- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manome Voninahitra An'i Phillip Hughes Amin'ny Alalan'ny Diezy Twitter #PutOutYourBats Ireo Mpankafy Criket

Sokajy: Oseania, Aostralia, Fanatanjahantena, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
Players and officials of Bangladesh-Zimbabwe and the spectators stand up to pay one minute silent for Australian batsman Phillip Huges before the 4th ODI at Sher-e-Bangla Natioanl Cricket Stadium in Mirpur. Dhaka. Image by Reaz Sumon. Copyright Demotix. (28/11/2014) [1]

Nitsangana nandritra ny iray minitra tao anatin'ny fahanginana ireo mpilalao sy ireo manampahefana nandritra ny lalao Bangladesh-Zimbabwe ho fanomezam-boninahitra an'ilay mpilalao Aostraliana Phillip Huges alohan'ny hanombohan'ny lalao iraisampirenena “One Day International” fahaefatra tao amin'ny kianjan'i Sher-e-Bangla Natioanl Cricket ao Mirpur. Dhaka. Sary avy amin'i Reaz Sumon. Copyright Demotix. (28/11/2014)

Nalaza tao amin'ny aterineto sy manerantany ny fanomezam-boninahitra tsotra avy amin'ireo mpankafy cricket hoan'ilay mpilalao criket Aostraliana Phillip Hughes, namoy ny ainy tamin'ny 27 Novambra.

Namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy tamin'izy voadonan'ny baolina tamin'ny Talata nandritra ny lalao fifaninana tao an-toerana tao Sydney Cricket Ground ity Aostraliana kalazan'ny cricket Phillip Hughes [2] ity. Nanao aro-loha i Hughes, saingy nikasoka ny faritra tsy voaaro ny baolina, nandratra ny hazon-damosiny [3]ary niteraka fandehanan-drà tao amin'ny atidoha. Namoy ny ainy tany amin'ny hopitalin'i Sydney izy roa andro taty aoriana noho ny ratra mafy nahazo azy, telo andro mialoha ny faha-26 taona nahaterahany.

Tao anatin'ny fihetsika feno fanajana [4], mpiasa momba ny teknolojiam-baovao, Paul Taylor nametraka ny fively cricket-ny taloha be teo anoloan'ny varavaratranony ao Sydney, miaraka amin'ny satroka cricket eo amin'ny tolanam-bavaravarana ary nisioka ny sary tamin'ireo mpanjohy azy tamin'ny alalan'ny diezy  #putoutyourbats [5]. Nahasarika ireo mpisaona ao Aostralia sy any ivelany izany hevitra izany.

Nitambatra hoan'ny fanomezam-boninahitra mahery vaika hoan'i Phillip Hughes ny #CricketFamily (Fianakaviamben'ny Cricket)

Fanomezam-boninahitra mampihetsi-po hoan'i Phillip Hughes ao Adelaide Oval. Mirary fiononana feno hoan'ny namana sy fianakaviana ary ny fianakaviamben'ny cricket

Mahafinaritra! Tsara ny nataon'ny Google Aostralia #PutYourBatsOut # 63NotOutForever Mandria am-piadanana Phillip Hughes.

SARY: Fanomezam-boninahitra hoan'i Phillip Hughes ao MCG

Fively cricket 63 no napetraka teny am-baravarakelin'ny foiben'ny #CricketAus ho fanomezam-boninahitra an'i Phillip Hughes.

Ho fanomezam-boninahitra an'i Phillip Hughes

Avy amin'ny ankizy Gilly xxx  #PutOutYourBats #RIPPhillipHughes #RIPPhillipHughes

Fanomezam-boninahitra mahafinaritra hoan'i Phillip Hughes ao amin'ny Sekoly Ambaratonga Voalohany Macksville

 #PutOutYourBats hoan'i PhillipHughes. Andro manjombona  hoan'ny tontolon'ny fanatanjahatena manerantany

Nanatevin-daharana ny fanomezam-boninahitra ihany koa ny @Momentum_za [36] Proteas wmn

Nisaona ny fahalasanan'i Phil Hughes ihany koa ny ekipa Pakistana nandritra ny fifaninanana fitsapana mandeha amin'izao fotoana

Nanome voninahitra an'i Phillip Hughes ny ekipa manotonlon'ny @BCBtigers [42] taorian'ny fiafaran'ny ODI faha-4

Teraka tao Macksville, tanàna kely ao morontsiraka avaratr'i Wales Vaovao Atsimo i Hughes, ary nanan-talenta tokoa satria nahazo ny grady A izy tamin'ny fanombohany teo amin'ny faha-12 taonany. Mba hanamarihana ny fahalasanany, nahemotra [45]ny lalao tao Aostralia sy ny firenena hafa. Nisioka [45] mba ho fahatsiarovana azy ireo mpilalao cricket manerantany [45]:

Avy ao Sydney hatrao Secunderabad, notsarovana i Phillip Hughes

Phillip Hughes: Namoy ny ainy noho ny fanaovana ny zavatra tiany izy, miaraka amin'ny fively cricket eo an-tanany.

Jereo ny ESPN raha hijery ireo fanomezam-boninahitra maro hafa hoan'ity kalazan'ny cricket ity [52].