
Vladimir Putin manararaotra ny fitsingidinan'ny robla eo amin'ny tsenam-bola. Sary tsy nitononana anarana ary nozaraina be tety anaty aterineto.
Efa ho robla roa no ilaina vao mahazo dolara iray raha oharina amin'ny tamin'ny taona lasa. 32.5 ny taham-panakalozana robla-dolara tamin'ny Janoary 2014. Androany, 58.5. Ny fitsingidinan'ny robla angamba no tantaram-baovao lehibe indrindra ao Rosia amin'izao fotoana izao, satria miatrika fihisàrana ara-bola mananontanona azy ny firenena izao ary farafaharatsiny sazy ara-toekarena mandritry ny volana maro avy amin'ny Tandrefana, raha tsy hilaza ny fanaovan'i Maosko ankivy ny fanafarana entana Tandrefana.
Tamin'ny herinandro lasa, tao anatinà kabary iray mikasika ny toerana misy ny firenena, nanomboka fampielezankevitra iray ny Filoha Putin hanoherany ireo mpanafim-bola, nampitombo ny ahiahy hoe hampiditra fanaraha-maso vaovao ireo renivola i Rosia, nahataitra bebe kokoa ireo mpampiasa vola ary nanohina ny lanjan'ny vola ao Rosia. Tamin'ity herinandro ity, nomarihan'ny lehiben'ny sampana federaly mpanadihady ao Rosia fa mety horaisin'ny polisy ho toy ny heloka bevava ny karazany sasantsasany amin'ny fanafenam-bola.
Ao anatin'ny tebiteby misonga mikasika ny vola sy ny toekarena ao Rosia, nanangona ireo ohatra maro isan'ny malaza sy mahatsikaiky amin'ireo “sary mahatsikaikin'ny robla” tao amin'ny Twitter Rosiana ny RuNet Echo.
Namorona sariitatra iray ilay Rosiana mpanome endrika sady mpanao sarimiaina, Yegor Zhgun, nampitahàny ny fitsingidinan'ny robla tamin'ny fahafatesan'ilay olona lalaovin'i Leonardo DiCaprio ao anatin'ilay sarimihetsika “Titanic” tamin'ny 1997, tamin'ny fiheverana fa avy amin'ny fikororosian'ny sandan'ny solika no anton'ny firodànan'ny robla.
— zhgun (@zhgun) November 27, 2014
Rustem Adagamov dia Rosiana malaza iray mpakasary, monina any an-tsesitany amin'izao fotoana izao any Prague, taorian'ny niatrehany endrikendrika hafahafa ho nanao fanolanana, izay mbola tsy nohamafisina foana hatreto, efa ho taona roa lasa izay. Raha miverina any Rosia anefa izy dia mijanona foana ho bilaogera tena manana ny lazany.
Пиф-паф pic.twitter.com/0RHTeyEZP3
— Рустем Адагамов (@adagamov) December 11, 2014
Bang bang.
Rehefa nahatratra ny 50 ny taham-pifanakalozana robla-dolara, ilay kaonty Twitter fanalàna azy malaza KermlinRussia dia nanao ity vazivazy ity momba ny vola taratasy 100 robla:
Говорят, что двухдолларовая купюра очень редкая. Не знаю, я такие каждый день вижу: pic.twitter.com/VuFarRQ6by
— Пeрзидент Роисси (@KermlinRussia) November 28, 2014
Lazain-dry zareo fa tsy fahita firy ny vola roa dôlara. Tsy haiko ny amin'izay. Mahita betsaka foana aho isanandro.
Rehefa nivoaka tamin'ny faran'ny Novambra ny lahatsary fampahafantarana ny andiany fahafito amin'ny “Star Wars”, dia roboka tamin'ny fibitabitahana iraisampirenena nateraky ny fiverenan'ireo “chevaliers” du Jedi sy ny Stormtroopers koa ireo Rosiana mpampiasa aterineto. Porofo ihany koa ny maha-zavatra fanaovana saobabay ny robla ilay sabatra lazera aseho ao anatin'ilay lahatsary fampahafantarana, izay niteraka resabe tsy tambo ho isaina ny fanomezana endrika azy.
Star Wars: The Fall of Ruble pic.twitter.com/2EAw2sSBjk
— Duran / Дюран (@userdie) December 12, 2014
Star Wars . Ny Fianjeran'ny Robla
Ny fitontonganan'ny sandan'ny robla dia solika mandrehitra ny saritaka manerana an'i Rosia manontolo mikasika ny toe-draharaha misy ny toekarem-pirenena amin'ny ankapobeny. Ny ankamaroan'ny Rosina velona ankehitriny dia miaina miaraka amin'ny fahatsiarovany ireo olana ara-bola teo aloha: ny fihisàrana ratsin'ny 2008-2009, teo ambany fitondràn'ny Filoha Dmitri Medvedev, ary ny firodanana iray tamin'ny 1998 fony fitondràn'i Boris Yeltsin.
Ho an'ny olona sasany, lasa sarotra ho azy ireo ny tsy hanara-maso ny tsena.
ВЦИОМ сообщает о резком увеличении разводов.. #нефть #рубль pic.twitter.com/PUHHRNWCow
— Beka (@TwitBeka) December 3, 2014
Mitatitra fitomboan'isan'ny fisaraham-panambadiana ny VTsIOM, masoivoho Rosiana mpanao fitsapan-kevitra … #Oil #TheRuble
Ny hafa indray mivazivazy hoe mila fotsiny mahita làlana hiandrasana ny fiafaràn'izao raharaha manahirana izao ny firenena.
