- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Diaben'ny Toetrandro Goavana Indrindra Tao Amerika Latina: An'arivony Mameno Ny Araben'i Lima

Sokajy: Amerika Latina, Però, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Zon'olombelona
Indigenous communities at the forefront of the climate crisis led the march in Lima. Photo credit: Hoda Baraka

Ny vondrom-piarahamonina Indizena no nitarika teny amin'ny lohalaharana tamin'ny diaben'ny olana momba ny toetrandro tao Lima. Nanome ny sary: Hoda Baraka

Nosoratan'i Hoda Baraka ho an'ny 350.org [1] ity, fikambanana iray manangana hetsika erantany momba ny toetrandro, ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanarahana fifanakalozana votoaty.

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, maherin'ny 15.000 ireo olona avy any amin'ny faritra samihafa no nanao diabe teny an-dalamben'i Lima, nahatonga azy io ho ny diabe goavana indrindra momba ny toetrandro nisy teo amin'ny tantaran'i Amerika Latina.

Any amin'ny faritra, resaka olana momba ny zon'olombelona, tontolo iainana ary ara-pandrosoana no andraisana ny fiovàn'ny toetrandro; araka izany, tsy kisendrasendra ny nanomanana ilay diabe ho ny 10 Desambra, izay manamarika ny Andro Erantany ho an'ny Zon'olombelona. Itakiana ‘Fiovàn-drafitra. Fa tsy Fiovàn'ny Toetrandro’, nampiray vondrona maro samihafa avy amin'ny tontolo isankarazany ilay diabe, nitaky hetsika mivaingana sy tena izy hiatrehana ny olan'ny fiovàn'ny toetrandro.

Ireo vondrona nanao diabe dia nahitàna ny : vondrom-piarahamonina indizena, mpiompy, mpiasa, mpitrandraka harena ankibon'ny tany, vondron'ny tanora hatramin'ny vondrona ara-pinoana. Antomotr'ilay Diaben'ny Toetrandro ataon'ny Vahoaka any New York atsy ho atsy no miseho ity Diaben'ny Toetrandro ataon'ny Vahoaka ao Lima ity, ary manamafy ny fientanana tsy mitsaha-mitombo hisian'ny hetsika erantany ho an'ny toetrandro. 

Ireto ambany ireto ny andian-tsary ahitàna taratra ny hery, ny fientanentanana ary ny fahasamihafàna tao anatin'ilay diabe.

"Let's Save Lake Titicaca" reads a banner held by a woman traveling from the Andes region (border between Peru and Bolivia) calling for action to safeguard the largest lake in Latin America. Photo credit: Hoda Baraka

“Ndeha Ho Avotantsika Ny Farihy Titicaca” hoy ity sorabaventy lanjain'ny vehivavy iray tonga avy any amin'ny faritr'i Andes ity (sisintany manelanelana an'i Pero sy Bôlivia) mitaky ny hanaovana hetsika ho fiarovana ilay farihy lehibe indrindra ao Amerika Latina. Sary : Hoda Baraka

Thousands of workers from various labor unions also joined the march. Photo credit: Hoda Baraka

Mpiasa an'arivony avy aminà sendika samihafa koa no tonga nanotrona ilay diabe. Sary: Hoda Baraka

Youth showcasing the colourful artwork produced for the march at the art space run by Peruvian climate activist group TierrActiva Peru. Photo credit: Hoda Baraka

Tanora mampiseho taokanto maroloko novokarina ho an'ilay diabe, tao amin'ny habaka ho an'ny kanto iandraiketan'ilay Fikambanan'ny Peroviana tanora mpikatroka mafàna fo “TierrActiva Peru”. Sary : Hoda Baraka

Women peasants from Central Latin America travelled from afar for the chance to put a spotlight on the environmental plights in their region. Photo credit: Hoda Baraka

Vehivavy avy any amin'ny faritra ambanivohitra any Amerika Latina Afovoany, tonga avy lavitra mba ho afaka manana vintana haneho masoandro ireo fitarainana momba ny tontolo iainana avy any amin'ny faritra misy azy ireo. Sary: Hoda Baraka

"Desde El Yasuni Para El Mundo." Indigenous environmental activists from Yasuni, Ecuador relay a message to the world for the urgent protection of the Yasuni Amazon region from oil drilling. Photo credit: Hoda Baraka

“Desde El Yasuni Para El Mundo.” Indizena mpikatroka mafàna fo momba ny tontolo iainana avy any Yasuni, Ekoatora, mampita hafatra iray ho an'izao tontolo izao mba hiaro maika ny faritra Amazona ao Yasuni  amin'ny fitrandrahana solika. Sary: Hoda Baraka