- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

GV Face: Efatra Taona Taorian'ny Fitroarana. Aiza No Alehan'i Yemen ?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Face

Nanampy tamin'ny fanesorana ny Filoha Saleh, teo amin'ny fitondrana nandritry ny 33 taona, ny fitroaram-bahoaka nalaza tao Yemen tamin'ny 2011. Hatraiza no tena mba fiovàn'ny zavatra rehetra ho an'ity firenena misy mponina 25 tapitrisa ity?

Nantenaina hitondra demaokrasia sy rariny bebe kokoa ho an'ny vahoaka ilay fitroarana, saingy lazain'ireo mpikatroka mafàna fo fa tsy tratra mihitsy ny tanjon'izy iny. Mbola avo be hatrany ny vidim-piainana sy ny tsy fanànana asa, ary mbola mandrotsaka hatrany izay azony arotsaka mba hiadiana amin'ny Al Qaeda ny governemanta, no sady miezaka nefa tsy mahavita mamotika ireo mpiadin'ny Houthi ao amin'ny firenena.

Satria ifandroritan'ny tafika sy ny mpiadin'ny Houthi ny sehatra, tsy manana izay azony ampidirana ny heviny amin'ny dingana fandraisana fanapahan-kevitra ireo vahoaka ao Yemen.

Izany no mitranga na eo aza ny hoe nitarika ho amin'ny dingana tetezamita tokana sy mahabe resaka ilay fitroarana, fantatra amin'ny anarana hoe National Dialogue Conference (NDC). Nandritry ny 10 volana naha-tao amin'ny NDC, nanana fahafahana niara-nitoetra tamin'ireo sangany amin'ny politika ao amin'ny firenena sy niara-niasa tamin'izy ireo hanangana ny firenena Yemen vaovao ireo tanora, vehivavy, fiarahamonim-pirenena, ireo ampahany voahilikilika ao amin'ny fiarahamonina tao Yemen.

Efa ho herintaona lasa izay no nifarana ilay Kaonferansa, ary dia mbola miandry hatrany ny vokany avy amin'ny NDC hotanteraka ireo vahoaka ao Yemen.

Ao anatin'ity fizaràna iray amin'ny GV Face ity, hiresaka amin'ireo mpikatroka mafàna fo isika, mikasika izay vokatra nentin'ny NDC raha toa ka namaly ny hetaheta momba ireo filàna maika ao Yemen amin'izao fotoana izao izy ireny na tsia. Hanontany azy ireo ihany koa isika mikasika ny tontolon'ny fikatrohana amin'izao fotoana izao ao Yemen ary ny fanantenana sy ny nofinofiny ananan'ireo tanora ao Yemen mikasika izay hoavin-dry zareo.

Ireo mpandray fitenenana:

Hisham Al-Omeisy [1]: Yemenita mavitrika amin'ny fampiasàna Twitter sady mpandalina vaovao sy Fakànkevitra momba ny Serasera, monina ao Sana'a.
Afrah Nasser: [2] Yemenita mpikatroka mpiaro zon'olombelona, bilaogera ary mpanao gazety miasa tena. monina any Soeda hatramin'ny 2011.

#GVFace #Yemen [3]