GV Face: Mankalaza Ny Faha-10 Taonan'ny Global Voices Miaraka Amin'ireo Mpiara-Mpanorina Rebecca sy Ethan

Toy ny bilaogy tsotra sy fanambarana ampahibemaso no nanombohantsika, teraka avy amin'ny fihaonan'ireo bilaogera manerantany, nokarakarain'ireo sakaizan'i Berkman roa tao amin'ny Oniversiten'i Harvard tamin'ny volana Desambra 2004.

Folo taona sahady ankehitriny, nitombo 1200 mahery ny mpikambana ato amintsika, izay ahitana mpanoratra, mpandika teny, mpikatroka ary manampahaizana momba ny fampahalalam-baovao antserasera.

Lavitra ny lalana nodiavintsika hatramin'ny nisian'ny fihaonana niarahan'ireo mpiara-mpanorina lalana, dia i Rebecca McKinnon lehiben'ny Biraon'ny CNN Beijing sy Tokyo teo aloha sy i Ethan Zuckerman, teknolojista sy manampahaizana manokana momba an'i Afrika.

Lahatsoratra mahaliana an'aliny tao amin'ny habaka no notaterintsika sy nadikantsika tamin'ny teny maro. Manohy miaro ny zo antserasera isika, ny tolona hanoherana ny sivana sy hanomezana fitenenana ireo fiarahamonina atao an-jorombala. Mpamelona fanovana ao amin'ny firenena misy azy ireo mpikambana ato amintsika, nanjary lasa mpitarika ny sasany tamin'izy ireo, ary nanangana sy nampiasa fitaovam-piarahamiasa hiaka farany, nisy koa aza ireo sasany niatrika fanagadrana sy fanenjehana.

Satria mankalaza ny faha-10 taonan'ny Global Voices isika, dia hiresaka amin'i Rebecca (@RMack) sy Ethan (@EthanZ) momba ny nofinofin'izy ireo hoan'ny Global Voices sy ireo fandresena rehetra, fanamby rehetra ary ireo zava-tsy nampoizina natrehin'izy ireo tao anatin'ity fikambanana, manome aingam-panahy sy mahafinaritra tao anatin'izay 10 taona izay.

Avy amin'ireo mpikambana ato amin'ny Global Voices avokoa ireo fanontaniana napetraka tamin'ity antsafa ity ary fanontaniana avy amin'ireo namantsika tamin'ny alalan'ny fampiharana Fanontaniana sy Valiny amin'ny Hangout.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.