Vietnamiana Mpankafy David Beckham Maneho Ny Tsy Tokony Hitondràna Zazakely Amin'ny Scooter

David Beckham's photo of a fan on a scooter, wearing no helmet, and a sleeping  child riding with her. Photo widely shared on Facebook, from Beckham's page.

Sary nalain'i David Beckham ahitàna mpankafy mitaingina scooter, tsy manao aroloha, sy zazakely matory miaraka aminy. Sary nifampizaràna be tao amin'ny Facebook, niainga avy ao amin'ny pejin'i Beckham.

Tany Vietnam ilay kintan'ny baolina fandàka, David Beckham, tamin'ny Novambra teo mba hanao doka ho anà zava-pisotro iray misy alikaola, saingy ny sary nalefany tao amin'ny pejiny Facebok andro telo taorian'ny fitsidihany no nisarika ny sain'ny rehetra. Sary mampiseho vehivavy iray eny ambony scooter ary maka sary an'i Beckham; tsy mitondra aroloha ramatoa io ary ny tena ratsy, nisy zazakely natory teo anelakelam-peny.

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Beckham :

Tena isan'ny mankafy maka sary aho saingy kosa angamba tsy izao no fomba azo antoka hanaovana izany!

Nahazo “tiana” mihoatra ny 686.000, fizaràna 7.000, ary fanehoankevitra 18.000 ilay sary. Niteraka adihevitra niparitaka tao Vietnam ihany koa ilay izy, mikasika ny fitoniana/fahazoana antoka ny eny an'arabe ary ny fampiharana ny lalàn'ny fifamoivoizana. Olona manodidina ny 14.000 no maty isan-taona ao Vietnam noho ny lozam-pifamoivoizana. Nilaza ny polisy fa hanasazy ilay ramatoa noho ny fanitsakitsahany ny lalàn'ny fifamoivoizana mba ho anatra ho an'ireo hafa mpitondra kodiaran-droa.

Nefa i Scott Duke Harris, mpiasa nandao an'i Vietnam, dia nanamarika fa fitaratra tena maneho tsara ny fomba fanao eny an-dalàmbe ataon'ireo Vietnamiana mpamily sy ireo mpitondra kodiaran-droa ilay sary:

Eny, tsy nanaraka ny lalàna ilay mpankafy an'i Beckham – saingy tsy ny Vietnamiana maro mihitsy ve no manao an'io isanandro vaky izao? Matetika no tsinontsinoavina ny lalàna momba ny aroloha, toy ny lalàna mamepetra ny tsy tokony hampiasàna ireny fitaovana finday ireny. Efa mandeha ho azy ny hoe ankizikely entina eny ambony moto tsy asiana aroloha na, tahaka izay ihany, fitaovana hafa fiarovana. Ny jamba ihany no tsy mahita an'io.

Ao amin'ny Facebook, niteny ny ankamaroan'ireo Vietnamiana mpisera hoe manahiran-tsaina azy ireo ilay sary no sady nanakiana an'ilay ramatoa noho ny tsy firaharahiany ny loza mety hanjo ilay zaza entiny miaraka aminy. Mandritra izany, nampahatsiahivin'ì Truong Dang, mpampiasa Facebook, an'i  Beckham fa afaka nanao zavatra tsara kokoa noho ny naka sary fotsiny an'ilay mpankafy azy izy :

Tokony ho nataonao ny nanome marika azy mba hahatsiarovany fa tandindonin-doza izy fa tsy ilaozana maka sary azy koa. Raha nisaina ny aminy sy ilay zazakely ianao tamin'io fotoana io, dia azoko antoka fa tsy ho nanao fihetsika toy izao.

Svein Berg, iray hafa mpampiasa Facebook, naka tàhaka an'i Beckham tamin'ny fitenenana azy hoe tany Vietnam izy mba hanao doka ny marika zava-pisotro iray misy alikaola :

Tena mpankafy aho, saingy tsy azoko antoka kosa hoe ny fampiroboroboana ny alikaola no fomba tsara indrindra ?

Hoang V Tan nanoratra ny fihetsehampo iraisan'ny marobe mpampiasa aterineto ao Vietnam:

Tsy mahasolo tena ny kolontsaina Vietnamiana io vehivavy io. Kanefa, manaiky fa marobe ny olona no mitondra tsy am-piheverana. Na dia tia ny zanany aza ny olona maro, marobe no tsy mahalala akory izay tokony hatao hiarovana azy ireny araka ny tokony ho izy. Vokatry ny fanabeazana tsizarizary sy tsy mahomby io, ny fanasàna atidoha ataon'ny fanjakàna ary ny fampiharana ny lalàna.

Ndeha hanantena fa ho any amin'ny fanatsarana ny fitoniana/fahazoana antoka eny amin'ny arabe ao Vietnam iny sary nalain'i Beckham iny, amin'ny fampahatsiahivana ireo manampahefana sy fampianarana ny daholobe mikasika ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny lalàn'ny fifamoivoizana sy ny fepetra samihafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.