Amerika Latina Mibitsika Ho Fampiatoana Ny Herisetra Atao Amin'ny Vehivavy

Image tweeted by Mexican legislator Alejandro Montano Twitter user @lejandromontano.

Sary nobitsihan'i Alejandro Montano, Meksikana mpanao lalàna, mpampiasa Twitter @lejandromontano.

Tany amin'ny Repoblika Dominikàna any Kôlômbia no nipoitra voalohany ny Andro Erantany ho fanafoanana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, ary dia naneho ny fanohanany an'ilay fanentanana, tamin'ny fampiasàna andianà teny diezy isankarazany, ireo mpampiasa Twitter manerana an'i Amerika Latina. 

Ny 25 Novambra 1960, nanome baiko ny fitondran'i Rafael Leónidas Trujillo hamonoana ireo telo mpikatroka ara-politika – ry  Mirabal mirahavavy avy. Io fihetsika io no nanamarika ny fiandohan'ny fiafaràn'ny jadona tao amin'ny Repoblika Dôminikàna ary nanjary daty manan-tantara ho an'ny fitoviana lenta. 

Niaraka tamin'ny fanohanan'ireo firenena 80, nambara ho Andro Erantany ho fanafoanana ny herisetra atao amin'ny vehivavy ny 25 Novambra, tamin'ny Encuentro Feminista voalohany ho an'i Amerika Latina sy Karaiba (Fihanonamben'ny Vehivavy) izay natao tany Bôgôta, Kôlômbia, ny 18 -21 Jolay 1981.  

Amin'ny fampiasàna ny teny diezy  #HeForShe (#IzyHoAzy) (RangahyHoAn-dRamatoa), #DiaNoViolenciaContraLaMujer (#AndroTsyMisyHerisetraAtaoAminVehivavy), #PorLasMujeres (#HoAnyVehivavy), et #NiConElPetaloDeUnaRosa (#NaDiaHoFelandRaozyIrayAza), dia nandray anjara tamin'ilay fanentanana ireo mpampiasa  Twitter.  Mónica Fonseca (@FonsecaMonica) sy Juan Pablo Raba (@juanpabloraba), mpisehatra ary mpivady rahateo, dia nizara ity saripikan'i Juan Pablo Raba manaraka ity, izay mampiseho ny fanohanan'izy ireo tamin'ny fihosorana lokomena tamin'ny molotra: 

#NaDiaHoFelandRaozyIrayAza #RangahyHoAn-dRamatoa Miasa ho sy miaraka amin'ny tanora tahàka ny mpandrafitra fiovàna

Raha i Laura Pinzón (@AzulaNipron), ilay mpanentana anaty fahitalavitra sady lasibika, kosa niteny hoe:

#HoAnyVehivavy tsy ny fanekena ny tsimatimanota amin'ny fanaovana herisetra amin'ny vehivavy no fanentanana tsara indrindra #MemeAvecLePetaleDUneRose

ilay Dôminikàna Betty Sanz (@dafen5) no nampahatsiahy ny firotsahantsika amin'io resaka io :

Samy manana andraikitra ny tsirairay amin'ny fisorohana sy fampitsaharana ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy. #AndroTsyMisyHerisetraAtaoAminVehivavy

Nilaza ilay Meksikana mpanao lalàna,  Alejandro Montano (@lejandromontano), fa mendrika ny fiarahamonina iray rehefa ny vehivavy no tsy atao tsinontsinona :

Ny fiarahamonina mendrika dia izay tsy manao tsinontsinona, tsy mampijaly na mandratra vehivavy #AndroTsyMisyHerisetraAtaoAminVehivavy

Alessandra Scaniglia (@leiesensuale), kosa, dia nilaza fa, indraindray, ny herisetra atao amin'ny vehivavy dia avy amin'ny vehivavy hafa ihany koa no ihaviany, ary tao anatin'ny bitsika nalefany dia nahitàna taratra ireo fifanakalozan-dresaka saro-bahàna momba ny maha-vehivavy sy ny tolon'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy.

Herisetra manambàny? Ny herisetra iray faran'izay ratsy indrindra hitako dia ny vehivavy miady amin'ny vehivavy iray hafa. Indrindra fa “feminazi” miady aminà vehivavy tena vehivavy.
fanamarihan'ny mpandika: ny feminazi dia olona teraka anaty vatana lehilahy saingy mihevi-tena ho vehivavy, antsoin'ny Malagasy hoe “Pelaka”

Ary nomarihan'i Nachita Arrobo (@nachita_arrobo) fa ny firotsahana manodidina io resaka lenta io dia tokony ho an'ny olona rehetra mihitsy:

Ankizivavy, anabavy, enitoa, reny, renibe, namana, rahavavy tsy omby kibo, ndeha daholo hiaraka.#AndroTsyMisyHerisetraAtaoAminVehivavy

Nisy ezaka hafa nanohy ny resaka tao anatiny sy ivelan'i Kôlômbia. Ny “RangahyHoAn-dRamatoa”, ilay fanentanana erantany hisorohana ny herisetra atao amin'ny vehivavy notarihan'ny firenena mikambana, dia nampiasa ny kaonty Twitter: @HeforShe. Ankoatra izay, matetika ny herisetra atao amin'ny vehivavy no resahana ao anatin'ny gazety Humanum.

Vitsivitsy ihany tamin'ireo hetsika natao ireo mba hampiroboroboana ny miralenta sy hiadiana amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Manaraka betsaka an'ireny resaka ireny ny Global Voices, ao anatin'ny Femmes et Genre, (Ny Vehivavy sy ny Miralenta), amin'ny fifantohana manokana amin'ireo fifanakalozan-dresaka eny anaty median'olon-tsotra. 

Jereo koa ny fandrakofana manokana ataon'ny Global Voices an'ilay fanentanana andro 16 hampitsaharana ny herisetra atosiky ny tsy fitovana lenta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.