
Filazàn'ny MBC ho an'ireo Koreana mpampiasa azy mikasika ireo votoatin-dahatsarin-dry zareo ao amin'ny YouTube. Mivaky hoe: ” Manomboka ny 1 Desambra 2014, tsy ho hita intsony ao amin'ny fantsona Youtbe-‘ny MBC ny votoatin'ireo fandaharan'ny fahitalavitra MBC. Misaotra anareo tamin'ny fitiavana sy fanohanana ny fantsona Youtube MBC”
Nanapa-kevitra ny hibahana ireo mpampiasa aterineto ao amin'ny firenena tsy ho afaka hijery ny votoatim-pandaharany ao amin'ny Youtube ireo tambajotranà fahitalavitra goavana ao Korea Atsimo, ary mikisaka mankany aminà sehatra hafa fametrahana votoatin-dahatsary lazaina fa mampiakatra ny tombontsoan-dry zareo amin'ny resaka dokambarotra.
Nampikatro-nify Koreana maro ilay fanapahan-kevitra, indrindra fa hoe hanohy hamoaka ny votoatiny ao amin'ny Youtube ihany ireo tambajotra ireo saingy ho an'ireo mpampiasa iraisam-pirenena (tsy Koreana Tatsimo).
Nanomboka tamin'ny herinandro voalohan'ny Desambra, marobe ireo fantsompahitalavitra sy “cable”, ka isan'ireny ny MBC, SBS, tvN sy JTBC, no nanomboka nisakana ireo IP Koreana tsy hahita ny lahatsarin-dry zareo ao amin'ny Youtube. Nolazain'ireo famoaham-baovao marobe fa resaka vola no ao ambadik'ilay hetsika : kely ny vola omen'ny Youtube ho an'ireo tambajotra avy amin'ny dokambarotra (manodidina ny 55 isanjato, raha ny sasany indray milaza 40 isanjato), nefa ireo vavahadin-tserasera Koreana toy ny Naver sy ny Daum Kakao nahavita nifanaraka tamin'ireo tambajotra fa hamerina amin-dry zareo ny 90 isanjato eo ho eo. Tany amin'ny Jona tany ho any, fantsom-pahitalavitra Koreana niisa fito, taorian'ny nivondronany, no nifampiraharaha tamin'ny Youtube mba niezaka ny hampitombo ny anjara volan-dry zareo, saingy tsy nahavita nahita marimaritra iray akory.
Tondraky ny fanakianana avy amin'ny Koreana mikasika ilay fanapahankevitr'ireo tambajotra ny media sosialy isan-karazany, tamin'ny filazany azy io ho tsy mahay mandinika, tsy mijery lavitra ary manavakavaka ireo mpanaraka azy ihany. Marobe ireo nitaraina fa tsy misosa tsara toy ny Youtube ireo sehatra fizaràna votoatin-dahatsary ao an-toerana ka manery ireo mpampiasa mba hametraka rindrambaiko hafa izay afaka manova ny solosainy ho marefo mety hiharan'ny fanafihan'ny mpijirika amin'ny hoavy (Vakio ny tatitry ny Global Voices tany aloha, “Fifanenjanan'ireo Koreana amin'ny Active X” [Anglisy]).
유튜브로 국내외 영상 즐기는 이용자로서, 이번 국내 방송사들의 국내 유튜브 서비스 중단은 짜증만 난다. 해외에는 허용하고.. 차별하냐? 네이버로 옮긴다니.. 거기 동영상 서비스 무겁고 화질 짜증나는데. 액티브 떡칠에 광고 떡칠.. 최악의 헛짓이다.
— 펄퍼러스 Purpureus (@aestas21) November 24, 2014
Amin'ny maha [Koreana] mpampiasa izay mankafy ny mijery lahatsary ao amin'ny YouTube, tena zavatra manahiran-tsaina ilay fanapahankevitr'ireo tambajotram-pahitalavitra Koreana hampiato ny tolotry ny YouTube ao Korea fotsiny, raha toa ka mamela kosa ireo vahiny mpampiasa azy hijery ny votoaty avy amin-dry zareo ao ihany. Endrika iray amin'ny fanavakavahana atao amin'ireo Koreana mpijery izany. Manomboka izao dia hampiasa Naver ry zareo, saingy mihisatra be ny tolotra lahatsary ao amin'ny Naver sady mankarary ny masoko ny kalitaon'ny sary. Ankoatra izany, rakotry ny Active X sy ny dokambarotra ny olona. Io no fanapahankevitra ratsy indrindra noraisin'ireo tambajotra ireo.
유튜브 왜 서비스 중단하는지 검색해보니까 광고수익이 각 방송사에 적게 배분되니까 그런 거구만? 야이 미친… 해외 시청자들 의식해서 우리나라에서만 서비스 중단하는 나쁜 것들아ㅠㅠㅠ
— 슬러쉬 (@SoSlushy) December 1, 2014
Taorian'ny nikarohany valinteny momba izay antony nanajanon'ireo tambajotra ireo ny tolotra Youtube [ho an'ny Koreana], tsikaritro fa zara raha nahazo tombony ambany dia ambany tao amin'ny Youtube ireo tambajotram-pahitalavitra. Ireny olona kaondrana ireny, izay mbola miasa saina hatrany momba ireo mpanjohy azy amin'ny sehatra iraisampirenena no nanapa-kevitra hampitsahatra ny tolotra ao Korea manokana.
유튜브나 구글이 세상의 정의일리 만무하지만, 방송사의 유튜브 서비스 중단은 거의 확실하게 퇴행이 아닐까. 차라리 자체 유료서비스를 위해서라면 모를까. 경우에 따라서는 과거 아카이브까지 업로드하며 의욕을 보이더니..
— mimyo (@mimyo_) November 28, 2014
Izaho tsy miteny hoe vahaolana ho an'ny olana rehetra ny YouTube na Google, saingy tena fikororosiana kosa ny fanapahankevitr'ireo tambajotra hampiato ny tolotra Youtube. Raha toa ka hoe tonga hametraka ny sehatra fizaràna votoatin-dahatsary izay azy ireo manokana ry zareo, mety mba ho takatro ihany. Fa ankoatra izay, ity fanapahankevitra ity dia tsy mifanindran-dàlana tanteraka amin'ny zavatra nataon-dry zareo tany ampiandohana; indraindray ry zareo dia nampakatra an-tsitrapo ireo lahatsary rakitry ny elany ary navitrika tokoa nampiasa ny Youtube. [fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: matetika ireo fahitalavitra no mampakatra feno an'ireo andian-tantara malaza fandefany amin'ny fahitalavitra ho ao]
@_room321 우회하니 넘 느려요..ㅠㅜ 외국 서비스 써보려고 우회해본 적은 있지만 국내 컨텐츠 보려고 우회해야 한다니 어처구니가 없어욬ㅋㅋㅋㅋㅋㅋㅋㅋㅋㅋ
— Rotring (@Rotring_) December 1, 2014
Nampiasa “proxy” aho ary dia nitady làla-miholika [mba hijerena ireo votoaty ao amin'ny Youtube aty Korea], saingy tena maharary tsotra izao ilay fihisàrany. Fahiny, nampiasa “proxy” aho, saingy tamin'izany fotoana izany dia mba hijerena ireo votoaty avy any ivelany, fa tsy ny votoaty Koreana. Tena faran'izay kidaladala ity toe-draharaha ity.