Тук-тук! К вам #кризис ! #рубль #нефть pic.twitter.com/GKjQ2FShmF
— Sasha Valenti (@muzofil_com) November 12, 2014
Tok Tok! Tonga hijery anareo ny #olana! #TheRuble #Oil [Soratra fanazavana, “Lasa nivoaka elaela izy.”]
“An hour on this planet is equal to seven years on earth” “Excellent! We can wait out the crisis here!” pic.twitter.com/cA2b14lbsm
— RuNet Memes (@RuNetMemes) November 18, 2014
“Ny ora iray eto amin'ity planeta ity dia toy ny taona fito eto ambonin'ny tany” “Fatratra loatra! Afaka miandry ny krizy eto isika!” pic.twitter.com/cA2b14lbsm
Mihevitra ny sasany ao amin'ny RuNet fa tsy afaka hanavotra ny robla na dia fihofoana impiry aza.
From middle age to old age to death. The RuNet jokes about the Russian ruble's lifespan. pic.twitter.com/R89MKYg76i
— RuNet Memes (@RuNetMemes) November 8, 2014
Miala avy any amin'ny hatanorana mandalo amin'ny fahanterana ka hatrany amin'ny fahafatesana. Mivazivazy momba ny fahelàna velon'ny robla Rosiana ny RuNet. pic.twitter.com/R89MKYg76i
Tany am-piandohan'ity volana ity, nanao sarontava ireo mpikatroka mafàna fo tao St. Petersburg, nitafy toy ireo Rosiana manana toerana ambony, ary nitondra saribe iray famantarana ny robla hatrany amin'ny renirano Neva natao teo ambony zahatra fandevenana, izay navalany rano ary nitsinkafona “natopan'onja”. ( Nosamborin'ny polisy ny telo nandray anjara tamin'io hetsika io.)
В Санкт-Петербурге рубль отправился в свободное плавание. pic.twitter.com/Be0J7vt1gw
— Ukrainian Mistress (@JuMistress) December 6, 2014
Atopatopan'onja ao St. Petersburg ankehitriny ny robla.
Raha vao resaka vazivazy momba ny firodanan'ny vola no atao, dia nizara betsaka ny asa kanton'ireo mpanao sariitatra ara-politika ihany koa ireo mpampiasa aterineto, indrindra fa ny an'i Sergei Yelkin.
http://t.co/yHCJlBEUA3 pic.twitter.com/9ZTP07KwPy
— Sergey Elkin (@Sergey_Elkin) October 8, 2014
Akaiky kokoa. Avia manakaikeza kokoa…
Tamin'ny Septambra lasa teo, fony mbola teo ambanin'ny 40 ny taham-pifanakalozana robla-dôlara, nanao ity sary mahatsikaiky ity i Yelkin :
— Sergey Elkin (@Sergey_Elkin) September 29, 2014
Ndao andramantsika ny efapolo !
Rehefa fanehoankevitra momba ny robla no resaka, nipoitra tao amin'ny Twitter Rosiana ihany koa ny asan'ireo maro hafa mpanao sariitatra. Ao anatin'ny sary mahatsikaiky eto ambany, seho iray hita tao anatin'ny sarimihetsika “300” no narafitr'ireo mpanao taokanto, seho izay anazavan'ilay mpitantara ny politikan'ny Sparta tranainy ny fanipazana avy eny ambony harambato ireo zaza menavava tsy tomombana ara-batana, mba ho fanadiovana ny tarazon'ny tanàna.
Рубль продолжает падение на новостях об отказе ОПЕК снижать добычу дешевеющей нефти: http://t.co/ugxve9oCCl #новости pic.twitter.com/49HHTk4yYb
— Polit.ru (@POLITRU_) November 27, 2014
Araka ny fombandrazana, dia ariana any anaty hantsana mangitsoka izay vola marefo sy tsy misy ilàna azy intsony…
Ny betsaka tamin'ireo fifanakalozan-dresaka tety anaty aterineto momba ny fijalian'ny volan'i Rosia dia honohono mikasika ny fotoana hitontonan'ilay olana any amin'ny vodiny farany ambany indrindra.
Старое дно: воспоминания о курсе http://t.co/b4EEyRFxxg #деньги #экономика #бизнес #рубль pic.twitter.com/TOtlnrvHXo
— Быстро и достоверно (@finam_blog) October 30, 2014
Ny vodiny taloha: fahatsiarovana ny taham-pifanakalozana robla. #money #economy #business #TheRuble [Soratra fanazavana, “Ity eto izy! Ny vodiny!!”]
Kanefa na mafy toy inona aza ny teorana nisy ny volan'ny Rosia, afaka maka toky izahay fa hitady fiononana hatrany ao amin'ny fanompoana/fanindrahndràna olona atao an'i Vladimir Putin ireo mpampiasa aterineto, izay ny mampalaza azy dia ny “manainga an'i Rosia tsy handohalika,” sady mitaingina soavaly no mampiseho tratra, no tsy maintsy hanosotra menaka balsama hanasitranana ny fanahy feno tebitebin'ny firenena.
The real reason Russia has allowed the ruble-dollar exchange rate to spike so suddenly. pic.twitter.com/TQtTsaTQ8R
— RuNet Memes (@RuNetMemes) October 15, 2014
Ny antony tena izy namelàn'i Rosia ny taham-pifanakalozana robla-dôlara hiakatra tampoka