifidy

Ny andro mialoha ny fifidianana ny filoham-pireneny, misy Toniziana iray mipetraka any ivelany miahiahy fa misy ambadika pôlitika ny fanovàna ny fitsipika avy amin'ny tompon'andraikitry ny fifidianana, izay manakana azy tsy hifidy.
Mediam-bahoaka Serba: Manohana Ny “Lalànan'i Tijana” Ny Rain'ilay Tanora Maty Nisy Namono
Taorian'ny nahafatesan'i Tijana Jurić, tovovavy 15 taona, dia atosik'ireo olom-pirenena ny governemanta Serba mba handàny ny lalàna iray izay afaka hanome fahafahana ny polisy hikaroka avy hatrany sy amin'ny fomba mahomby ireo tanora tsy ampy taona tsy hita.
Endriky Ny Fitateram-Bahoaka Azia Atsimo-Atsinanana An-tsaripika
Mpitondra môtô tsy manao aroloha, jeepneys mavesatra loatra, ary mpandeha fiaran-dalamby ambonin'ny tafon'ny kalesy no sasantsasany amin'ny fiara fitateram-bahoaka mahazatra hitantsika an-dalamben'i Azia Atsimo-Atsinanana.