Izao no Endriky ny Global Voices Rehefa Tsy Misy Mpirotsaka An-tSitrapo

This is what Global Voices would look like without our Volunteers

Ary fanitarana kely monja io: tsy maintsy manana ekipa tompon'andraikitra sy tonia eo ho eo ihany izahay, saingy ny tena maoteran'ny Global Voices dia ireo mpirotsaka an-tsitrapo ato aminay, izay mandrafitra ny 96%-n'ny fikambanana. Maro amin'ireo tonia sy ny mpikambana ao amin'ny ekipa tompon'andraikitra ihany koa no nanomboka tato amin'ny maha-mpirotsaka an-tsitrapo azy.  

Koa amin'ity Andro Iraisampirenena ho an'ny Mpirotsaka an-tsitrapo ity, dia manome voninahitra manokana ho an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo anjatony ato amin'ny Global Voices miasa mafy tao anatin'izay folo taona izao hanome ireo tantara tsy mba voatantara tsara ao amin'ny lafintany misy azy izahay. Mankasitraka anareo ry mpirotsaka an-tsitrapon'ny GV—tsy ho hita na aiza na aiza izahay tsy misy anareo!

Fantaro bebe kokoa ny momba ireo mpanolo-tena ato aminay amin'ny alalan'ny famakiana ny mombamomba ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonin'ny GV, ary fantaro bebe kokoa ny momba ny firotsahana an-tsitrapo ato amin'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.