- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Raha Tsy Manan-tsiny I Moubarak, Iza No Nanome Baiko Nampamono Ireo 900 Maty Nandritry Ny Revolisiôna Ejiptiana?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana
Protestors trying to get back to Tahrir Square after Mubarak is acquitted. Photograph by Omar Elhadi (Twitter) [1]

Mpanao hetsi-panoherana manandrana miverina eo amin'ny Kianja Tahrir taorian'ny filazana fa tsy meloka i Moubarak. Sary avy amin'i Omar Elhadi (Twitter)

Miverina an-dalambe ireo Ejiptiana taorian'ny nilazan'ny fitsarana iray fa afaka madiodio [2] tamin'ny resaka famonoana mpanao hetsi-panoherana ny fitondràny nandritra ilay revolisiôna tamin'ny 25 Janoary ilay filoha Ejiptiana teo aloha, Hosni Moubarak. Nesorina ihany koa ireo vesatra nianjady tamin'i Moubarak sy ireo niaraka voaheloka taminy izay ahitàna ny Minisitry ny Atitany, Habib Eladly sy ireo zanany roalahy, noho ny resaka kolikoly nifamatotra taminà raharahanà entona niarahany tamin'i Israely.

Tao anatin'ny andro 18 nifikiran'i Moubarak teo amin'ny fahefana  taorian'ny nanombohan'ireo hetsi-panoherana ny fitondràny, voavinavina ho 900 teo ireo mpanao hetsi-panoherana novonoin'ny tafi-panjakàna, ary an'arivony maro ireo voasambotra mandra-pialany tamin'ny fotoana farany, ny Febroary 2011. Nandany telo taona sy tapany taorian'io tany am-ponja i Moubarak, 86 taona, izay ny ampahany betsaka dia nikarakaràna azy tany amin'ny hôpitaly, nibaby vesatra isan-karazany.

Ho an'i Mada Masr [3], nesorin'ireo mpitsara amin'izao fotoana izao ireo vesatra natao an'i Moubraka, “tamin'ny nilazàna fa nisy tsy nety ny fizotry ny dingana ara-pitsaràna nataon'ireo mpampanoa lalàna.”

Miampy hoe:

Tsy tamin'ny toeran'ny voampanga fototra i Moubarak tao anatin'ilay raharaha ary roa volana taorian'ny fanokafàna azy io, tsy mbola nampidirin'ireo mpampanoa lalàna ho ao anatin'ilay raharaha ihany izy. Ho an'ilay mpitsara, io dia nampiseho fa ny fampanoavana dia niteny  hoe “ tsy nisy fototra ho an'ny dingana fanenjehana ara-keloka” nianjady amin'i Moubarak.

Nisy ny ambony ambany tamin'ilay fihetsiketsehana be ara-pitsarana natao an'i Moubarak, saingy ny didy navoaka androany dia toy ny vely farany tao ampara-hatoka ho an'ireo Ejiptiana. Na dia voafatotry ny lalàna iray miteraka resabe mandràra ny fihetsiketsehana aza ka nampidirana am-ponja ireo mpanao hetsi-panoherana tsy tambo nisaina, nidina an-dalambe mba hanalàny ny fony ireo Ejiptiana tohina tamin'ilay didim-pitsaràna.

Tsy afaka nidirana ny Kianja Tahrir, fon'ny revôlisiôna Ejiptiana, nasiana rindrina feno tariby misy tsilony ary olona mitam-piadiana misava ny karapanondron'ny olona. Vaky ny korontana teo akaiky teo rehefa maro ireo mpanao hetsi-panoherana tafangona hihogahoga an'ilay didim-pitsaràna.

Nitranga io rehefa injay nisy lehilahy dimy nanam-pahasahiana, ary nitombo sy hitohy hitombo

Kianja Tahrir minitra vitsy lasa izay. Mbola misy hatrany ireo olona mihiaka ny Tsia ary tsy ho renay izay hiafaràny.

Betsaka ny olona tonga manohana ireo mpanao hetsi-panoherana ary mitombo hatrany ny isany

Eo anoloan'ilay fefy tariby misy tsilony ao amin'ny Kianja Tahrir ho fanoherana ny maha-tsy manan-tsiny an'i Moubarak

Miha-mitombo hatrany ny isan'ny olona ary tsy ho ela dia tsy ho voafehy ny teo-draharaha

Vetivety foana, nanomboka ny famoretana. Omar Elhadi, bilaogera manana mpanjohy miisa 136K ao amin'ny Twitter, dia manome ny fifampitohizan'ireo tranga niseho androany:

Toy izao no fizotry ny tantara. Tsy manan-tsiny i Moubarak, manao hetsi-panoherana ny vahoaka ary midina an-dalambe ka tafihan'ny Sisi amin'ny entona mandatsa-dranomaso sy tifitra ry zareo, sady samboriny

Tao amin'ny Twitter, nitohy niraraka nandritry ny andro tontolo ireo fanehoan-kevitra. Ao anatin'ny tafatafa voalohany nataony ho an'ny fahitalavitra, milaza i [23] Moubarak fa tsy nisy zavatra tsy nety nataony. Mampahatsiahy azy i Johnathan Moremi :

Tsy tsaroanao mihitsy hoe nanao zavatra tsy nety ianao tamin'ny #jan25 [24] ve r'Ing #Mubarak [25]?. Eto, aleo ampiako ianao. (Photo @mosaaberizing [26]) pic.twitter.com/QGVHpx5K3l [27]

Manala ny fony amin'ny eson-teny manadrohadro i Amro Ali :

Nandritry ny andro 18 nitroaran'i #Egypt [29], 840 ireo olona nanàla an-tsitrapo ny ainy tamin'ny fandehanana nanandrify ny balan'ny polisy sy ireo fiaran'ny mpitandro filaminana.

Ahmed Khalil manontany tena hoe :

Te-hanongana ny fitondràna ny vahoaka. Ry zareo ve no nanao izany sa ny fitondràna izay mbola teo amin'ny fahefàna?

Ary manamafy i Mohamed Emam :

Tsy maintsy nodiovina ho tsy meloka i Moubarak mba hahatakaran'ny olona fa tsy voaongana akory ny fitondràna

Hind, Libiana bilaogera manana mpanjohy maherin'ny 31K , dia miteny fa ny ilain'i Ejipta mba hamarànana izao raharaha tsy hita fiafaràny izao dia  .. revôlisiôna iray.

kolikoly mandady toy ny trambo, famoretana ny fiarahamonina sivily, rafitra fitsaràna manjavozavo, tsy misy fahalalahana maneho hevitra, tsimatimanota – fantatrao hoe inona no ilain'i Ejipta? Revôlisiôna iray.


Vakiteny misimisy kokoa (amin'ny teny Anglisy):

Q&A: The Mubarak trial verdict – What just happened? [2]

A timeline of the Mubarak trial