- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nakaton'ny Filoha Goyaney Ny Antenimiera Mba Hisorohana Ny Latsabato Fitsipaham-pitokisana

Sokajy: Karaiba, Goiana, Fampandrosoana, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika
Guyana's Parliament building in the heart of Georgetown. Photo by David Stanley, used under a CC BY 2.0 license. [1]

Tranoben'ny Antenimiera Goyana ao afovoan'i Georgetown. Sary avy amin'i David Stanley, zon'ny mpamorona, CC BY 2.0 license.

Mba hisorohana ny latsabato fitsipaham-pitokisana, nohalavain'ny filoha Goyaney  Donald Ramotar [2]  enim-bolana (ny fitsaharan'ny depiote, tsy misy fanafoanana azy) ny antenimiera ao amin'ny firenena. Malaza amin'ny tsy fahatombenana ara-politika ifotony indrindra i Goyana, izay miteraka ahiahy fa hanohintohina ny demaokrasia ao amin'ny firenena ny fihetsik'i Ramotar. Maherin'ny 800 ireo olona efa nandray anjara tamin'ny fanangonan-tsonia antserasera miantso ny filoha Ramotar mba hiverina amin'ny fanapaha-keviny [3].

Dr. David Hinds [4], mpikatroka politika sady mpaneho hevitra ara-tsosialy nanoratra tao amin'ny Facebook fa very ny maha-ara-dalàna ny governemanta:   

Now that Parliament has been suspended, the people’s representatives have in effect been dismissed by the President. They have no formal forum to represent the interests of their constituencies. They have been put out on the streets—the very streets that for three years they avoided like the plague. The President and his cabinet and party are the sole rulers of Guyana. They have crowned themselves the dictators of the country; that is what they have always wanted. They have subverted the constitution. They can no longer hold on to the mantle of democracy; it’s an illusion.

Amin'izao fotoana nampiatona ny antenimiera izao, noroahin'ny filoha ireo solontenam-bahoaka raha ny tena izy. Tsy afaka manao dinidinika ofisialy izy ireo mba hitondra ny tombotsoan'ny faritra misy ireo mpifidy azy ireo. Nalefa eny an-dalambe izy ireo – lalana izay idifian'izy ireo tahaka ny pesta nandritra ny telo taona. Ny filoha sy ny kabinetrany ary ny antoko no hany tokana mpitondra an'i Goyana. Nanendry tena ho mpanao didy jadon'ny firenena izy ireo; izany no nirian'izy ireo hatramin'izay. Nanova ny lalàmpanorenana izy ireo. Tsy afaka hiantoka intsony ny demaokrasia;  alonalona izany.

Namoaka fanambarana [5]ny Fiangonana Katolika Romana, izay nanohitra tanteraka politika radikalin'ny eitondrana Burnham [5]:

The […] suspension of Parliament on Monday November 10, 2014 puts Guyana into uncharted territory.
There are expectations that the ‘Church’ would give a guiding word or pronounce on issues. But the Church is the entire people of faith and not just its leaders. When believers from any faith tradition live their faith teachings in everyday life then truly the Church is speaking eloquently. When […] in daily life we hold our heads high in the face of intimidation and corruption it is then that the Church speaks in volumes. […] In times of flux and transition we are all called to examine our convictions and bring them to the process of renewal.

It is true that in former times the Catholic Church was at the forefront of efforts to promote justice and peace in Guyana […] We have worked on many national issues, from elections to domestic violence to trafficking in persons.

It is true that efforts in this area have not been consistent. In humility, I suggest that Guyana – like my Church – needs both institutional and relational strengthening. We must find new ways of relating to each other, and better structures to support and encourage those improved relations.

 Mametraka an'i Goyana ho anatin'ny sisintany tsy fantatra ny […] fampiatoana ny Antenimiera tamin'ny Alatsinainy 10 Novambra 2014.
Misy ny fanantenana fa hanome teny fitarihana na hanambara momba ireo olana ny “Fiangonana”. Saingy ny vahoaka manontolon'ny finoana no Fiangonana fa tsy ireo mpitarika azy ihany. Raha miaina amin'ny fampianaram-pinoana isan'andro ireo mpino avy amin'ny finoana rehetra dia hiteny amim-pahendrena tokoa ny Fiangonana. Raha eo amin'ny […] andavan'androm-piainana, mitsangana manoloana ireo fandrahonana sy kolikoly isika, dia hiteny amim-peo mafy indray ny Fiangonana. […] Amin'ny fotoanan'ny firosoana sy ny tetezamita dia antsoina isika rehetra handinika ny faharesen-dahatra ao amintsika ary hitondra izany amin'ny fihavaozana.

Marina tokoa fa taloha, ny Fiangonana Katolika no loha-laharana amin'ireo ezaka fampiroboroboana ny rariny sy ny filaminana ao Goyana […] Niasa tamin'ireo olana marobe ao amin'ny firenena isika, manomboka amin'ny fifidianana hatramin'ny herisetra an-tokantrano, hatramin'ny fakàna an-keriny ny olona.

Marina fa tsy mafonja ireo ezaka amin'izany sehatra izany. Am-panetre-tena, manoro hevitra aho fa i Goyana – tahaka ny Fiangonako – dia  mila manamafy ny andrim-panjakana sy ny fifandraisana. Tsy maintsy mitady fomba vaovao mifandraika amin'ny hafa isika, ary rafitra tsara kokoa hanohanana sy handrisihana ireo fifandraisana nihatsara.

 Niantso an'i Ramotar mba hiala amin'ny fanapaha-keviny ihany koa ny Fikambanan'ny Firenena Amerika [6]:

The head of the hemispheric Organization said, ‘in a democracy, an efficient functioning of the Parliament allows for checks and balances and for the voice of the people to be heard.’ He recalled that ‘since the last elections in November 2011, Guyana has had a split governance system with the executive controlled by one party and the combined opposition having the majority in Parliament.’ […]

In light of this reality the Secretary General of the OAS urges both the governing and opposition political parties ‘to redouble their efforts to reach an understanding and compromise on the major political and socio-economic issues facing the country.’

Nilaza ny mpitarika ny Fikambanan'ny Ila bolantany fa «ao amin'ny demaokrasia, ny fahombiazana mahombin'ny Antenimiera no mamela ny fanamarinana sy fifandanjana hampandrenesana ny feon'ny vahoaka.» Nampahatsiahy izy fa «hatramin'ny fifidianana tamin'ny volana Novambra 2011, nanana rafi-pitantanana nozaraina amin'ny mpanatanteraka fehezin'ny antoko iray sy ny mpanohitra manana maro an'isa ao amin'ny Antenimiera i Goyana.» […]

 Ho fanazavana ity zavamisy ity dia mandrisika ny antoko mitondra sy antoko manohitra ny Sekretera Jeneralin'ny OAS mba “hanamafy ny ezaka hahatongavana amin'ny fifankahazoana sy marimaritra iraisana amin'ireo olana ara-politika sy olana ara-tsosialy ary ara-toekarena goavana atrehin'ny firenena.»

Tao amin'ny Twitter, nampitaha ny fihetsik'i Ramotar amin'ny fampiatoana lalàmpanorenana tao Goyana Britanika nataon'ny manampahefana mpanjanaka ny mpisera iray:

Nahanton'ny filohan'i Guyana ny antenimiera. Eny, miverina amin'ny 1953 isika. Raha nanao toy izany ihany koa ny Britanika

Profesora Maya Trotz, nandritra izany fotoana izany, nanontany tena ny antony mahatonga ireo lehiben'ny faritra tsy nilaza na inona na inona eo amin'ny kizo ara-politika:

Goyana: 60 taona, zavatra tsara. Tsy mbola nisy mpitondra Karaiba naneho ny heviny hatreto.

Toa manana fanantenana i Iana Seales fa mety mbola resy lahatra hikarakara fifidianana vaovao i Ramotar :

Ry filoha Ramotar hajaina, tsotra ny an'ny mpanohitra: tsy hisy ny fifampiraharahana ivelan'ny Antenimiera. Ataovy ny zavatra tokony atao ary manaova fifidianana

Mpanoratra sady mpikatroka Ruel Johnson nandefa sary nandritra ny fihetsiketsehana teo ivelan'ny tranoben'ny antenimiera tao Georgetown :

[15]

Sary nalefan'i Ruel Johnson (@rueljohnson) tamin'ny 11 Novambra 2014 tamin'ny 5:13 hariva PST.

Herinandro lasa izay, tamina raharaha mandeha amin'izao fotoana izao izay nanaitra ny maro tao anatin'ny fiarahamonina efa misara-kevitra tanteraka, voampanga ho nandrahona mpanoratra gazety ny mpampanoa lalàna tao Goyana. Vao haingana, nanaparitaka fampahafantarana [16]mangataka amin'ireo mpanolotra fandaharana ny vondron'orinasa radio malaza ao Goyana mba tsy hiresaka politika mandritra ny fandaharana.

Ny antokon'ny mpanohitra kosa nilaza fa mandà tsy hifampiraharaha amin'ny filoha raha mbola miantona ny antenimiera. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia mbola tsy ho tafala amin'ny kizo ny raharaha.